Sabotsy 11 Mey 2024

Hebreo 9. 23-28

Ny asam-panavotana nataon’i Kristy.

Ambaran’ny mpanoratra ny maha samihafa ny asam-pisoronana nataon’i Kristy sy ny an’ireo mpisorona tamin’ny fanekena taloha:

1- Nanao sorona ny tenany indray mandeha (and.26,27,28)

Nanolotra ny tenany an-tsitrapo ho faty mba hitondra ny otan’ny maro Izy. Indray mandeha ihany no nanaovana izany dia vita, ary tsy mila averimberina toy ny an’ny mpisorona intsony. Nijaly noho ny otan’ny maro i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana, nefa tsy nijaly mandrakizay, fa rehefa afaka izany dia nitsangana ho Mpandresy Izy. Voatendry ho faty indray mandeha ny olona noho ny maha mpanota azy. Noho ny maha olona an’i Jesoa Kristy, ka nonina tety an-tany dia voatendry ho Azy koa ny fahafatesana. Tsy nanota anefa Izy, fa Izy no nisolo ny mpanota. Noho ny sorona nataony dia afaka ny maro.

2- Hiseho fanindroany Izy.

« …dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin’ota, amin’izay miandry Azy, ho famonjena » (and.28). Vita ny asam-panavotana, voaisotra ny ota, ka tsy hitondra ny otan’ny maro intsony Izy amin’ny hisehoany fanindroany. Nanao fanadiovana hahafaka ny fahotantsika Izy, ka rehefa vitany izany dia nipetraka eo amin’ny tanana ankavanan Andriamanitra. Hitsara izao tontolo izao no hisehoany fanindroany. Miandry Azy sady maniry ny hisehoany ny mino. Tsy voafaritra ny fotoana hiverenany, fa ho tonga tampoka Izy (1 Tes 5.2,3; 2 Pet 3.10…) Ho avy Izy ka handray ny Azy. Amin’izany dia ho afaka amin’ny fahoriana rehetra ny mino mbola velona, ary izay efa maty ao amin’ny Tompo dia hatsangana amin’ny maty ka horaisiny avokoa, mba ho any amin’izay itoerany (Jao 14.3).

Fanontaniana:

Efa vonona amin’ny flaviany fanindroany ve ianao? Hazavao.

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM