Alakamisy 09 Mey 2024

Marka 16. 19-20

Andro niakarana.

Amin’izao fahatsiarovana ny andro niakaran’ny Tompo tany an- danitra izao dia tsara ny ahalalantsika ireto zava-dehibe ireto:

1- Fanantenana lehibe ho antsika.

Tsy mahay manandratra ny tenany sy miakatra ho any an-danitra ny olombelona. Izao fiakaran’i Jesoa ho any an-danitra izao dia fanantenana lehibe ho antsika, satria santatry ny fahatanterahan’ny fampanantenana nomeny izany. Kristy dia mahazo fitsaharana sy fahasambarana feno noho izy miray tanteraka amin’ny Rainy. Mpialoha lalana hanamboatra fitoerana ho antsika Izy, ary tsy izany ihany fa Izy mihitsy no làlana. Izay rehetra miray Aminy dia manantena fa hiditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra, hiara- tsambatra Aminy ao amin’ny fiainana mandrakizay.

2- Andraisana ny fahefana rehetra.

Ny fipetrahany eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra (and.196) dia manambara fa nandray ny fanjakana sy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany Izy, ary izany fahefana izany dia fahefana hitondra izao rehetra izao ankehitriny sy hitsara amin’ny ho avy. Izay mino Azy koa dia handray io fahefana io ka hanana anjara amin’ny voninahiny sy hiara-manjaka Aminy.

3- Iandrandrana ny Fanahy Masina.

Amin’izao andro ankehitriny izao dia tsy hita maso ny fanjakan’i Kristy, fa miasa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Tanteraka ny asam-pamonjena; maniraka ny Fanahy Masina i Kristy mba hiara- miasa amin’ireo mpianany (and.20). Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no itondrany sy iarahany miasa amin’ny Fiangonana sy anjakany amin’izao tontolo izao, ho fanambarana ny vaovao mahafaly momba ny asam-pamonjena izay efa vitany, mandra-pihaviny am-boninahitra indray.

Fanontaniana:

Inona no antenainao amin’ny flavian’ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM