Hafatry ny Filoha /Jiona 2019.

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Fa ‘ty Nosintsika ity,

Nosy tena mahagaga,

itobahan’ny harena,

ambonin’ny tany,

an-kibon-tany,

ary koa an-dranomasina;

nefa, he, fa mahonena

ny fahantran’ny mponina eto,

Fa nahoana ?

Fa nahoana ?

Satria izaho sy ianao mihitsy,

Ry Vahoaka Malagasy,

No andrasan’ny Mpahary

Hitodika Aminy,

Hivavaka,

Mba tsy ho teny foana intsony

Itony hiram-pirenena

Hoe Izy Ilay Nahary

Izao tontolo izao ange

No tena fototra ijoroan’

Ny satantsika Malagasy!

Hira izany, nohiraina,

Nefa hatraiza no anekena

Tena hivelona an’izany ?

Koa ianao izay mahalala

No irahina eto anio :

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI

Perikopa

Aogositra: Miadia ny ady tsaran'ny finoana

| | 25. Alah X man Trinite
Nom 13.30-14.9 / Mat 15.21-28 / Apo 3.14-22

Septambra: Manompoa ny Tompo amin'ny fahamasinana

| | 01. Alah.XI man.Trinité
Eks 12.15-17 / Lio 2.21-24 / Efe 4.11-16

| | 08. Alah XII man.Trinite /AFF
Jos 24.19-28 / Lio 10.38-42 / Asa 6.1-7

| | 15. Alah XIII man.Trinite
Amosa 5.21-27 / Mat 5.21-24 / 1 Kor 5.1-5

FJKM Fahazavana

Toriteny Alahady 19 Mey 2019 - Fjkm Isotry Fitiavana