Alarobia 15 Mey 2024

Galatiana 6. 1-10

Izay tokony hataon’ny Kristiana.

Manana andraikitra sy adidy ny Kristiana, amin’ny maha mpanara-dia an’i Kristy azy, araka izay hita eto:

1- Amin’ny mpino namany (and.1,2):

Mampalahelo ny mahita olona milaza ho kristiana, kanefa faly amin’ny fahavoazan’ny sasany. Tsy tokony hotononina sy asiana teny betsaka eto izany, fa sady mahamenatra no manala baraka ny anaran’i Kristy. Raha misy nanota dia tsy anjarantsika ny manameloka azy; fa ny « manangana » azy, izany hoe: ny mitarika azy am-pitiavana mba hahatonga azy hahatsiaro ny fahotany ka hibebaka sy hanolo-tena ho an’i Jesoa Kristy no atao (and.1). Toy izany koa, adidin’ny Kristiana ny manampy ny sahirana, ny marary, na azom-pahoriana, na manana olana (and.2). Asa soa izany ka tsy mandreraka rehefa atao am-pitiavana. Mamaly soa izay nanao sy mbola manao toy izany ny Tompo (and.9).

2- Amin’ireo mampianatra ny Tenin’Andriamanitra (and.6-8)

Manana adidy hanampy sy hanohana ny mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra ny mpino. Tsy tokony hijaly na hiferin’aina noho ny fotoana sy ny herim-po nolaniany amin’ny fampianarana izy ireny. Andraikitr’ireo izay ampianarina ny manohana azy mba hahafahany manao izany amin’ny fifaliana, fa tsy amin’ny fisentoana. Izay milaza ho mpivavaka manana ny Fanahy kanefa manda tsy hanao izany, raha misy ihany azo atao, dia mamafy fitiavan-tena, ary hijinja fahasimbana (and.8). Raha ny Fanahin’Andriamanitra tokoa no mitoetra ao amin’ny olona, dia ho hita taratra eo amin’ny fiainany ny vokatr’izany, ka hahatsiarovany ny adidiny ho fitahiana ho an’ny mpiara-belona, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.

Fanontaniana:

Inona avy ny olana atrehin ‘ny mpitondra fivavahana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM