Zoma 20 Aprily 2018.

Manolotra ny fiainany ny Tompo  
Matio 7.7-14

 « Koa  amin’izany  ,na inona na inona  tianareo hataon’ny olona  aminareo , dia mba ataovy  aminy  kosa tahaka  izany, fa izany  no lalàna sy  mpaminany « and12

Ny fampiharana ny Tenin’ Andriamanitra 

1-Fiheverana ny hafa

Ny fiainantsika  olombelona  dia mifantoka  amin’ny fikatsahana  izay mahasoa sy izay ilaina andavanandro. Amin’izany  dia izay  ho  an’ny tenantsika no  tena mibahana  ao an-tsaintsika, ka miteraka  fanilihana ny hafa sy fitiavan-tena . Ny Tenin’ Andriamanitra  anefa  mitaona  antsika ho  tia ny hafa. Mba hahatanterahantsika ny  fitiavana  no anton’ny  teny  hoe: »na inona na inona tianareo hataon’ny  olona  aminareo  , dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany ».

2-Fikatsahana ny fanjakan’ny  lanitra (and7-9/13-14)

Izay  mangataka, mitady, mandondona dia hovaliana araka izany. Ny  olana anefa  dia izay  mitondra ho any amin’ny fahaverezana no tena ihazakazahan’ny  maro angatahana sy tadiavina  ary dondoniny fatratra . Fa ny Tenin’ Andriamanitra  dia mitaona antsika hikatsaka ny lalana ety mankany amin’ny fiainana, izay vitsy  no mahita azy. Meteza ho isan’ izay mandany andro  mandinika sy miaina ny Tenin’ Andriamanitra  handovana fiainana .

Fanontaniana:

Inona no ezaka  efa nataonao  hanehoana fa tena mitady, mandondona, mangataka ny  fiainana mandrakizay  ianao?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

Jona: MIARO NY OLONY NY TOMPO

| | 02. Ala. I man. Trinite
Salamo 44. 1–8 | Matio 12. 1–8 | 2Timoty 4. 16–18

| | 09. Ala. Il man. Trinite – SEKOLY FJKM
Ohabolana 22. 17–23 | Jaona 6. 34–40 | Efesiana 4. 11–16

FJKM Fahazavana

ANDRO NIAKARANA – 09 May 2024

SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA (38)

Production FTV