FMBM / Andrombavaka

ANDROM-BAVAKA MANERAN-TANY 2019

 IRAY AO AMIN’I KRISTY ISIKA KRISTIANA

Tanteraka ny sabotsy 8 jona 2019 ny Androm-bavaka maneran-tany sy ny Diabe ho an’i Kristy izay nokarakarain’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (FMBM) sy ny Fikambanan’ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly (FMMB) teny amin’ny Kianjabe ny Mahamasina. Kristianina teo amin’ny 15.000 isa teo no niombona tamin’izany ary nitombo avo efatra heny izany isa izany raha ampitahaina tamin’ny taon-dasa. Hita taratra tao anatin’ireo mpandray anjara tamin’ny litorjia, ny endriky ny fiombonana izay voizin’ny hetsika satria dia anaram-piangonana 25 isa no nandray anjara tamin’izany.

Nitondra ny hafatr’Andriamanitra ny Mpitandrina, Irako Ammi ANDRIAMAHAZOSOA, Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ary ny (2 Tantara 7.14) no nandraisana izany. Nohazavainy tamin’izany ny hoe :

1-Mihaino antsika Andriamanitra,

2-Mihaino an’Andriamanitra isika,

3-Mihaino an’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy isika.

Vavaka nataon’i Jesoa Kristy mialoha ny nahafatesany ny firaisantsika kristiana (Jaona 17). Fanamby lehibe ny fanatanterahana izany. Ny hetsika androm-bavaka maneran-tany dia anisany maneho fa azo atao tokoa izany fiombonana ao anatin’ny fahasamihafana izany. Mitohy ao anatin’ny atao hoe “90 androm-pitahiana” indray ny hetsika taorian’ny 8 jona 2019. Mandritra ny 90 andro no isafidianantsika kristiana rehetra asa fanasoavana hita maso ho an’ny manodidina antsika, toy ny fanomezana sakafo ireo tsy manana, fanampiana ireo tsy salama, fanadiovana, ady amin’ny kolikoly, fanohanana mpanompon’Andriamanitra, sns … Azontsika atao tsirairay io, na isam-piangonana, na isaky ny fikambanana. Ny tanjona dia ny hanekentsika ho fitaovana eo am-pelatanan’Andriamanitra mba hitondra fitahiana ho an’ny firenentsika.

Evariste RASOLOHERY, Elsa RASON FMBM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV