Alahady 12 Mey 2024

Jaona 16.5-11

Mahatsara antsika ny fialan’i Jesoa (and.7)

Mampiomana ny mpianany Jesoa fa tsy maintsy ho avy ny fotoana hisarahany amin’izy ireo. Ny fiakarany ho any an-danitra no ambaran’io fisarahana, na « fialany » io. Manomboka eto dia: – Mba handehanantsika amin’ny finoana fa tsy fahitana.

1. Ankehitriny isika dia mandeha amin’ny finoana fa tsy fahitana.

Tsy mahita an’i Jesoa ny masontsika, fa amin’ny finoana kosa dia mifandray Aminy mandrakariva isika amin’ny alalan’ny Soratra Masina. Ny hoe « finoana » dia fahatokiana ny zavatra nampanantenain’ Andriamanitra momba ny Teny fikasany. Ny finoana no porofo anekena fa marina ny fampanantenan Andriamanitra. Ny olona mino dia matoky fa tsy mamitaka Izy, fa izay nampanantenainy dia tsy maintsy hotanterahiny. Maro ireo olona naharitra tamin’ny finoana na dia novesaram-pahoriana aza, tonga olo-malaza amin’ny finoana. (Heb 11.4). Tian’i Jesoa ho toy izany koa isika.

2- Mba hanirahany ny Fanahy Masina ho amintsika.

…Fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy. (and.7d) Mahatsara antsika ny fialan’i Jesoa satria irahiny Fanahy Masina ho aty amintsika. Ary ny fitoeran’ny Fanahy Masina ao amintsika dia zavatra sarobidy nohon’ny fahitana an’i Jesoa amin’ny mason’ny nofo. Tsy mahay mampiray antsika amin’i Jesoa raha izay fahitana amin’ny mason’ny nofo fotsiny; manaporofo izany ireo olona maro nahita an’i Jesoa, nefa tsy nino Azy. Fa ny Fanahy Masina kosa no mampiray antsika amin’i Kristy velona. Ny Fanahy masina no hampiharihary amin’izao tontolo izao ny fahotany noho ny tsy finoana izay mahadiso azy (and.8), ny Fanahy Masina no hanamarina ny Teniny noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, ary hitsara azy satria resiny i satana.

Fanontaniana:

Tamin’ny inona no tena nahatsapanao ny herin’ny finoana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM