Sabotsy 04 Jolay 2020.

JAONA 1.5-10

Afaho ao anatin’ny aizina ny olona ka :

1-Meteza hanambara ny mazava (and7)

« Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny « . Jaona mpanao batisa no tondroin’ny Filazantsara eto, ary i Jesoa kosa no ambara ho « mazava« .Neken’i Jaona am-panetrentena ny hialoha làlana an’i Jesoa , hanomana ny olona handray Azy izay Teny tonga nofo hanafaka ny olona amin’ny fahotana.

2-Aza misandoka ho ilay Mazava (and 8,9)

« Tsy izy anefa no ilay Mazava... » , ny hanambara mialoha ny amin’i Jesoa ary dia notanterahiny araka izany iraka azony izany ny anjara fanompoany sady vitany tsara tokoa, tsy nanao ny tenany ho zavatra izy na nizahozaho : raha tomorina ny Filazantsara dia i Jaona no milaza hoe: « tsy mendrika na dia ny hamaha ny fehin-kapany aza ». izany hoe: na dia nomena anjara i Jaona , tsy nitady naka ny toeran’i Jesoa .Rehefa mitory ianao dia Jesoa toriana , fa aza ianao no mitady haka ny toerany , ny fahefany sy ny voninahiny .

3-Aza kivy raha mandà ny Mazava ny olona (and10)

« …nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy« … » . Izany no ilazan’ny Filazantsara ny toetran’izao tontolo izao eo anatrehan’i Jesoa , nefa na dia izany aza dia hitantsika fa notohizan’i Jaona ihany ny iraka nampanaovina azy na dia teo aza ny olona nibebaka ka nanontany izay tokony hataony , dia tao koa ny olona tsy niraika sy tsy niraharaha akory izay teny notorin’i Jaona .Nisy koa ireo tsy nahazaka ny toriteniny ka tonga hatramin’ny famonoana azy (Mat 14.8-10) . Fampaherezana antsika mitory an’i Jesoa izany na dia misy aza ny mandà , aza kivy fa torio hatrany i Jesoa Zanak’Andriamanitra , Mpamonjy sy mpanafaka.

Fanontaniana:

Hatraiza ny fahavitanao ny anjara fanompoanao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

Jona: MIARO NY OLONY NY TOMPO

| | 02. Ala. I man. Trinite
Salamo 44. 1–8 | Matio 12. 1–8 | 2Timoty 4. 16–18

| | 09. Ala. Il man. Trinite – SEKOLY FJKM
Ohabolana 22. 17–23 | Jaona 6. 34–40 | Efesiana 4. 11–16

FJKM Fahazavana

ANDRO NIAKARANA – 09 May 2024

SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA (38)

Production FTV