Lohahevitra 2023/04
NY HERIN’NY FITSANGANAN’NY TOMPO
NY HERIN’NY FITSANGANAN’NY TOMPO
Dan 9.24-27/ Lio 23.39-49 / Rom 5.6-11
Sal 41.4-13 / Lio 22.47-53 / 2 Pet 2.11-16
Zef 3.14-20/ Lio 19.29-44/ Apok 7.9-12
1 TIMOTY 3.1-16
Anankiray amin’ireo Epistily izay antsoina hoe: Epistily pastoraly nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty ity teny ity .Toro-làlana no omeny mba hahazoan’i Timoty miatrika tsara ny fanompoany .Mitodika amin’ny tomponandraikitra rehetra ao amin’ny Fiangonana ny hafatra anio .
1-Ho an’ny Mpitandrina (and 1-7)
Ny asa tsara indrindra (and1) no efa nisafidianantsika .Misy toetra 14 lazain’i Paoly etoo fa tokony hananan’ny Mpitandrina ,ary matoa tanisain’ nyApostoly ireo dia tsy filam-boatsiary akory fa toetra tena azo ivelomana tsara ary ireo no maneho ny Voninahitr’Andriamanitra niantso .Raha bangoina amin’ny teny tokana ireo toetra rehetra ireo dia « mendrika » no mahalaza azy. Tsy midika akory anefa izany hoe : manjary tanteraka ka afaka amin’ny maha-olombelona mpanota ny Mpitandrina ,fa izao kosa : ny Mpitandrina no mpanome ohatra faka tahaka na amin’ny fiainana na amin’ny fiteny na amin’ny asa na amin’ny fahafoizana . Raha vao mijery ny Mpitandrina ny olona, dia resy lahatra avy hatrany ary te-hanolo-tena avy hatrany ho an’i Jesoa, satria mahita modely tsara .
2-Ho an’ny diakona (and8-10)
Misy mason-tsivana maromaro ihany koa voatanisa eo , ary misy aza iza itoizana amin’izay toetra tokony ananan’ny Mpitandrina , tsy afaka manilika araka izany ny Diakona ka hiteny hoe : satria aho mbola Diakona fa tsy Mpitandrina dia tsy maninona na dia mibirioka ihany aza amin’ny fotoana sasany na amin’ny fotoana rehetra akory aza .Tandremo !
Fanontaniana :
Tsy mitsara akory fa manatsara ka inona no lesoka hitanao fa tokony arenina na ho an’ny Mpitandrina na ho an’ny Diakona?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM
FAMPITRANDRAHANA ALA
1 MPANJAKA 14.21-31
Ity tantaran’i Rehoboama , mpanjaka voalohany tao Joda rehefa nivaky ho roa ny fanjakan ity dia mampiharihary amintsika fa izy dia :
1-Mpitondra tsy mahajoro amin’ny finoana
Ny dikan’ny anarana hoe: Rehoboama dia hoe : mitombo isa na nihamaro ny vahoaka . Zanak’i Solomona izy , nahita sy voataizantamin’ny fahendrena araka izany , zafn’i Davida ka azo heverina fa nahita fomba fitndrana sy ny fijoroan’i Davida ka azo heverina fa nahita ny fomba fitondrana sy ny fitondran’i Davida amin’ny fatokiana an’Andriamanitra , kanefa rehefa tonga mpanjaka dia nanara-davahana ny fanompoan-tsampin’ ny Amonita . Ny tantara eto dia mamerina indroa ny fitanisana ny anaran-drenin’i Rehoboama (iray amin’ire vadin’i Solomona), Nama izay midika hoe : « hatsara-tarehy « , saingy tsindriana tsara koa fa izy dia Amonita.
2- Fositra amin’ny fikorosoam-pahan’ny fanjakana
Noho ny tsy fijoroan-dRehoboama dia nandrorona ny fanjakana satria « nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny Joda ka nampahasaropiaro Azy « (and22) , izany hoe: sady nanilika an’Andriamanitra no mbola nanolo-tena sy mankasitraka ny anompoan-tsampy koa. Vokatry ny tsy fananan’ny mpitondra hazon-damosina dia very
Ampianarin’ny Soratra Masina isika anio ka ,
1-Ny « manota » dia sanatriavo (and15)
« Ahoana àry , hanota va isika ,saingy tsy ambanin’ny lalàna fa ambanin’ny fahasoavana ? Sanatria izany » . Mazava ny filazan’i Paoly azy , ny maha- eo ambany fahasoavana antsika dia tsy midika velively akory hoe : mahazo manao izay danin’ny kibo na koa hoe : mahazo manota amin’izay fa afaka amin’ny lalàna . Ny tena tsipihan’i Paoly eto dia izao : efa nahazo fahafahana ,tsy andevozin’ny lalàna intsony izay mandray sy mino an’i Jesoa .Tsy midika akory izany hoe : tsy ilaina intsony ny lalàana fa izao : izay nandray an’i Jesoa dia niova Tompo , ka Jesoa no Tompoiny ary izany fitiacany sy fanompoany an’i Jesoa izany dia mahatonga azy hahay hitondra tena ka manaraka ho azy ny lalàna . Noho izany ,tsy fahafahana baranahiny akory ny ao amin’i Jesoa fa fahasoavan-dehibe ka mahataona ho rikorikom-pahotana ary tsy miandry hoteren’ny lalàna akory.
2-Manolora tena marina ho an’i Jesoa (and19)
Tahaka ny nilomana tao anaty fahotana sy hafinaretan’ny nofo no tokony hanolorantsika tena kosa ho amin’ny fankatoavana sy fanompoana an’Andriamanitra .Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao : tsy tokony avelantsika ho latsa-danja noho ny amin’izay efa nataontsika fony isika mbola andevon’ny lalàna ny ataontsika kosa amin’ny fanompoana ny Tompo koa ny amintsika manontolo no andeha hatolotra Azy dia ny tenantsika , ny fontsika ,ny fanahintsika ,ny fananantsika sy izay rehetra heverintsika fa antsika .
Fanontaniana :
Ahoana no hahafantaranao fa tena nanolo-tena marina ho an’i Jesoa ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM
JAONA 4.1-26
Ny nihaonan’i Jesoa sy ilay vehivavy Samaritana teo amin’ny fantsakana no tantarain ‘ity Mofonaina anio ity . Azontsika tsoahana avy amin’izao fihaonana izao fa :
1-Tsy manilika na iza na iza i Jesoa (and5,6)
Tamin’ny andron’i Jesoa dia tsy mifankahazo ary sakay sy maso mihitsy aza ny Jiosy sy ny Samaritana .Tantarain’i Jaona anefa eto fa mijanona tao amin’ny tanànan’i Samaritana i Jesoa mba hanehoana fa tsy manavaka na iza na iza izy ary tsy natao ho ana sokajin’olona manokana ihany (Jiosy) ny famonjena fa ho an’izay rehetra mino .Mitaona antsika ihany koa izany mba tsy hanava-tena na hihevi-tena fa isika ihany no mendrika na tokony hahazo ny famonjena ,fa hanana fo tahaka an’i Jesoa koa , ka hanatona ny Jentilisa aza, hampihaona azy ireny amin’i Jesoa mba tsy hisy ho very na iray aza (Jao 3.16)
2-Manitsy am-pitiavana be i Jesoa (and17-18)
Mahavariana ny fomba nentin’i Jesoa naneho tamin’ity vehivavy ity fa misy fanamboarana tokony hatao amin’ny fiainany .Tsy fanamelohana na fitoraham-bato no nataon’ny Tompo fa teny nampiasaina nefa tsy manafitohina ihany koa . Isika rehetra no andeha hianatra fahaiza-mitsitsy amin’i Jesoa mba tsy hampihemotra ny hafa fa hitaona azy ireny hahatsiaro tena sy hampibebaka aza ny teny ataontsika .
3-Maneho ny fahamarinana i Jesoa (and 26)
Tsy am-pihambahambana no nilazan’i Jesoa tamin’ity vehivavy ity fa Izy tenany no MESIA , izany hoe : taomin’i Jesoa mba hino Azy sy hahalala ny làlam-pamonjena ny Samaritana . Natoron’i Jesoa koa fa efa tanteraka izay voalazan’ny Soratra Masina .
Fanontaniana :
Ahoana no hampiharantsika ny hafatra anio ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM
DEOTERONOMIA 23.10-19
Sady mitaona no manamafy amintsika ny Mofonaina anio hahatsiaro fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ireto zavatra telo ireto :
1-Ny havoretrana (and 10-15)
Ny fahadiovana voaresaka eto dia misy izay momba ny fivavahana sy izay mifandraika aminy , fa izay tena ambara eto koa dia izao : tsy tia mifangaroharo amin’ny loto Andriamanitra fa manaisotra ny fahamasinany izany . Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao : tsy tamana amin’ny toerana maloto sy voretra Andriamanitra . Tsy amin’ny fombafombam-pivavahana ihany no mitoetra izany fa amin’ny maha-olona mihitsy . Koa andeha àry hodiovina ny fontsika , ny tenantsika . Mba ahoana ny amin’ireny fako misavovona eran’ny tanàna ireny ?
2- Ny fampahoriana ny hafa (and16,17)
Voalaza eto ihany koa fa andraikitr’izay milaza tena ho olon’Andriamanitra ny miaro sy manafaka ny mila vonjy . Tsy ny manala azy ao an-davaka fotsiny ihany anefa fa ny manao izay tsy hiverenany ao an-davaka ka ho babo indray . Jereo ny mila vonjy ka omeo tan-tsoroka izy ireny .
3-Ny fanompoan-tsampy (and18,19)
Tsy misy tokony hanolo-tena hanompo sampy raha mbola taranaka voafidy ihany koa , ka andeha hampirafy an’Andriamanitra .Tsy sitrany izany .Tsy ilain’Andriamanitra ny vola maloto na famotsiam-bola hanaovana ny asany . Fihatsarambelatsihy izany ka halan’ny Tompo .
Fanontaniana :
Ahoana àry araka ny hafatra anio no heverinao mety hahazoana sitraka avy amin’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM
| |
25. Ala. V man. Paska - Alahady FFPM
Mik. 3. 5-8 | Jao. 16. 12-15 | 2 Kor. 3. 12-18
| |
29. ANDRO NIAKARANA
Salamo 47, 1-9 | Jaona 14, 25-31 | Asan'ny Apostoly 1, 6-11
| |
01. Ala. VI man. Paska
2 Tan.25. 1-12 | Mat.10. 26-31 | Jak.4. 11-17
| |
08. PENTEKOSTA - Sekoly FJKM
Ezekiela 39. 25-29 | Jaona 15, 26-27 | Asan'ny Apostoly 2, 14-21