Zoma 10 Martsa 2023

Ampianarin’ny Soratra Masina isika anio ka ,

1-Ny « manota » dia sanatriavo (and15)

« Ahoana àry , hanota va isika ,saingy tsy ambanin’ny lalàna fa ambanin’ny fahasoavana ? Sanatria izany  » . Mazava ny filazan’i Paoly azy , ny maha- eo ambany fahasoavana antsika dia tsy midika velively akory hoe : mahazo manao izay danin’ny kibo na koa hoe : mahazo manota amin’izay fa afaka amin’ny lalàna . Ny tena tsipihan’i Paoly eto dia izao : efa nahazo fahafahana ,tsy andevozin’ny lalàna intsony izay mandray sy mino an’i Jesoa .Tsy midika akory izany hoe : tsy ilaina intsony ny lalàana fa izao : izay nandray an’i Jesoa dia niova Tompo , ka Jesoa no Tompoiny ary izany fitiacany sy fanompoany an’i Jesoa izany dia mahatonga azy hahay hitondra tena ka manaraka ho azy ny lalàna . Noho izany ,tsy fahafahana baranahiny akory ny ao amin’i Jesoa fa fahasoavan-dehibe ka mahataona ho rikorikom-pahotana ary tsy miandry hoteren’ny lalàna akory.

2-Manolora tena marina ho an’i Jesoa (and19)

Tahaka ny nilomana tao anaty fahotana sy hafinaretan’ny nofo no tokony hanolorantsika tena kosa ho amin’ny fankatoavana sy fanompoana an’Andriamanitra .Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao : tsy tokony avelantsika ho latsa-danja noho ny amin’izay efa nataontsika fony isika mbola andevon’ny lalàna ny ataontsika kosa amin’ny fanompoana ny Tompo koa ny amintsika manontolo no andeha hatolotra Azy dia ny tenantsika , ny fontsika ,ny fanahintsika ,ny fananantsika sy izay rehetra heverintsika fa antsika .

Fanontaniana :

Ahoana no hahafantaranao fa tena nanolo-tena marina ho an’i Jesoa ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV