Alakamisy 02 Mey 2024

Mpitsara 6.33-40

Mampandresy ny mpanompony Andriamanitra.

Nanao izay ratsy teo imason’Andriamanitra ny Israelita. Vokatr’izany dia navelan’Andriamaitra hampahory azy nandritra ny fito taona ny Midiana. Rehefa nitalaho tamin’Andriamanitra izy ireo dia novonjeny indray. Izany no ilazana fa:

1- Manafy hery Izy (and.34)

Ny teny hoe « notsindrian’ny Fanahin’i Jehovah » dia midika hoe « notafiana ny Fanahin’i Jehovah » na « norakofana ny Fanahin’i Jehovah ». Fomban’Andriamanitra ny mifidy sy manendry olona hanatanterahany ny famonjeny. Eto dia i Gideona no nantsoiny sy nofidiany hanehoany ny fitiavany hamonjy ny Israelita eo an- tanan’ny Midiana. Ny Fanahin’Andriamanitra izay nandrakotra azy no « hery » nanetsika azy ka nananany fahasahiana hanohitra ny Midiana. Narahiny asa avy hatrany izany ka nitsoka anjomara izy, hamoriana ny vatan-dehilahy rehetra avy amin’ny fokon’i Manase sy Asera sy Zebolona ary Naftaly mba hifanandrina sy handresy ny Midiana (and.35)

2- Manome toky Izy (and.36-40)

Amin’ny maha olombelona an’i Gideona dia mbola nitoetra teo aminy ny tahotra sy ny ahiahy manoloana izao andraikitra lehibe anendren’ny Tompo azy izao. Nangataka famantarana izy, mba hahalalany sy ananany toky fa momba azy tokoa Andriamanitra ka hampandresy azy amin’ny ady izay hatrehiny. In-droa izy no nanao izany. (and.36-39). Amin’izao androntsika izao dia ataovy ampy ho antsika ny Tenin’i Jesoa hoe: « …Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. » (Mat 28.20). Ny Fanahy Masina izay miasa no hanome famantarana sy toky fa mampahery sy mampandresy antsika ny Tompo manoloana ny ady amin’ilay ratsy.

Fanontaniana:

Azonao antoka ve fa mampandresy anao ny Tompo? Hazavao.

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

Jona: MIARO NY OLONY NY TOMPO

| | 02. Ala. I man. Trinite
Salamo 44. 1–8 | Matio 12. 1–8 | 2Timoty 4. 16–18

| | 09. Ala. Il man. Trinite – SEKOLY FJKM
Ohabolana 22. 17–23 | Jaona 6. 34–40 | Efesiana 4. 11–16

FJKM Fahazavana

ANDRO NIAKARANA – 09 May 2024

SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA (38)

Production FTV