Alahady 23 Jiona 2019
Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 21.15-26
Noho ny herin’Andriamanitra sy ny asany dia :
1-Mitombo fatratra ny isan’ny mino an’i Jesoa na Jiosy na Jentilisa
Nifanao tatitra i Paoly sy ireo loholona tany Jerosalema . Izany tatitra izany no ahatsapana ny asan’ Andriamanitra . Ny nampanaovina an’i Paoly dia ny hitory amin’ny Jentilisa . Vokany : maro ny Jentilisa no resy lahatra hino sy hanaiky an’i Jesoa Kristy (and19). Tsy latsaka amin’izany koa anefa ny nataony tamin’ireo Jiosy araka ny tatitra nataon’ny loholona (and20). Tsy omby alonalina ny Jiosy tonga mpino kristiana .
2-Mahay mifankatia ny samy mpino an’i Kristy
Foko samihafa avy amin’ny firenena samihafa no lasa mahay mifankatia , noho ny asan’ Andriamanitra izay mampiombona azy . Nisy mpianatra avy any Kaisaria (and16) nanaraka an-dry i Paoly no ho ny fifankatiavana . Tonga tany Jerosalema dia tamin’ny fifaliana no nandraisan’ireo mpino an’ireto mpino avy lavitra ireto (and17) . Nanoro hevitra an’i Paoly ireo loholona mba ho fiarovana azy amin’ny fiampangan’ny olona sasany azy (and 22). Noho ny fitiavana avy amin’ Andriamanitra no mahatonga izany rehetra izany . Izay ilay didy vaovao napetraky ny Tompo Jesoa , sady famantarana ny maha- mpianany antsika . mandini-tena isika mpino ankehitriny , raha mandinika izany fifankatiavan’ny mpino teo aloha izany .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8