Alahady 05 Mey 2024

Joba 33.1-7

Mijoroa amin’ny fahatokiana an’ Andriamanitra

1- Aza manaiky hozongozonin’ny hafa.

Teo anatrehan’ny fahavoazana izay nihatra tamin’i Joba dia nananatra azy ireo sakaizany. Araka ny fihevitr’izy ireo dia nanota tamin’Andriamanitra i Joba, ka nofaiziny, ary tokony hibebaka. Raha namaly azy ireo i Joba dia noheveriny ho nanamarin-tena. Ninoana tokoa mantsy tamin’izany fotoana izany fa vokatry ny fahotan’ny olona no anton’ny loza samihafa izay mihatra aminy. Tsy mba toy izany anefa ny zava-misy eto. Andriamanitra irery no mahafantatra ny anton’izao fahorian’i Joba izao. Mety hihatra amin’ny olona rehetra izay nahazo an’i Joba, ary tsy voatery hoe vokatry ny fahotana. Ninoan’i Joba fa Andriamanitra dia afaka manao izay tiany hatao amin’ny olona. Nolaviny ny fiampangana nataon’ireo sakaizany azy. « Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? (Job 2.10).

2- Aza mihevi-tena ho marina noho ny hafa.

Mampiasa teolojia i Eliho mba handresen-dahatra an’i Joba, ka hoy izy: « Ny Fanahin’Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain’ny Tsitoha no mamelona ahy » (and.4). Tsy izay rehetra mihambo ho manana ny Fanahin’Andriamanitra akory dia eken-teny avokoa. Raha tena manaiky ny fitarihan’ny Fanahin’ Andriamanitra tokoa i Eliho, nahoana no tsy nahatakatra izay nolazain’i Joba sy ny fahatokiany an’Andriamanitra? Ny olona tahaka an’i Eliho dia ireo olona izay matoky tena ho manana ny marina, saingy tsy mba afaka hihaino izay tsy mitovy hevitra sy fomba fijery aminy. Tsy voatery ho takatry ny sain’ny olona izay rehetra tian’Andriamanitra hatao. Ny hany takiana amintsika dia ny hanao tahaka an’i Joba, hatoky Azy sy hifikitra Aminy na inona na inona miseho.

Fanontaniana:

Hatraiza ny fahatokiantsika an’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

Jona: MIARO NY OLONY NY TOMPO

| | 02. Ala. I man. Trinite
Salamo 44. 1–8 | Matio 12. 1–8 | 2Timoty 4. 16–18

| | 09. Ala. Il man. Trinite – SEKOLY FJKM
Ohabolana 22. 17–23 | Jaona 6. 34–40 | Efesiana 4. 11–16

FJKM Fahazavana

ANDRO NIAKARANA – 09 May 2024

SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA (38)

Production FTV