Alatsinainy 06 Mey 2024

Jaona 1.32-34

Ny tena vavolombenon’i Jesoa Kristy

1- Nahita izay nasehon’ Andriamanitra taminy.

Miverimberina matetika ny filazana fa vavolombelona nahita maso izay zavatra nasehon’Andriamanitra taminy i Jaona: « Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny » (and.32); (jereo koa ny and.29, 33,34). Tohizany izany fijoroana ho vavolombelona izany ka hoy indray izy: « Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak’Andriamanitra. » (and.34). Izany no ilazantsika eto fa ny fijoroana ho vavolombelona dia miorina amin’ny fahitana sy ny fahatsapana izay rehetra efa nasehon’ Andriamanitra momba an’i Jesoa Kristy sy ny asan’ny Fanahy Masina. Andriamanitra nо mampahalala an’i Jesoa amintsika mba hinoantsika Azy. Jereo fa na Jaona mpanao batisa aza dia niaiky fa tsy nahalala Azy (and.31,33), raha tsy nampahafantarin’ Andriamanitra.

2- Nirahina hanambara izay hitany.

Raha ny Soratra Masina no dinihina dia tsy afa-misaraka eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona ny « fiantsoana » sy ny « fanirahana« . Maro amin’ireo olona nantsonin’ Andriamanitra no nanehoany fahitana aloha, ary aorian’izany dia misy Tenin’ Andriamanitra mibaiko na maniraka izay antsoiny. Andriamanitra, mihitsy no naniraka azy hanambara izay rehetra hitany, araka ny voasoratra hoe: Izay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano (milaza an’Andriamanitra izany)… no nilaza tamiko hoe: « Izay ho hitanao idinan’ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin’ny Fanahy Masina. « (and.33). Araka izany, ny tena Vavolombelona dia izay rehetra efa nanambaran’ Andriamanitra ny Tenany, sy nandre ny feony ary nirahina hanambara fa Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra. Fanontaniana:

Inona no ahafahanao milaza fa Zanak’andriamanitra i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

Jona: MIARO NY OLONY NY TOMPO

| | 02. Ala. I man. Trinite
Salamo 44. 1–8 | Matio 12. 1–8 | 2Timoty 4. 16–18

| | 09. Ala. Il man. Trinite – SEKOLY FJKM
Ohabolana 22. 17–23 | Jaona 6. 34–40 | Efesiana 4. 11–16

FJKM Fahazavana

ANDRO NIAKARANA – 09 May 2024

SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA (38)

Production FTV