07. Alah.IIIman. Trinite
Eks 33.7-11/Jao14.15-21/Apo.22.1-5
Eks 33.7-11/Jao14.15-21/Apo.22.1-5
Manatrika ny mino ny Tompo
FILAZANA
Ny Trano fiantohana ARORIAKA dia mampatsiahy ny Sampana, Sampan’Asa , Asa rehetra ato anatin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) fa efa akaiky ny fihaonambe izay sahanin’ny Sampana tsirairay, fa tokony hanao Fiantohana fiarovana amin’ny loza (Assurance Personnelle contre les Accidents : APA) ireo rehetra izay mamonjy fivoriana na fanaovana Tafika Masina izay sahanin’ny Fiangonana ka handeha any amin’ny faritra ivelan’ny Fitandremana misy ny tsirairay.
Marihina fa azo atao tsara amin’izao fotoana izao ny manatontosa ny fiantohana na aiza na aiza misy ny Sampana sy Fitandremana tsirairay noho ny fivoaran’ny fitaovam-pifandraisana.
Raha mila fanazavana na ny antsipiriany momba izany dia afaka manatona ny varavarana 215 ato amin’ny Foibe FJKM Analakely na miantso ny laharana 034 07 206 84,na 033 21 165 98. Eo ihany koa ny adiresy mail : harismamy@yahoo.fr »
Afaka manatona ny varavarana 215 ao amin’ny Foibe FJKM Analakely na miantso ny laharana 034 07 206 84,na 033 21 165 98. Eo ihany koa ny adiresy mail : harismamy@yahoo.fr »
Mamy RANDRIAMAMPIANINA
ARORIAKA
Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 21.27-40
Mahagaga antsika hatrany ny fitondran’ny Tompo an’ i Paoly
1-I Paoly nenjehina fa Apostolin’ny Jentilisa (and 27-30)
Efa tsy vaovao amin’izany intsony izy fa efa azo lazaina ho vita vaksiny amin’ izany mihitsy . Teto ny antony nanenjehana azy dia ny fiarahany tamin’ ireo Jentilisa (tsy Jiosy) nambara fa nandoto ny fitoerana masina , na dia tsy marina aza izany . Mety ho tratran’ny fanendrikendrehana toy izany koa ianao , fa mahereza.
2-I Paoly novonjen’ny miaramila (and31-36)
Ny fahatongavan’ny miaramila Romana no tsy nahafaty azy , na dia romotra te-hanompo azy aza ny Jiosy. Mahazo matoky koa isika fa hain’ Andriamanitra ampiasaina ny mpitandro ny filaminana hanampy antsika mpitory ny Filazantsara .
3-I Paoly sahy miteny fa tsy mangina (and37-40)
Raha heverina ny hoe : zara aza tsy matin’ny olona teo ,dia hoe ny mangina no mety . Tsy izany anefa no nataon’i Paoly , fa mbola nangataka hiteny amin’ny vahoaka ihany izy. Tena hita ara-bakiteny mihitsy izay voalazany tao amin’ny Asa 20.24 hoe : « Tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko …hanambara ny Filazantsaran’ny fahasoavan’ Andriamanitra »
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8
Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 21.15-26
Noho ny herin’Andriamanitra sy ny asany dia :
1-Mitombo fatratra ny isan’ny mino an’i Jesoa na Jiosy na Jentilisa
Nifanao tatitra i Paoly sy ireo loholona tany Jerosalema . Izany tatitra izany no ahatsapana ny asan’ Andriamanitra . Ny nampanaovina an’i Paoly dia ny hitory amin’ny Jentilisa . Vokany : maro ny Jentilisa no resy lahatra hino sy hanaiky an’i Jesoa Kristy (and19). Tsy latsaka amin’izany koa anefa ny nataony tamin’ireo Jiosy araka ny tatitra nataon’ny loholona (and20). Tsy omby alonalina ny Jiosy tonga mpino kristiana .
2-Mahay mifankatia ny samy mpino an’i Kristy
Foko samihafa avy amin’ny firenena samihafa no lasa mahay mifankatia , noho ny asan’ Andriamanitra izay mampiombona azy . Nisy mpianatra avy any Kaisaria (and16) nanaraka an-dry i Paoly no ho ny fifankatiavana . Tonga tany Jerosalema dia tamin’ny fifaliana no nandraisan’ireo mpino an’ireto mpino avy lavitra ireto (and17) . Nanoro hevitra an’i Paoly ireo loholona mba ho fiarovana azy amin’ny fiampangan’ny olona sasany azy (and 22). Noho ny fitiavana avy amin’ Andriamanitra no mahatonga izany rehetra izany . Izay ilay didy vaovao napetraky ny Tompo Jesoa , sady famantarana ny maha- mpianany antsika . mandini-tena isika mpino ankehitriny , raha mandinika izany fifankatiavan’ny mpino teo aloha izany .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8
Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 21.1-14
Tsy misaraka amin’ny mpianatry ny Tompo ny Fanahy Masina : mitarika , miteny aminy , mitaiza, manefy azy ireo Izy mba tsy hikatsaka afa-tsy ireto :
1-Ny hisehoan’ny Voninahitr’ Andriamanitra (and13)
Ny Fanahy Masina mihitsy no niteny tamin’i Paoly, tamin’ny alalan’i Agabo mpaminany, fa hifatorana ary hatolotra ny Jentilisa izy rehefa tonga any Jerosalema (and10-11). Tsy nampihemotra an’i Paoly izany , hoy izy : « Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko ? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho Voninahitry ny Anaran’ny Tompo » (and13).
2-Ny hahatanterahan’ny sitrapon’ Andriamanitra
Endrey ny asan’ny Fanahy Masina . I Paoly aloha no resy lahatra haneho ny voninahitr’i Jesoa . Fa rehefa kelikely teo , dia nanaraka ihany ny mpianatra ka namela ny hahatanterahan’ny sitrapon’ Andriamanitra . Mifarana ny adihevitra sy ny fandresen-dahatra , rehefa ny sitrapon’ Andriamanitra no resahina . Koa ambarao sy ampianaro any amin’ny toerana rehetra be adihevitra ny sitrapon’ Andriamanitra mba hifaranan’ny ady . Ny asan’ny Fanahy Masina anefa no mahatanteraka izany , fa tsy ny olona rehetra mahalala ny sitrapon’ny Tompo no manaraka izany . Mampianatra antsika hiankina amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina izany .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
Fa ‘ty Nosintsika ity,
Nosy tena mahagaga,
itobahan’ny harena,
ambonin’ny tany,
an-kibon-tany,
ary koa an-dranomasina;
nefa, he, fa mahonena
ny fahantran’ny mponina eto,
Fa nahoana ?
Fa nahoana ?
Satria izaho sy ianao mihitsy,
Ry Vahoaka Malagasy,
No andrasan’ny Mpahary
Hitodika Aminy,
Hivavaka,
Mba tsy ho teny foana intsony
Itony hiram-pirenena
Hoe Izy Ilay Nahary
Izao tontolo izao ange
No tena fototra ijoroan’
Ny satantsika Malagasy!
Hira izany, nohiraina,
Nefa hatraiza no anekena
Tena hivelona an’izany ?
Koa ianao izay mahalala
No irahina eto anio :
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
IRAKO AMMI
ANDROM-BAVAKA MANERAN-TANY 2019
IRAY AO AMIN’I KRISTY ISIKA KRISTIANA
Tanteraka ny sabotsy 8 jona 2019 ny Androm-bavaka maneran-tany sy ny Diabe ho an’i Kristy izay nokarakarain’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (FMBM) sy ny Fikambanan’ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly (FMMB) teny amin’ny Kianjabe ny Mahamasina. Kristianina teo amin’ny 15.000 isa teo no niombona tamin’izany ary nitombo avo efatra heny izany isa izany raha ampitahaina tamin’ny taon-dasa. Hita taratra tao anatin’ireo mpandray anjara tamin’ny litorjia, ny endriky ny fiombonana izay voizin’ny hetsika satria dia anaram-piangonana 25 isa no nandray anjara tamin’izany.
Nitondra ny hafatr’Andriamanitra ny Mpitandrina, Irako Ammi ANDRIAMAHAZOSOA, Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ary ny (2 Tantara 7.14) no nandraisana izany. Nohazavainy tamin’izany ny hoe :
1-Mihaino antsika Andriamanitra,
2-Mihaino an’Andriamanitra isika,
3-Mihaino an’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy isika.
Vavaka nataon’i Jesoa Kristy mialoha ny nahafatesany ny firaisantsika kristiana (Jaona 17). Fanamby lehibe ny fanatanterahana izany. Ny hetsika androm-bavaka maneran-tany dia anisany maneho fa azo atao tokoa izany fiombonana ao anatin’ny fahasamihafana izany. Mitohy ao anatin’ny atao hoe “90 androm-pitahiana” indray ny hetsika taorian’ny 8 jona 2019. Mandritra ny 90 andro no isafidianantsika kristiana rehetra asa fanasoavana hita maso ho an’ny manodidina antsika, toy ny fanomezana sakafo ireo tsy manana, fanampiana ireo tsy salama, fanadiovana, ady amin’ny kolikoly, fanohanana mpanompon’Andriamanitra, sns … Azontsika atao tsirairay io, na isam-piangonana, na isaky ny fikambanana. Ny tanjona dia ny hanekentsika ho fitaovana eo am-pelatanan’Andriamanitra mba hitondra fitahiana ho an’ny firenentsika.
Evariste RASOLOHERY, Elsa RASON FMBM
“ Mahareta tsara…mandra-pihavin’ny Tompo. ” (Jakoba 5, 7a)
ANTSAM-PANAHY LEHIBE
IARAHANA AMIN’IRETO ANTOKO MPIHIRA IRETO :
Ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely,
Amin’ny Alahady 30 jona 2019, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro
“ Hihira ho an’i Jehovah aho, raha mbola velona koa. Hankalaza an’Andriamanitra aho, raha mbola miaina”. (Salamo 104, 33)
Ny Komity K 200 S
Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 20.17-38
Famindran-draharaha no nataon’i Paoly eto .
1-Ireo zavatra nafindrany amin’ny olona rehetra hatramin’ny fahatongavany mandra-pialany
Hafakely ity famindran-draharaha ity , satria ny mahazatra rehefa handeha vao manao izany . Eto kosa vantany vao tonga dia manao izany (and 18). Ny Filazantsaran’ny fahasoavan’ Andriamanitra (and 24), ny saina avy amin’ Andriamanitra (and 27) izay nitaomany ny olona hibebaka sy hino an’i Jesoa Kristy (and 21) no zavatra nafindra tamin’izany . Ny olona rehetra tsy ankanavaka no namindrana azy.
2-Ireo zavatra nafindrany amin’ny olona voatokana rehefa hiala izy.
Fahasoavana ( and20-24 ) no nafindra tao amin’ny fizarana voalohany . Eto kosa , dia andraikitra no afindra. Tsy ny olona rehetra no namindrana an’izao raharaha izao , fa ny loholona avy tao Efesosy ihany (and17). Mitandrema (and28) , miambena (and31) ary miasà (and33-35). Izany no baiko napetrak’i Paoly tamin’ny loholona , dia ny hampiasa ny tànany mba hisy hampiasainy (and 34) ka tsy hahavaky tratra ny Fiangonana izy.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8
| |
20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17
| |
27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7
| |
03. Ala. VII man. Trinite
2 Sam. 10. 9-14 | Jao. 14. 1-7 | Efe. 6. 10-13
| |
10. Ala. VIII man. Trinite - KFTM
Dan. 10. 18-11.1 | Lio. 22. 24-34 | Jak. 5. 7-11