Alahady 31 Martsa 2024

Marka 16. 1-8

PASKA
Manorina ny fanekeny ny Tompo
1. Aoka hifandinika izay ahitana ny Tompo
Raha ny marina dia tsy i Jesoa velona no antony nandehanan’ ireto vehivavy ireto tany amin’ny fasana. Ny nahatonga izany dia ny fanadinoana ny Tenin’i Jesoa. Isika miaina izao Paska izao kosa dia tian’ny Tompo tsy ho tahaka ireo vehivavy ireo. Tsy ny hanokatra ny fasana no hifandinihina fa izay ahitana ny Tompo nandresy ny fahafatesana.

2. Aoka re tsy hiditra anaty fasana
Rehefa hitan’izy ireo fa nisokatra ny fasana dia niditra tao izy ireo. Ny fasana dia toerana nandevenan’i Jesoa ny fahotantsika ka aza midikiditra ao intsony. Ary aza talanjona isika rehefa nahita Azy nitsangana fa tena izany mihitsy no asa nampanaovina Azy sy antom-piaviany

3. Mandehana fa mialoha antsika Izy:
Amin’izay iraka ampanaoviny antsika dia tsarovy fa manomboka ny andro Paska dia manamafy fa mialoha antsika amin’izay ataontsika Izy. Ary tsy izany ihany fa manala ny tahotra, tahaka izay nahazo ny mpianatra satria nihevitra ireo fa maty ny Tompo

Fanontaniana:
Inona avy ny dinika tokony hifanaovana amin ‘izao andro Paska izao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

Sabotsy 30 Martsa 2024

2 Korintiana 13.1-4

Manorina ny fanekeny ny Tompo

<< Fa voahombo tamin’ny hazo fijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin’Andriamanitra >> and.4

VOAHOMBO – FAHALEΜΕΝΑ:

Voahombo noho ny fahalemena Izy. Fahelemen’iza? Noho ny fahalementsika ve? Tena fahelementsika olombelona ny fahalavoana. Avy amin’ny vovo-tany isika ka mora lavon’ny fandriky ny tany. Ka ho famonjena antsika amin’ny fahalemena no nanombohona Azy tamin’izany Noho ny fahalemeny ve? Tena fahalemeny tokoa ny nanekeny ny hitondra ny fahotantsika. Fa raha tsy izany dia mbola very isika hatramin’izany.

VELONA – HERY :

Na dia fahafatesana aza no tanjon’ny fahavalo ny amin’ny hazo fijaliana dia resin’ny fahaveloman’ny Tompo izany noho ny herin’Andriamanitra. Na dia lavon’ny fahalemena aza isika dia tsarovy fa efa nentin’ny Tompo tany amin’ny fahafatesany izany mba hahavelomantsika ao amin’ny Herin’Andriamanitra. Fanapahan-kevitra: Asa lehibe sy feno fitiavana no nataon’ny Tompo ho antsika koa amin’izao sabotsy Masina izao dia aoka handini-tena isika

Fanontaniana:

Inona avy no mbola mamatotra anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Zoma 29 Martsa 2024

Marka 15. 16-28

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Zavatra roa no natrehin’ny Tompo tamin’ity andro manjombona ity mba hitondrany hazavana ho antsika:

1. Ny miaramila:

Nataon’ireo miaramila ho fanalana hamohamo ny Tompo. Notafiany lamba volomparasy sy nosatrohany satro-tsilo ary noarahabainy hoe: « arahaba ry Mpanjakan’ny Jiosy ». Misy amintsika mahafantatra fa i Jesoa no Mpanjaka te hanjaka amin’ny fiainantsika saingy toa vazivaziantsika izany. Am-bava fotsiny no andraisantsika izany fa tsy latsa-paka anaty fo akory. Tsarovy fa niaritra ireo zavatra ireo Izy mba hahatanteraka ny famonjena antsika. Aza manao toy ireo miaramila manao tsinotsinona ny Mpanjakantsika fa ekeo Izy.

2. Ny hazo fijaliana :

Toe-javatra ratsy sy maha-menatra izany hoe mifantsika amin’ny hazo fijaliana. Izany anefa no tsy maintsy natao an’i Jesoa, nanampy trotraka izany ny kapoka sy ny fampijaliana natao Taminy. Tena tsy maintsy nolalovany izany satria raha tsy nandalo izany izy dia tsy ho tonga toeram-pamonjena izany hazo fijaliana izany. Aoka isika hankamamy izany hazo fijaliana izany satria teo no nanolorany ny Tenany ho famonjena antsika. Tonga toerana ahafahantsika mametraka ny fahotantsika izany. Tonga reharehantsika mihitsy aza. « Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika… » (Gal. 6.14)

Fanontaniana:

Inona no toe-javatra fantatrao mampiavaka ny Zoma Masina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alakamisy 28 Martsa 2024

Marka 14. 22-25

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Amin’izao Alakamisy Masina izao dia mampahatsiaro antsika indray fa i Jesoa dia manao fanekena vaovao amintsika. Ny Fanekem-pihavanana vaovao izay nataony dia famonjena sy fanavotana antsika amin’ny fahotana mba ho vita fihavanana amin’ Andriamanitra isika. Lehibe ny fitiavany antsika mpanota ka:

1. Manolotra ny tenany Izy:

Ny tenan’llay zanak Andriamanitra tsy nanan-tsiny sy feno fahamasinana no nanaiky hitondra ny fahotantsika ka nijaly nohombohana tamin’ny hazo fijaliana. Tsaroantsika ve fa tsy mba trano nipetrahan’olona no nahaterahany fa trano nitoeran’ny biby? Fanomanana sahady ireny fa tsy ny biby intsony no natao fanatitra noho ny otantsika fa ny Tenany. Fitiavany lalina loatra izany ka tsara fandinika amin’izao andro anio izao. « Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. » (Jao. 15.13)

2. Manolotra ny rany Izy:

Nalatsany ho antsika ny rany, mba hitondra famelan-keloka sy famonjena ho antsika, hahatonga antsika ho vita fihavanana amin’Andriamanitra. Ny hazo fijaliana no toerana nandatsahany izany rany izany. Koa izay rehetra mibebaka ka miala amin’ny ratsy fanaony ary miverina na mitodi-doha amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy dia tonga voavela heloka ka ho tonga zanak Andriamanitra noho izany rà nalatsany izany.

Fanontaniana:

Ahoana ary no ataontsika hisitrahantsika izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alarobia 27 Martsa 2024

Hebreo 10. 26-31

JEHOVAH HITSARA ANTSIKA

Raha miverina mamaky hatrany amin’ny and.19 isika dia mahita ny anatra sy antso ho antsika mba hanana faharetana amin’ny fihazonantsika ny finoana satria hantomotra ny andro

1. Aza miverina amin’ny fahotana intsony

Raha olona efa nandray an’i Kristy isika, nefa mbola miverina amin’ny fahotana, dia isika no ambara eto hoe minia manota. Ary dia ambara fa manitsaka an’i Jesoa (and.29). Tonga manao tsinontsinona ny fanoloran-tena izay nataony teo amin’ny hazo fijaliana, izay toerana mahamenatra tamin’izany, ho famonjena antsika. Manamavo ny famorjena sarobidy natolony. Amin’izany dia nataontsika ho zava-tsy mendrika ilay ran’i Kristy nanadiovany antsika. Ary tonga mpikomy amin’ny Fanahy Masina indrindra izay mitondra ny fahasovan’Andriamanitra ao am-pontsika. Fotoana izao handinihantsika tena. Mibebaha ankehitriny.

2. Aza atao tsinotsinona ny famonjeny

Rehefa natolotr’Andriamanitra ho antsika ny famonjena tamin’ny alalan’ny Zanany tiany indrindra, kanefa nolavintsika izany dia tonga fahatezerana eo anatrehany izany. Fahatezerana no miandry antsika amin’izany; satria raha miverina amin’ny fahotana isika dia manombo indray ny Zanany «...nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’ Andriamanitra indray amin’ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana. » (Heb 6.6).

Fanotaniana:

Inona avy ireo karazana fihemorana tokony hotandremana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alatsinainy 25 Martsa 2024

Malakia 2. 5-6

« Ny fanekempihavanako taminy dia ahazoany fiainana sy fiadanana; Ka dia nanaja Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny Anarako izy » (and.5 DIEM)

Atombohy ny Fibebahana

Ny fanekena nataon’Andriamanitra dia tsy asa an-terivozona na asa hahazoany tombony ho Azy fa tena natokany ho antsika mihitsy. Te hihavana amintsika Izy satria efa noravantsika izany fihavanana taminy izany araka ny voasoratra hoe: «Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo … ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy. » (Isa. 59.2)

Andao hanao tahaka ireto Levita izay ambaran’ny Tompo ireto. Handray ny fanekem-pihavanana ataony amintsika mba hisitrahantsika ny fiainana sy fiadanana. Tsarovy fa tao amin’ny Zanany no nanatanterahany izany. Izany no mahatonga an’i Jesoa hiteny hoe: « Izaho avy hananany fiainana sady hananany be dia be » (Jao.10.10)

Mba hampaharitra izany dia mitaky toetra vaovao amintsika izy amin’izao herinandro Masina izao, dia ny hanaja Azy sy hangovitra eo anatrehan’ny Anarany Masina indrindra. Ny fanajana lehibe dia ny manaraka ny Teniny ka mibebaka marina amin’ny ratsy izay natao.

Fanontaniana:

Inona avy no mbola manakana anao tsy handray fiainana sy fiadanana avy amin’ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alahady 24 Martsa 2024

Marka 11. 1-11

lanao koa va mba hitsena ny Tompo Mpanjaka ?

1. Ny fiomanana: (and.1-7)

Ho fiomanana dia naniraka ny mpianany haka ilay zana-boriky i Jesoa, ary ireo nitondra izany teo Aminy ka nametraka ny lambany teo amin’ny zana-boriky hipetrahan’ny Tompo

2. Ny fandehanana teny an-dalana: (and.8-10)

Zavatra maromaro no hitantsika nataon’ny olona raha an-dalana hiditra ny tanana Jesoa: tao ny namelatra ny lambany teny an- dalana; tao ny sasany nampihahaka ratsan-kazo efa nalainy teny an-tsaha; ary maro amin’ireo nandeha teo aloha sy aoriana no niantsoantso tamin’ny feo mahery hoe: Hosana, hosana

3. Ny fidirany: (and.11)

Niditra tao Jerosalema izy ary nankeo an-kianjan’ny Tempoly. Satria efa hariva ny andro tamin’izay. Ilay hariva ambara eto dia. ilay fiatombohan’ny andro manaraka. Raha ny fiainantsika ankehitriny dia tsarovy fa te hiditra ao amin’ny fiainantsika ihany koa Jesoa. Ka ilay zana-boriky dia ny fahalementsika. Ny akanjo fitafy dia manambara ny maha izy azy antsika, esory andehanan’i Jesoa. Ary rehefa izay dia hanomboka andro vaovao isika. (jereo ny Gen.1 fa ny andro vaovao dia manomboka ny hariva).

Fanontaniana:

Manao ahoana ny fiandrasanao lay Mpanjaka?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Sabotsy 23 Martsa 2024

Hebreo 9. 15-22

Manorina ny fanekeny ny Tompo

1. Aza atao ho zava-bitika ny famonjena anao

Ny mpanoratra dia efa nanendry an’i Jesoa Kristy ho mpanelanelana (Heb. 8.6); eto no ambarany hoe ahoana, nahoana izy no mpanelanelana. Nanolotra ny tenany Izy (Heb 9.14), izany no nahatonga azy ho mpanelanelana

Asa lehibe no nataon’i Jesoa ho antsika:

– Amin’ny alalan’ny sorona nataony, Kristy no mpanelanelana amin’ny Fanekena vaovao
– Ny didim-pananana rehetra dia tsy manan-kery afa-tsy amin’ny fahafatesan’ilay nanao azy
– Ny Fanekena voalohany dia nohamafisina tamin’ny fandatsahan-drà ny vaovao

Ny ran’ny Fanekena vaovao nalatsak’i Jesoa no fanavaozam-panekena nataon’ Andriamanitra mba ho antsika rehetra. Tsy misy famelan-keloka raha tsy misy rà latsaka hoy ny and.22. Ary izany no vaovao lehibe mahafaly ho antsika satria Izy Andriamanitra mihitsy no vonona hanatanteraka izany famitram-pihavanana izany.

Fanontaniana:

Mba tanisao ireo fanehoam-pitiavana nataon’ny Tompo taminao.

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Zoma 22 Martsa 2024

Jaona 3.31-36

Aoreno ao amin’i Jesoa ny finoanao

1. Aza miala amin’ny fanambarany (and.31-34)

Ilay avy any ambony no ambara eto fa azo antoka ny fanambarany. Fa izay avy amin’ny tany dia ny momba ny ety an-tany ihany no ambarany. Ilay ratsy dia mampifikitra antsika amin’ny zava-tsoan’ny tany ka tsy mamela antsika hitraka hibanjina sy ho tody amin’ny fiainan-danitra. Aoka isika handray izay ambaran’ny irak’Andriamanitra satria ireny no milaza ny Teniny (and.34). Mandrombaka antsika izao tontolo izao kanefa tsy mahafoy antsika ny Tompo ka maniraka ny irany. Koa aoka hanova fihaino isika mańomboka anio (vakio Mar. 9.7)

2. Aza mba ho isan’ny tsy mino (and.35-36)

Jereo ny fanambaran’i Jaona eto fa ny tsy finoana dia toy ny mandà ny Zanaka, na tsy mankatò Azy. Ny finoana Azy no hery mitarika antsika ho amin’ny fananana fiainana mandrakizay satria tsy mamela antsika hanao izay tiantsika, izay mahatonga antsika handeha amin’ny danin’ny saintsika fotsiny, fa manitsy ny lalana mba hidirantsika amin’ilay lalam-pamonjena. Hoy i Paoly « Fa Kristy no faran’ny lalana ho fahamarinana ho an’izay rehetra mino. » (Rom. 10.4) Koa aza mba ho isan’ireo izay tsy mino re !

Fanontaniana :

Inona avy re no antony mampihozongozona ny finoan’ny olona ankehitriny?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

POSTE VOLONTAIRE DEFAP

Fepetra :

– 18 taona no ho miakatra ka tsimaintsy efa nianatra tamin’ny ambaratonga ambony

– Vonona hanolontena amin’ny asa antsitrapo miaraka amin’ny olona mandroso taona na manana fahasembanana na manana fahasahiranana arabatana mandritra ny 10 volana (Alsace, Strasbourg, Rouen) / herintaona miaraka amin’ny ERF Lyon (AZO HAVAOZINA 2 TAONA farafahabetsany) ka VONONA TSIMAINTSY mody antanindrazana amin’ny fiafaran’ny asa fanompoana FA TSY MAHAZO MIJANONA ANY FRANTSA.

– Mila vakiana tsara ny asa tiana hatao  dia ambara ao amin’ny Lettre de motivation 

Averina Foibe aloha na hatramin’ny Talata 26 martsa ny dossiers ho an’ireo maniry hirotsaka antsehatra mahafeno fepetra miaraka amin’ny fanoloran’ny Mpitandrina sy ny ambaratonga mpiahy

Manao veloma finaritra ao amin’ny Tompo