Sabotsy 07 Septambra 2019

Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

2 Korintiana 3.1-18

Misy fahamarinana efatra ambaran’ny Soratra masina eto manoloana ny asam-pamonjena nataon’i Kristy ho an’ny mino.

1-Epistilin’ny mino (and1-3)

« Eny, aseho ho epistilin’ i Kristy, izay entinay ianareo  » (3.3). Ny tenan’ny mino dia epistily velona vakin’ny olona . Tandremo fa eo aminao kristiana no itarafan’ny olona , izany hoe : fiainana ao amin’i Kristy izany , sao dia avy amin’ny ataonao no hisakana ny hafa tsy hanatona ny Tompo (Lio 11.52/Mat 23.13/ 1Kor 10.32).

2-Manana ny fahafahan’ Andriamanitra (and 4-5)

Avy amin’ny Tompo irery ihany ny fahafahana ananan’ny mino (and 5). Ilay fahafaha-manao araka fahefan’ Andriamanitra no ambara eto. Marina ny hoe: « ny zavatra rehetra hain’ny mino » (Mar 9.23) . Tandremana anefa izany sao mampirehareha (Gal 5.13).

3-Mpanompon’ny fanekena vaovao(and 6)

Jesoa Kristy Ilay fanekena vaovaon’ Andriamanitra ho famonjena izao tontolo izao , izay tonga velona ao am-pon’ny olona izay mino Azy fa tsy tahaka ny lalàna ivelany . Voasoratra ao am-po fa tsy amin’ny vato fisaka . Isika no mijoro ho vavolombelon’izany .

4-Manana ny tombom-boninahitry ny fanompoana (and7-18)

Afaka ny sakana rehetra eo aminao sy izay manafina ny fanatrehanao amin’ Andriamanitra . Efa vitan’i Jesoa ny fandravana ny sakana rehetra hanatonanana ny Tompo (Mat 27.51 / Heb 1.3 /Kol 1.20 /Efe 2.14-18 /Rom 5.2)

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

Jona: MIARO NY OLONY NY TOMPO

| | 02. Ala. I man. Trinite
Salamo 44. 1–8 | Matio 12. 1–8 | 2Timoty 4. 16–18

| | 09. Ala. Il man. Trinite – SEKOLY FJKM
Ohabolana 22. 17–23 | Jaona 6. 34–40 | Efesiana 4. 11–16

FJKM Fahazavana

ANDRO NIAKARANA – 09 May 2024

SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA (38)

Production FTV