Alahady 19 Mey 2024

Asan’ny Apostoly 4:8-12

Ny olona feno ny Fanahy Masina

Nanakoako tao Jerosalema ny asa fanasitranana ilay lehilahy teraka jamba (Asa 3). Nifamatotra tamin’izany koa ny fahatezeran’ireo Sadoseo, satria nitory ny amin’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ny mpianatra. Fitsarana an’i Petera sy Jaona no teny voalahatra amin’ity andro Pentekosta ity. Ambara àry fa ny olona feno ny Fanahy Masina dia:

1- Sahy miatrika ny zava-tsarotra

Miatrika fitsarana i Petera sy Jaona manoloana ny mpanapaka vahoaka sy ny loholona. Ny Fanahy Masina nameno ny fiainany no nananany fahasahiana sy nandreseny ny tahotra, ka indro nanambara ny fanasitranana ilay lehilahy teraka jamba izy. « Asa marina » no natao ka nahasitranana iny lehilahy iny, asa marina noho ny amin’i Jesoa Kristy ilay efa nandresy ny fahafatesana. Miharihary eto tokoa ny fampanantenana efa nataon’i Jesoa Kristy hoe: «fa homena anareo amin ‘izany ora izany izay holazainareo. fa tsy ianareo no miteny fa ny Fanahin’ny Ray no miteny ao anatinareo>>

2- Sahy manambara ny marina

Nanararaotra nitory sy nanambara ny marina momba an’i Jesoa Kristy i Petera. Jesoa Kristy no niantso sy nifidy ary naniraka ny mpianatra hitory ny famonjena sy hitondra fanafahana ny olona amin’ny fatorana samihafa. Nohamafisin’ireto mpianatra fa ny anaran’i Jesoa Kristy irery ihany no ahazoan’ ny olona ny famonjena (and. 12). Ny olona feno ny Fanahy Masina dia mahay manararaotra ny fotoana hitoriana marina ny amin’i Jesoa Kristy. Tokana ny lalam-pamonjena, dia amin’ny alalan’i Jesoa Kristy irery ihany.

Fanontaniana:

Diniho ny asan’ny Fanahy Masina sy ny Asa Fitoriana ny Filazantsara. Sahy mijoro ho vavolombelona ve ianao?

sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM