Sabotsy 22 Jiona 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 21.1-14

Tsy misaraka  amin’ny mpianatry  ny  Tompo  ny Fanahy  Masina : mitarika , miteny  aminy , mitaiza, manefy  azy  ireo  Izy  mba tsy  hikatsaka afa-tsy  ireto :

1-Ny hisehoan’ny  Voninahitr’ Andriamanitra (and13)

Ny Fanahy Masina mihitsy  no niteny  tamin’i Paoly, tamin’ny alalan’i Agabo mpaminany, fa hifatorana ary hatolotra ny Jentilisa izy  rehefa tonga any Jerosalema (and10-11). Tsy  nampihemotra  an’i Paoly  izany , hoy  izy : « Nahoana ianareo  no mitomany  ka mampangorakoraka ny  foko ? Fa vonona aho  tsy ny hafatotra ihany  fa ny  ho faty  any Jerosalema koa aza mba ho Voninahitry ny  Anaran’ny Tompo » (and13).

2-Ny hahatanterahan’ny sitrapon’ Andriamanitra

Endrey ny asan’ny Fanahy Masina . I Paoly  aloha no resy lahatra haneho  ny voninahitr’i Jesoa . Fa rehefa kelikely teo , dia nanaraka ihany  ny  mpianatra ka namela ny hahatanterahan’ny sitrapon’ Andriamanitra . Mifarana ny adihevitra sy ny fandresen-dahatra , rehefa  ny sitrapon’ Andriamanitra  no resahina . Koa ambarao sy ampianaro  any amin’ny toerana rehetra  be adihevitra  ny sitrapon’ Andriamanitra  mba hifaranan’ny ady . Ny  asan’ny Fanahy Masina anefa no  mahatanteraka izany  , fa  tsy  ny olona rehetra  mahalala ny  sitrapon’ny Tompo no manaraka izany . Mampianatra  antsika hiankina amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina izany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV