Alakamisy 11 Aprily 2024

Salamo 97, 1-6

Andriamanitra Mpanjaka:

1-Manome fifaliana (and1-2)

Tsy misalasala ny mpanao Salamo manao fanambarana ny maha Mpanjaka an’Andriamanitra. Antsoiny ny tany sy ny nosy maro hifaly, hihoby ary hiravoravo Aminy. Miavaka tokoa ny fanjakan ‘Andriamanitra satria miorina amin’ny fahamarinana sy ny fitsarana (and2), tsy mba manavaka na mizaha tavan ‘olona Izy; tsy manome vahana ny ratsy Izy ao amin’ny fanjakany, ary izany no tokony ho anton’ny fifalian’ny olona. Paoly dia manamafy izany: « Ny Fanjakan ‘Andriamanitra dia … amin’ny fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina » (Rom 14.17).

2- Mandevona ny fahavalony (and 3)

Masina ilay Mpanjaka ka tsy tia faharatsiana. Izany fahamasinany izany dia asehon’ny mpanao Salamo eto: « Misy afo mialoha izy ». Ny afo dia tandindon’ny fanadiovana. Tsy hanjaka sy tsy hanana anjara ao ny ratsy fa haringana sy holevonina. Masina, mahery ary manam-pahefana Izy. (Heb 12.29), ka ny fahavalony dia haringany mba hamonjeny ny olona.

3- Maneho nv voninahiny

Andriamanitra dia tsy takona afenina, maneho ny voninahiny amin’ny firenena rehetra Izy. Izao tontolo izao no manaiky ny maha be voninahitra an’Andriamanitra. Mampitamberina ny fomba nisehoany tamin’ireo zanak’Israely ny hoe: ny tselany sy ny horohoron-tany (and4). Mipararetra sy mangovitra ny tany, tonga tahaka ny savoka ny tendrombohitra. Lehibe ny voninahitr ‘Andriamanitra.

Fanontaniana:

Hitanao sy tsapanao eo amin’ny fiainanao ve ny maha Mpanjaka an’ Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

Jona: MIARO NY OLONY NY TOMPO

| | 02. Ala. I man. Trinite
Salamo 44. 1–8 | Matio 12. 1–8 | 2Timoty 4. 16–18

| | 09. Ala. Il man. Trinite – SEKOLY FJKM
Ohabolana 22. 17–23 | Jaona 6. 34–40 | Efesiana 4. 11–16

FJKM Fahazavana

ANDRO NIAKARANA – 09 May 2024

SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA (38)

Production FTV