Alatsinainy 13 Martsa 2023

1 TIMOTY 3.1-16

Anankiray amin’ireo Epistily izay antsoina hoe: Epistily pastoraly nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty ity teny ity .Toro-làlana no omeny mba hahazoan’i Timoty miatrika tsara ny fanompoany .Mitodika amin’ny tomponandraikitra rehetra ao amin’ny Fiangonana ny hafatra anio .

1-Ho an’ny Mpitandrina (and 1-7)

Ny asa tsara indrindra (and1) no efa nisafidianantsika .Misy toetra 14 lazain’i Paoly etoo fa tokony hananan’ny Mpitandrina ,ary matoa tanisain’ nyApostoly ireo dia tsy filam-boatsiary akory fa toetra tena azo ivelomana tsara ary ireo no maneho ny Voninahitr’Andriamanitra niantso .Raha bangoina amin’ny teny tokana ireo toetra rehetra ireo dia « mendrika » no mahalaza azy. Tsy midika akory anefa izany hoe : manjary tanteraka ka afaka amin’ny maha-olombelona mpanota ny Mpitandrina ,fa izao kosa : ny Mpitandrina no mpanome ohatra faka tahaka na amin’ny fiainana na amin’ny fiteny na amin’ny asa na amin’ny fahafoizana . Raha vao mijery ny Mpitandrina ny olona, dia resy lahatra avy hatrany ary te-hanolo-tena avy hatrany ho an’i Jesoa, satria mahita modely tsara .

2-Ho an’ny diakona (and8-10)

Misy mason-tsivana maromaro ihany koa voatanisa eo , ary misy aza iza itoizana amin’izay toetra tokony ananan’ny Mpitandrina , tsy afaka manilika araka izany ny Diakona ka hiteny hoe : satria aho mbola Diakona fa tsy Mpitandrina dia tsy maninona na dia mibirioka ihany aza amin’ny fotoana sasany na amin’ny fotoana rehetra akory aza .Tandremo !

Fanontaniana :

Tsy mitsara akory fa manatsara ka inona no lesoka hitanao fa tokony arenina na ho an’ny Mpitandrina na ho an’ny Diakona?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

| | 27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 03. Ala. VII man. Trinite
2 Sam. 10. 9-14 | Jao. 14. 1-7 | Efe. 6. 10-13

| | 10. Ala. VIII man. Trinite - KFTM
Dan. 10. 18-11.1 | Lio. 22. 24-34 | Jak. 5. 7-11

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina