Alahady 30 Jiona 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 25/13-27

Hitantsika fa mila fanampiana amin’i Agripa mpanaka i Festosy amin’ny fitsarana an’i Paoly eto satria:

1-Diso fanantenana ny amin’ny antony iampangana an’i Paoly izy(and13-22)

Hay adihevitra momba ny fivavahana sy ny finoana no niampangana an’i Paoly (and19) fa tsy fahadisoana nataony teny anivon’ny fiaraha-monina sy ny mpiara-belona akory, nefa dia ny hanolorana azy ho faty no nangatahan’ ny Jiosy. Rehefa tiana hovonoina tokoa moa ny olona dia torina amin’izao antony tsy ara-dalàna rehetra izao . Moa tsy izany koa no efa nanjo an’i Jesoa.

2-Tsy mahita hosoratana amin’ny antony hanolorana an’i Paoly amin’i Kaisara (and 23-27)

Efa tokony hahazo fahafahana tanteraka i Paoly fa tsy misy antony hahafaty azy ny zavatra iampangana azy fa noho ny fangatahany handahatra amin’i Kaisara (Asa 25.10,12) dia hampiakarina amin’ny Amperora ny raharaha (and 25). Sahirana anefa i Festosy. Tsy hita ao amin’ny lalàna Romana ny zavatra iampangana azy . Tsy azo alefa any amin’ny Amperora anefa izy raha tsy misy antony iampangana azy (and 27) . Mila fanampiana mafy amin’i Agripa i Festosy vokatr’izany (and 26). Mahagaga! olona efa tokony ho afaka i Paoly , saingy izy indray no mangataka hotsarain’ny Amperora . Ny antony : te-hitory an’i Kristy amin’ny Amperora izy .Taminy, dia tranga fanararaotra izao ka tsy avelany handalo foana na dia mafy tokoa aza.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-8

Sabotsy 29 Jiona 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 24.22-27 /25.1-12

Nahemotra intelo ny fitsarana an’i Paoly (Asa 24.22; 24-25;25.9) ny fitsarana an’i Paoly , ary tsy mety voatsara nandritra ny roa taona izy noho ireto antony ireto:

1-Ny fahalemen’ny mpitsara

Fahalemena telo no hita teo amin’ny mpitsara .

-Fatahorana ny fitsarana ho avy (Asa 24.24-25) . Mpitsara mbola hotsaraina tokoa manko ny governora eto.

Fitiavana kolikoly (Asa 24.26) . Tia vola koa ny mpitsara eto , ka nanantena izy fa hanome vola azy iPaoly .

-Fitia te-hahazo sitraka amin’ny Jiosy (Asa 24.27;25.9) samy nila sitraka tamin’ny Jiosy na i Feliksa (Asa 24.27) na i Festosy (Asa 25.9).

2-Ny fijoroan’i Paoly ho vavolombelona marina

Nahemotry ny mpitsara ny fitsarana (Asa 24.22) noho ny nilazan’i Paoly ny finoany , ny fitsanganana amin’ny maty , izay antony iampangana azy (Asa 24.21) . Sahy nijoro amin’ ny fnoany i Paoly . Nahemotra fanindroany ny fitsarana satria sahy nitory an’i Jesoa Kristy sy ny fitsarana ho avy teo anatrehan’ny mpitsara i Paoly (Asa 24.24-25). Ny fijoroana nataon’i Paoly eto dia hy fahasahiana miteny sy ny fijoroany tamin’ny fiainany andavanandro mihitsy , nanao ny marina teo anatrehan’ny fiaraha-monim-pivavahana sy fiaraha-monim-panjakana.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Zoma 28 Jiona 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 24.1-21

Fitsarana hafakely ny nitsarana an’i Paoly teo anatrehan’i Feliksa governora satria :

1-Fitsarana miantehitra amin’ny fahaizana sy fahamarinan’ny mpitsara

Samy nanindrahindra ny maha-izy azy sy ny fahaizan’i Feliksa mpitsara avokoa , na ny mpiampanga izay soloan’i Tertylo vava (and 1-4) na ny ampangaina , dia i Paoly (and10). Fitsarana sy mpitsaran’ny tany no resahina eto , mbola ho avy ny fitsaran’ny lanitra amin’ny fiafaran’izao tontolo izao . Ka moa ve mba isan’izay ho faly ianao hatrika izany , satria matoky ny fahamarinana sy ny fahaizan’Andriamanitra mpitsara ny olona rehetra.

2-Fitsarana tsy misy vavolombelona

Samy tsy tonga nanatrika ity fitsarana ity avokoa ny olona voatonon’ny mpiampanga ( Lysia mpifehy arivo) ( and7 ) sy ny voatonon’ny ampangaina (Jiosy avy any Azia) (and19). Tsy mba toy izany ny fitsarana miandry antsika amin’ny fitsarana farany . Manatrika sy mahita izay ataontsika ety an-tany i Jesoa izao (Lio 12.2) ary hanatrika ny fitsarana antsika eo anatrehan’ Andriamanitra . Vonona ve ianao ?

3-Fitsarana tonga toerana nitoriana an’i Kristy

Ny hafetsen’i Paoly dia ny fahaizany manararaotra ny toerana rehetra, hatramin’ny tribonaly aza hitoriana ny Filazantsara . « ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio  » , hoy izy raha nitory an’i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty Izy.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Alakamisy 27 Jiona 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 23.16-35

Ny zavatra rehetra dia hain’ Andriamanitra ampiasaina hahasoa izay tia azy . Jereo ange e!

1-Ampiasain’ Andriamanitra ny fianakavianao (and16-22)

Ny zanak’anabavin’i Paoly no fitaovana nampiasain’ny Tompo hanavotana azy mba tsy ho fatin’ny Jiosy. Samy te-hampiasa ny fianakaviantsika avokoa na Andriamanitra , na ny devoly . Koa ento am-bavaka ary atolory hampiasain’ny Tompo irery ny fianakaviantsika , fa aza avela ampiasain’ny devoly .

2-Ampiasain’ Andriamanitra ny manampahefana na dia ny Jentilisa aza (and 23-24,31-35).

Ny kapiteny , ny mpifehy arivo : ireo no nanao ny fomba rehetra hanavotana an’i Paoly tsy ho fatin’ny Jiosy .Tsy vao izao akory Andriamanitra no mampiasa manam-pahefana sy Jentilisa toy izao , fa efa hatramin’ny ela . Ohatra , i Kyrosy mpanjaka nanafaka ny Jiosy tamin’ny fahababoana tany Babylona (Isa 45) .

3-Ampiasain’ Andriamanitra ny maha-ianao anao ara-nofo (and25-30..34)

Araka ny and 27 sy 34 raha tsy Romana izy , mety tsy ho namonjy azy ny miaramila . Toy izany koa ny fahafantaran’ny manampahefana fa avy any Kilikia izy no mahatonga azy vonona ny hihaino azy (and34) . Hitantsika amin’izany fa ampiasain’ny Tompo avokoa ny zava-drehetra hamonjeny ny olony .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky hafa-8

Alarobia 26 Jiona 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 22. 30-23.1-15

Andeha horaisintsika eto ireto hafatra ireto:

1-Fantaro ny olona miresaka aminao sy ny làlana (and1-9)

SYNEDRIONA

Olona nahafantatra lalànam-panjakana i Paoly (and3). Fantany koa ny lalàna ao amin’ny Soratra Masina (and5). Araka ny and 6 dia fantany koa fa ireto Synedriona mitsara azy ireto dia Sadoseo ny sasany , Fariseo ny sasany . Arakaraka izay ny zavatra navaliny . Vokany : nisara-saina ny Synedriona ka tsy nahatazona an’i Paoly . Zava-dehibe , araka izany ny hahaizantsika ny lalàna samihafa sy ny olona miresaka amintsika.

2-Fantaro ny tena antony mbola tsy mahafaty anao (and10-11)

Ny tena antony tsy mbola mahafaty an’i Paoly dia ambara eo amin’ny and 11, mbola hitory an’i Jesoa Kristy Tompo . Toy izany koa isika , ho amin’izany no nampahomby izay rehetra nataontsika hiarovana antsika tamin’ny fahafatesana . Koa torio i Kristy!

3-Aoka ho fantatrao fa manana tetika ny fahavalonao (and12-15)

PAOLY

Na dia tsy nahafaty an’i Paoly aza ny fahavalony tamin’izay làlana lavalava izay , dia tsy mijanona akory izy , fa mitady tetika hatrany . Miray hina izy amin’izany ary efa mipetrapetraka avokoa ny tetika rehetra ny amin’ny hamonoana an’i Paoly . Aoka ho fantatrao koa fa tsy kivy ny devoly fahavalontsika ,mitady lalàna mandrakariva hamelezana anao : miambena!

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8

Talata 25 Jiona 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 22.1-29

Misy lesona sarobidy ho antsika eto: 1-Mianara mampiasa ny teny azon’ny olona itenenana Raha ny fahatezeran’ny olona dia tsy tokony ho nihaino an’i Paoly izy ireo, na kely aza . Fa nony ren’ny olona fa teny Hebreo no nitenenany taminy , dia mainka nangina izy » (and2). Fieritreritra izany ho antsika manao tafika masina any amin’ny faritany , na mitoriteny amin’ny ankizy …raha tiantsika hihaino antsika ny olona . 2-Sahia mijoro ho vavolombelona Ny vontoatin’ny lahateniny dia fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fiovam-piainany noho ny nifanenany tamin’I Jesoa Kristy . Efa hitantsika ao amin’ny Asa 9 izany, fa averin’i Lioka mpanoratra eto indray hanamafisna ny fahasahian’i Paoly mitantara izany . Sahy izy, na dia nampisafoaka ny vahoaka indray aza ny filazany ny marina. Ary izaho sy ianao , mba ahoana? Lazao izay nataon’ny Tompo taminao . Aza matahotra ! 3-Mba fetsy tsara ! I Paoly dia manana ny zom-pirenena Romana . Hitantsika eto fa hainy ny nampiasa izany ho fampandrosoana ny fitoriana ny Filazantsara (and 25-29). Inona kosa no tombotsoa manokana anananao azonao araraotina hampiasaina toy izany ? « Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8

Radio Fahazavana .

Fanasana

Ny RADIO FAHAZAVANA 88.4 Mhz dia manao antso avo amintsika rehetra te- ho Sakaizan’ny Radio Fahazavana na olon-tsotra na Fiangonana fa amin’ny Sabotsy 20 Jolay 2019 ; amin’ny 10 ora sy sasany no fotoana hihaonantsika ao amin’ny FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA .

Tongava maro ho fampandrosoana ny Radio fahazavana .