Tantara sy Arsiva Vaovao farany

Tantara/ FJKM MANDROSOA ILAFY

 Nosoratan-dRANJATOHERY Harilala A.,
Tonian’ny Fiangonana

TOKO 1 : NY FAHATONGAVAN’NY FILAZANTSARA

1° Ny nahatongavan’ireo Misionera LMS

Ny 18 aogositra 1818 no tonga teto Madagasikara i David Jones sy Thomas Bevan, Misionera nirahin’ny LMS hitory ny filazantsara amin’ny Malagasy. Avy any Pays des Galles izy mirahalahy ireto. Tao Toamasina no nitoeran’izy ireo. Niverina nankany amin’ny Nosy Maorisy naka ny vady aman-janany izy mirahalahy ny 24 septambra. Ny 20 novambra no tafaverina teto Madagasikara i David Jones niaraka tamin’ny vady aman-janany. Nidaosin’ny fahafatesana anefa ny vady aman-janak’i David Jones. Ny 6 janoary 1819 kosa no tonga teto amin’ny Nosy indray i Thomas Bevan nombam-bady aman-janaka ihany koa. Narary ary maty ihany koa i Thomas Bevan mianakavy, fotoana fohy monja taorian’ny nahatongavan’izy ireo. Nolazoin’ny tazo koa aza i David Jones ka lasa niverina tatsy Maorisy nitsabo tena ny 3 jolay 1819. Naharitra herintaona mahery kely no nipetrahany tany. Ny 9 septambra 1820 no niverina teto Madagasikara David Jones. Nantsoin’ny Mpanjaka Radama I (1810-1828) niakatra an’Antananarivo izy ary nanankinany raharaha lehibe tamin’ny fanokafana sekoly hampianarana ny vahoakany.

Maro ireo Misionera LMS tonga teto Madagasikara taorian’i David Jones. Anisan’izany ry Griffiths, ry Jeffreys…Samy nikatroka tamin’ny fampianarana izy ireo, ankoatra ny fitoriana ny filazantsara. Nataon’ny Misionera ho zava-dehibe rahateo ny nifampizara raharaha mba hampirindra ny asa.

2° Ny fanenjehana ny fivavahana kristiana

Niamboho Radama rainy ny taona 1828. Nandimby azy i Mavo na Ranavalona I (1828-1861). Nanenjika mafy ny fivavahana kristiana ity Mpanjaka ity. Ny kabary lehibe natao teo Mahamasina tamin’ny 1 marsa 1835 no nanambaran’ny Mpanjakavavy ho ren-tany, ren-danitra, ny fandrarany ny fivavahana kristiana ary niantsoany ny kristiana mba hiverina indray amin’ny fivavahan-drazana. Maro tamin’ireo kristiana no maty maritiora : nolefonina, notoraham-bato, navarina tamin’ny hantsana, nampinomina …Tao koa ireo natao gadra lava na namidy ho andevo, na nalefa sesitany.

Maro tamin’ny kristiana ihany koa anefa no niery tsy ho hitan’ny mpitsikilon’ny Mpanjaka. Nanohy ny fivavahana tany am-pierena tany izy ireny. Famakiana Soratra Masina, hiram-pivavahana , vavaka. Ireo no nifandimbindimby nandritra ny fotoam-pihaonan’ireo kristiana. Naharitra 33 taona ny nanjakan-dRanavalona I. Nandritra izany taona maro izany koa anefa no azo heverina fa nanamasaka ny fiorenan’ny Fiangonana aty aoriana, rehefa hitsahatra miaraka amin’ny fahalasanan’ny Mpanjakavavy ny fanenjehana ny fivavahana kristiana.

3° Ny fielezan’ny fivavahana kristiana

Nanjaka nandimby an-dreniny Radama II (1861-1863), zanany. Namela malalaka ny fivavahana kristiana ny Mpanjaka. Nivoaka tany am-pierena ny kristiana maro. Tsy nanohintohina ny kristiana ihany koa ny Mpanjakavavy Rasoherina (1863-1868) izay nandimby am-badiny teo amin’ny fiandrianana ka tsy nanana ahiahy ny kristiana. Nampandroso fatratra ny fitoriana filazantsara kosa Ranavalona II (1868-1883), nandray ny Fanjakana taorian’ny niambohon-dRasoherina. Nataony ho fivavaham-panjakana rahateo ny fivavahana kristiana rehefa niakatra teo amin’ny seza fiandrianana izy. Niroborobo tsy nisy toy izany ny asan’ny Fiangonana.

4° Ny fidiran’ny fivavahana kristiana tao Mandrosoa Ilafy

Ingahy Rainingorisahala, andriandahy avy any Lazaina, no nampiditra ny fivavahana kristiana tao Mandrosoa. Tokony ho tany tamin’ny taona 1831 izany. Efa-taona talohan’ny namakiana an-kabary ny fandrarana ny fivavahana kristiana izany. Tsy naharitra teo Mandrosoa Ingahy Rainingorisahala rehefa nanomboka ny fanenjehana. Nandositra tany Vonizongo izy. Tany izy no maty. Any ihany koa no ilevenany. Mbola mivavaka ao amin’ny Fiangonan’i Mandrosoa Ilafy mandraka ankehitriny kosa ny ampahany amin’ny taranany.

TOKO II : NY FIORENAN’NY FIANGONANA

1° Araka ny fahefam-piangonana

« Vondron’ny mpino navotana tamin’ny alalan’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy ka hanana fomba fiainana vaovao miaraka amin’Andriamanitra » no atao hoe Fiangonana. Famaritana mifameno amin’izany ny voalazan’ny Lalàna sy ny fitsipiky ny Isan-kerintaonan’ny LMS izay manambara ny Fiangonana ho « Fikambanana masina naorina ho an’ny olona rehetra, izay manaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompony ary mikambana mba hampandroso ny Fanjakany ety ambonin’ny tany sy handray ny fitahiam-panahy vokatr’izany. » Hamafisin’ity Lalàna sy fitsipika ity, ankoatra izany, fa «ny Fiangonana kristiana tsirairay avy dia fikambanan’ny olona izay efa nanolo-tena ho an’i Kristy ka ekena ho mpandray sy mpiangona ao amin’ny fitoerana iray, hiara-mivavaka amin’Andriamanitra. » Tsy ny trano fivavahana araka izany no tondroina eto amin’ny hoe Fiangonana.

Nanomboka tamin’ny fotoana nahatongavan’Ingahy Rainingorisahala teo Mandrosoa no nisian’ny Fiangonana, izany hoe ny fiaraha-mivavaka nataon’ireo mpino kristiana tamin’izany fotoana izany. Azo inoana fa mbola vitsy ihany izy ireo. Marihina fa nanana ny sampy izay notoaviny rahateo ny mponina teo Mandrosoa : ny sampy Rabehaja teny Manazary.

Voalaza etsy ambony fa tsy naharitra teo Mandrosoa Ingahy Rainingorisahala. Nangingina ny fivavahana kristiana rehefa lasa izy.

Niverina indray ny firehetam-pon’ny kristiana rehefa nalalaka ny fivavahana kristiana taorian’ny niambohon-dRanavalona reniny. Nanao fandaminana ny fahefam-piangonana tamin’izany fotoana izany, ny Isan’Enimbolana , nivory tao Antsampanimahazo , tamin’ny 16 desambra 1868: nataony ho anisan’ny zanak’i Faravohitra i Mandrosoa. Efa Fiangonana nijoro amin’ny maha fikambanan’ny mpino azy araka izany no nisy teo Mandrosoa tamin’izany fotoana izany. Tsy isalasalana ny milaza fa anisan’ireo Fiangonana kristiana 131 niorina voalohany teto Imerina teo anelanelan’ny taona 1861 ka hatramin’ny 1868 ny teo Mandrosoa. Nisy Mpandray Fanasan’ny Tompo 7 066 sy mpiangona 37 112 tamin’ireo Fiangonana ireo. Anisan’ireo ny kristiana teo Mandrosoa. Zanaky ny LMS ny Fiangonan’i Mandrosoa Ilafy.

2° Araka ny fahefam-panjakana

Ny taratasy laharana faha 205, tamin’ny 10 janoary 1914, nosoratan’ny Governora Jeneraly Albert Picqué, no nanome fahazoan-dalana hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin’ny trano fiangonan’i Mandrosoa, niorina tamin’ny taona 1869, araka ny firaketana voalazan’ny didim-panjakana tamin’ny 11 marsa 1913. Ny taratasin’ny Administratera Lehiben’ny Distrikan’Antananarivo tamin’ny 14 mey 1914 no nilaza izany fanapahan-kevitry ny Governora izany. Io taona 1869 no noraisin’ny Fiangonan’i Mandrosoa Ilafy ho taona niorenany.

TOKO III : NY FIVOARAN’NY TRANO FIANGONANA MANDROSOA ILAFY

1° Ny teo Ambodiaviavy

Tao an-tanàna, anatin’ny hadivory, teo ambodiaviavy no nanorenana ny trano fiangonana voalohany. Trano tsizarizary, vita tamin’ny zozoro na rantsan-kazo madinika, tafo herana no najoro. Ingahy Rainingorisahala no nitarika ny fanaovana ny trano. Tao amin’izany trano teo Ambodiaviavy izany no niarahan’ireo kristiana teo an-tanàna nivavaka. Tsy fantatra na firy na firy ny isan’izy ireo.

Roa taona taorian’ny kabary lehibe teny Mahamasina ny 1 marsa 1835 izay nandraran’ny Mpanjaka Ranavalona i ny fivavahana kristiana no nandefonana an-dRasalama teny Ambohipotsy (14 aogositra 1837). Izy no maritiora malagasy voalohany. Nangotraka ny fanenjehana ny kristiana nanomboka teo. Nangina ny fivavahana teo Mandrosoa rehefa nandositra tany Vonizongo Ingahy Rainingorisahala.

Antony roa no nahalefy vetivety ny fivavahana kristiana teo Mandrosoa tamin’izany fotoana izany. Voalohany : tsy lavitra an’io toerana nisian’ny trano fiangonana voalohany io, ny tanànan-dRainiharo, Praiministry Ranavalona I. Teo andrefan-tanàna, amin’ny ivelan’ny hadivory, eo amin’ny misy ny Foiben’ny Madagascar National Park sy ny manodidina azy rehetra, no toerana tondroina amin’izany. Nisy trano naorin-dRainiharo teo izay efa noravan’ny tompon’ny tranobe miorina eo ankehitriny. Mbola eo kosa ny fasana nataon-dRainiharo, talohan’ny nanaovany ny teny Isoraka. Nivezivezy matetika teo amin’izany tanànany izany Rainiharo. Faharoa : ny lalana amin’ny atsinanan-kady izay mbola ampiasaina mandraka androany no fandalovan’ireo irak’Andriana mankany Toamasina, fony tsy mbola vaky lalana ny teny atsimon’Ankadindramamy. Fantatr’ireo kristiana teo Mandrosoa noho izany fa tsy hampananosarotra ny ireo mpitsikilon’Andriana mihitsy ny hanatratra azy ireo. Niparitaka nanerana ny manodidina an’Antananarivo rahateo ihany koa ny miaramilan-dRanavalona nisambotra ny mpivavaka.

2° Ny trano fiangonana teo afovoan-tanàna

Nifindra teo anoloan’ny tranon’Itompokovavy Rasoamananivo, eo atsimon’ny biraom-pokontany ao afovoan-tanàna, ny trano fiangonana faharoa, tokony ho tamin’ny taona 1862. Trano zozoro izy io. Tamin’ny fotoan’andro nanjakan-dRadama II (1861-1863) izany. Efa nalalaka ny fivavahana.

Eo amin’io toerana malalaka manoloana ity trano ity no voalaza fa niorenan’io trano fiangonana faharoa io

3° Ny trano fiangonana fahatelo

Fotoana fohy ihany no nisian’ny Fiangonana tao afovoan-tanàna. Tsy lavitra ny kianja filalaovan’ny kilonga sy fanaovana tolon’omby mbamin’ny hira gasy ny trano fiangonana nivavahan’ny kristiana teo. Nahatsiaro ho voaelingelina sy voatabataba loatra izy ireo rehefa amin’ny andro alahady. Noho izany no nanapahan’izy ireo hevitra namindra ny trano fiangonana ho any ivelan’ny hadivory, eo amin’ny toerana misy azy ankehitriny.

Tamin’ny taona 1869 no nahavitan’ity trano fiangonana fahatelo ity. Biriky tany, tafo herana no nanaovana azy io. Ny taratasin’ny Governora Jeneraly, Albert Picqué, tamin’ny 10 janoary 1914, no manamarina ny izany, ka iheverana ny maha ara-dalàna ny fampiasana ny trano ho fivavahana nanomboka tamin’io taona 1869 io. Voalazan’ny lovantsofina fa lehibe ihany ity trano ity.

4°-Ny trano fiangonana tamin’ny tamin’ny taona 1909

Noravana ilay trano vita tamin’ny taona 1869. Novana kelikely noho ny teo aloha. Natao rindrina madio ivelany , notafoana taila tanimanga. Ny taona 1909 no vita io trano vaovao io

Ezaka lehibe no natao tamin’ny nananganana ity trano ity. Nohetsehim-panahy tokoa anefa ireo kristiana teo Mandrosoa ka tontosa ny asa. Fanomezana maimaimpoana avokoa ny fitaovana rehetra nanaovana ny trano. Olona valo (8) nanome ny biriky tanimanga : Rainiketamavo, Rainmanga, Rainiberiaka, Rainiharivelo, Rainisoamananoro, Rainibodomalanto, Rainimanandray, Rainiketaka 1. Nisy enina ambiny folo (16) mianaka kosa no nanao sy nanome ny biriky tany : Rainialison, Rainimavolahy, Rainivoalavo, Rasoamaharo Rakotomanga, Rainizanadranosy, Rainibekotomavo, Ranaivofanahy, Ramonjy, Rainimavo, Rainibezozoro, Rafaralahilesa, Rainijaona, Ramboa, Rainikotodaoro, Rainibotondriamialy, Raberiaka. Nanamarika ny faha 40 taona (1869-1909) niorenan’ny Fiangonana ity trano tamin’ny taona 1909 ityTao amin’ny tranon-tsoavalin’Ingahy Rainiketamavo no niangonan’ny kristiana mandra-pahitavan’ny trano. Teo atsinanan’n aviavy ny nisy izany tranon-tsoavaly izany.Ny rindrin-trano avaratra sy atsimo, amin’ny vatan-trano amin’ny ilany avaratry ny trano fiangonana ankehitriny, ilay maneho ny tanan’ny hajofijaliana, ahitana ireo varavarankely tranainy efatra, no mbola notazonina, ho vavolombelon’ny Tantara, rehefa natao ny fanavaozan-trano taty aoriana.

5° Ny trano fiangonana fahadimy

Fanavaozana lehibe no natao. Nitarina mianatsimo ny trano fiangonana, natao hanana endrika hazofijaliana, araka ny maritrano nataon’Ingahy Rakotomanana, mpiasa tao amin’ny asa vaventy. Ny fivorian’ny Mpandray Fanasan’ny Tompo tamin’ny alahady 30 janoary 1955 no nanapaka izany hevitra izany. Ny fitaran’ny tanàna sy ny fahateren’ny trano fiangonana, tsy antonona ny olona tonga mivavaka intsony rehefa fotoan-dehibe, no antony nahatonga ny Ankatoky ny Fandraisana hanao io fanapahan-kevitra io. Lehibe tokoa ny fanitarana noheverina. Roa amby efapolo (42) metatra amin’ny lavany sy roa ambiny folo (12) metatra amin’ny sakany mantsy izany fanitarana izany, trano hahatonga ny taranaka ho « afa-po sy fahasahiranana » ka « tsy halaky hanova izany » no hatao, araka ny voalazan’Ingahy Ramanamizao Michel, Mpitantsoratry ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany.

Ny taona 1998 no nanokanana ity trano fiangonana araka ny sary fototra

nanapahan-kevitra tamin’ny 30 janoary 1955 ity

Naharitra ela tokoa ny fananganana ny trano. Telo amby efapolo taona taty aoriana mantsy vao vita, araka ny endrika niheverana azy ity fanitarana ity.

Tamin’ny Krismasy 1968 no nisantarana ny fampiasana ny trano lehibe atsimo. Mbola najanona tamin’ny endriny tamin’ny 1909 kosa ny tapany avaratra. Nitsaha-ketriketrika nandritra ny roapolo taona latsaka teo ny asa fanavaozana. Ny taona 1986 hatramin’ny 1993 no nihetsiketsehana indray nananganana ny elatra andrefana sy atsinanana. Ny taona 1991 no nanovana ho fanitso ny tafo tanimanga tamin’ny vatan-trano avaratra. Ny taona 1998 no nahavitan’ny tilikambo, taona nitokanana ny Fiangonana, teo ankatoky ny faha 130 taona niorenany.

Perikopa 2021

Jona: ANORENANA NY MAHA-KRISTIANA NY FINOANA

| | 20. Ala.III . man Trinite-Sampana Vokovoko Manga
Oha 23.26-35/ Mat 23.1-12/ 1 Pet 4.1-6

| | 27. Ala.IV man.Trinite
2 Mpanj 22.11-20/ Mat 16.13-19 / 1Kor1.4-9

Jolay: MIORENA AMIN'NY ANTSON'NY TOMPO

| | 04. Ala.V man Trinite
Gen 12.1-9/ Lio 5.27-32/ 2Tes 2.13-17

| | 11. Ala.VI man .Trinite-Sampana Tanora Kristiana
Eks 3.7-14/ Jao 10.1-10/ Asa 7.30-38

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADIKELY ILAFY