Asa Vaovao farany

ARORIAKA FJKM

Nitokana ny trano fiantohana eny Amparibe
Niampy iray indray ny trano fiantohana eo anivon’ny Foibe FJKM, amin’ny alalan’ny ARORIAKA, notokanana ny Alarobia 27 Martsa teo ny trano fiantohana ARORIAKA FJKM eny Amparibe. Fanompoam-pivavahana no nentina nanombohana ny fotoana tamin’izany, izay notarihan’ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana, Atoa ROBSON RADO Lalaina Johary, Mpitandrina. Avy eo niroso tamin’ny alalan’ny fandraisana fitenenana samihafa. Tonga nifanotrona tamin’ny fotoana ireo Tomponandraikitra eo anivon’ny Foibe FJKM, notarihin’ny Birao Mpiandraikitra Foibe, ny Tonian’ny Departemanta Mpiasa sy Vola ary Fananana sy Fampamokarana (TDMVFF), ny avy eo anivon’ny fananana ary ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny ARORIAKA, ny avy ao amin’ny Trano fiantohana ARO sy ireo solotenan’ny Mpanjifa.

Nambaran’ny avy eo anivon’ny trano Fiantohana ARO fa vonona hatrany amin’ny fifampitantanana eo amin’ny ARORIAKA FJKM ny trano Fiantohana ARO, ka nisy ny fitaovana natolotr’izy ireo ny ARORIAKA. Nanome toky kosa ny Talen’ny ARORIAKA FOIBE, Atoa SOLOFONIANA Fidèle, fa goavana ny fanamby apetraky ny ARORIAKA amin’ny fampiakarana ho 25 % eo amin’ny vola kirakira.
Nambaran’ny Filohan’ny komitim-pitantanana eo anivon’ny ARORIAKA FJKM, Atoa RANDRIAMAMONJISOA Georges Henri kosa fa zava-dehibe ny fandoavana ny « assurance » indrindra
ho antsika FJKM, noho izy fandraisana anjara mivantana amin’ny alalan’ny fitoriana Filazantsara.

Efa eo am-pamolavolana kosa ny hanitarana ny Trano fiantohana ARORIAKA eny anivon’ny faritra sy Synodamparitany amin’izao fotoana ireo tomponandraikitra.
Sarah Raholiniaina / extrait gazety Martura VAVOLOMBELONA – Parution N° 992

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV