FJKM / feno 55 Taona

FANKALAZANA AN’ANDRIAMANITRA NOHO NY FAHA-55 TAONA NY FJKM

Raha  sitrapon’Andriamanitra dia feno 55 taona amin’ny taona 2023  ny FJKM. Araka izany dia:

Hotanterahina ny 18 Aogositra 2023 ny fankalazana an’Andriamanitra mahakasika izany.

Entanina ny Fiangonana FJKM rehetra hanamarika ny 18 Aogositra isan-taona.

KOMITIN-JOBILY

  1. BIRAON’NY MPIANDRAIKITRA FOIBE :
ANARANA SY FANAMPINYANDRAIKITRAFINDAY
1.   
2.   
  1. MPIANDRAIKITRA FOIBE
ANARANA SY FANAMPINYSOKAJYFINDAY
1.RAKOTONDRALAMBO Fanja NirinaFiangonana034 87 697 69
2.ANDRIAMAMPIANINA Zo Nantenaina, MpitandrinaSekoly034 36 845 64
3. RAKOTOHERISOA Benjamin DésiréVola034 22 089 54
  1. MPANATANTERAKA :
ANARANA SY FANAMPINYANDRAIKITRAFINDAY
1.  RAKOTONINDRAINY Jaona,        MpitandrinaSekretera Jeneraly033.07.469.49 034.68.730.66
  2.ROBSON  RADO  Lalaina   Johary, MpitandrinaTonian’ny Departemantan’ny Fiangonana034 14 627 06  033 14 627 06
  3.RAKOTONDRANAIVO         Andriasolotiana DomoinaTonian’ny Departemantan’ny  Sekoly033 91 631 01  034 06 676 59
4.  ANDRY NIRINA Velosoa  Tonian’ny Departemantan’ny  Mpiasa sy Vola ary Fananana sy Fampamokarana  034 96 209 32 033 50 322 01
  1. SYNODAMPARITANY EFATRA (SP10/SP11/SP12/SP19)
  2. SP ANTANANARIVO ANDREFANA (SP 10)
ANARANA SY FANAMPINYANDRAIKITRAFINDAY
 RAZAFINDRAKOTO ANDRIAMBALOHERY Hasinarivo, MpitandrinaPrezida Synodaly034 10 144 09
 ANDRIAMISATA Roger,MpitandrinaMpiandraikitra Foibe034 33 440 96 033 09 101 91
 RAZAFIMAHATRATRA Jean William, MpitandrinaMpiandraikitra Foibe034 93 878 06
 ANDRIANARIVELO Volasoa, MpitandrinaM.S.F S/P034 71 373 21
 ANDRIANATOANDRO Sitraka Todisoa FyF.M.2 S/P034 49 673 93
 RAKOTONDRAMANANA Vero Malala, MpmptrM.T.V S/P034 43 319 76
 RATSIMBA PriscaMpiandraikitra Foibe034 01 874 45
 HARY Malalatiana BalisamaTalé Sekoly FJKM034 66 957 47
  • SP ANTANANARIVO ATSIMO (SP 11)
ANARANA SY FANAMPINYANDRAIKITRAFINDAY
 RASOLOFOMANDIMBY Olivier, Mpitandrina(misolo an’i PS)034 54 918 59
 RAMANANTSOA Andriamihaja Tiana Dani,Mpitandrina 034 10 137 67
 RAVELOSOA Nirina, Mpitandrina 034 50 583 84
 RANDIMBIALISOA Johary, Mpitandrina 033 11 468 20
 RANDRIANAMPOINIMERINA Tahiana,Diakona 033 04 716 10
 RAMANDROSOA Ihantavololona, Diakona 034 34 377 17
 ANDRIAMBOLOLONA Laurence Aimée,Diakona 034 16 600 77
 MAMINIAINA Sophie Josée, Diakona 034 50 536 88
  • SP ANTANANARIVO ATSINANANA (SP 12)
ANARANA SY FANAMPINYANDRAIKITRAFINDAY
 ALIOLIHARIMANARIVO Mahabo Saotra, MpitandrinaPrezida Synodaly034 01 480 33
 RAKOTONAVALONA Maholy, MpitandrinaMpiandraikitra Foibe034 03 703 54
 RAHAINGONJANAHARY Rodolph, Mpitandrina 034 36 005 77
 MAMILALAINA Lalaoarisoa Rindra, MpitandrinaMSF S/P034 19 778 96
 RAMIARANJATOVO  Marc ArisonMF032 43 884 73
 RANOMENJANAHARY Navelaniaina Desiré 034 38 583 08
 RAFALIMANANA HeryMF034 08 542 00
 RAJERIARINORO Mamy Harivelo Yves  
  •  SP IARIVO AVARADRANO (SP 19)
ANARANA SY FANAMPINYANDRAIKITRAFINDAY
 RABETOKOTANY Miarilaza, MpitandrinaPrezida Synodaly034 33 695 47 
 NANDE André, Mpitandrina 034 33 298 88
 ANDRIAMIHARTSOA Jeremia Romy, Mpitandrina 034 10 377 85
 NOMENJANAHARY Mandrantosoa, Mpitandrina 034 53 205 16
 ANDRIAMIADANA  Rija 034 13 253 33
 RAZAFIARAONA Verotiana 034 04 855 86
 RAVAOARIMANANA Domohina 034 09 104 50
  • SOLONTENA S/P  (miisa 34)
N° S/PANARANA SY FANAMPINYFINDAY
1RAJAONARIVONY Samuel034 27 320 91
2FLORENT,Mpitandrina, MF034 14 589 32
3RAKOTOVOLOLONA Faly Vahiny034 95 716 94
4RAVELOZANANY Vola Harimalala034 45 226 02
5RAHARIVELO Laurette, Mpitandrina,MF034 17 394 79
6RANDRIATSARALAZA Jean Paul034 60 895 53
7RAKOTOARIJAONA Eric033 85 427 64
8RAKOTOHARIVONY  Rolland, Mpitandrina034 46 358 83
9JEAN LOUIS, Mpitandrina034 52 785 94
13RANARIVONY Nantenaina, Mpitandrina034 04 142 51
14RAMIANDRISOA Harifinoana, Mpitandrina034 19 139 86
15RANDRIANIARINARIVO Charles, MF034 08 893 80
16FETY Jean Eddie, M.F032 05 137 12
17ANDRIANARILALA Daniel Hubert, Mpitandrina034 04 666 10
18RAFANOMEZANTSOA Jean Charles Gabriel, MF034 41 804 07
20RAOELISON Niaina, Mpitandrina034 63 759 64
21TSIANTERY Christian, Mpitandrina034 95 648 20
22RAKOTONDRABE Falimanantsoa, Mpitandrina034 93 859 54
23RAMALALANIRINA  Avosoa, MF034 32 415 41
24RAKOTOARISON Solofonjanahary, Mpitandrina034 43 926 20
25RAFENOMANANTSOA Andriamparany034 64 824 40
26ZAFIHASINA Freed Norbertine034 16 516 25
27RAZAFIMAHALEO Rowlands Peter, Mpitandrina034 69 669 40
28RAHAJASON  Rufin,Mpitandrina034 99 288 11
29LAZA Andriamahatony RAKOTONDRASOA,Mpitandrina033 02 462 42
30  
31RAZAFINDRASOA Perline Olivia034 20 589 33
32RAKOTOARISON  Vony José, Mpitandrina034 19 869 61
33ANDRIANJAFY Henintsoa Mirana034 71 425 26
34ANDRIAMAROSOA Faralahy Davida,Mpitandrina034 07 271 72
35RANDRIAMAHATRATRA Solofonirina034 21 997 07
36RAHAROLAHIJOELINA Andrianandrianina Nomenjanahary034 01 625 66
37  
38RADIMISON Harinjaka034 71 958 04
  • FITATOS
ANARANA SY FANAMPINYANDRAIKITRAFINDAY
1RANDRIANARISOA HerimanitraTalé Trano Printy034 19 890 53
2RABEMANANTSOA Solofo Rianaina, MpitandrinaTalé F.F.P034 29 780 06
3RAZAKARIVONY Charlot Patricien, MpitandrinaTonia SSA034 15 658 47
4RANDRIAMANANTENA Solo Jean Jacques Séraphin Jhons, Mpitandrina  Tonia SAMPATI034 90 163 67

  BIRAON’NY KOMITIN-JOBILY

  • Filoha:

RAZAFINDRAKOTO ANDRIAMBALOHERY Hasinarivo,  Mpitandrina, Prezida Synodaly

SPAA.10 / 034 97 807 41

  • Filoha Mpanampy Mpitandrina :

RAMANANTSOA Andriamihaja Tiana Dani,Mpitandrina,

SPAA.11 / 034 10 137 67

  • Filoha mpanampy Laika:

ANDRIAMBOLOLONA Laurence Aimée, Diakona

 SPAA.11 / 034 16 600 77

  • Mpitantsoratry ny Fivoriana:

RANDRIAMANANTENA Solo Jean Jacques Séraphin Jhons, Mpitandrina   

FiTaToS / 034 90 163 67

  • Mpitahiry vola:

RAKOTONDRALAMBO Fanja Nirina, Mpiandraikitra Foibe Sokajy Fiangonana,

SPIA.19 / 034 87 697 69

  • Mpitan-tsoratry ny Vola:

RAMANDROSOA Ihantavololona, Diakona

 SPAA.11  / 034 34 377 17

  • Mpanolo-tsaina:

RAFALIMANANA Hery, Mpiandraikitra Foibe,

  SPAA.12 / 034 38 583

……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

Fiangonana prsebyteriana USA

Taratasy misokatra ho an’ Andriamatoa Filoha

(Dikateny malalaka)

Misiona presbyteriana.

Ny Fiangonana Prsebyteriana avy aty USA dia mandefa fiarahabana ho anao sy ny mpiara-miasa aminao amin’ ny anarana tsy manan-tsahalan’ Ilay Tompo sy Mpamonjy antsika, dia Jesoa Kristy. Andriamanitra anie hanohy hitahy ny asa lehibe sy holistika ataon ‘ny FJKM, hitarika anareo amin’ ny Hazakazaka Masina hizarana ny Filazantsara. Mampahery anao amin’ny asa fampandrosona ny firenena himasoanareo, ary amin’ny fiarovana ny zava-boaharin’ Andriamanitra. Mampahery anareo koa ho fanasina sy fahazavana eo anivon’ny fiaraha-monina. Ity taona vaovao ity anie hiavaka amin’ ny fahamarinana, fandriampahalemana ary fihavaozana ara-panahy ho an’ny olona rehetra ao Madagasikara.
Azonay tsara fa taona manan-tantara ho an’i Madagasikara ity taona ity. Fotoana izay hitodihan’ny olona maro any amin’ny ny fiangonana hanome Fiombonam-pinoana, fahaiza-mitarika ara-moraly sy ara pinoana. Tsarovy fa mahatsiaro anareo amim-bavaka hatrany izahay, indrindra amin’ny fanatanterahanao ireo andraikitra roa sosona dia ny maha- Filohan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara FFKM sy ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta Malagasy FFPM, ny fianakavianareo, Ny fiangonana Presbyteriana avy aty USA dia misaotra an’ Andriamanitra amin’ny fijoroan’ny FJKM Vavolombelon’ ny Filazantsaran’ i Jesoa Kristy « Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, fa mahamendrika izany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra »
2Tesaloniana 1.3. Izahay dia mankasitraka indrindra ny ezaka mankadiry ataon’ny FJKM sy ny FFKM izay mikatsaka fatratra ny fampihavanana sy fifidianana ara-drariny hahatonga ny vahoaka Malagasy handray anjara sy hanapakevitra amin’ny ho avin’ny fireneny.
Ny » Presbyterian world mission » dia mijoro miombom-bavaka aminao sy izay rehetra mikatsaka hampanjaka ny fahamarinana, ny fitoviana ary hanome lanja ny maha- olona. Mino izahay fa ny fiangonana dia nantsoina  « fa raha hangina mihitsy ianao amin’izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin’ny fitoerana hafa ho an’ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin’ny fanjakana? » Estera 4.14.
Matokia amin’ny Fitiavana sy ny vavaka ataonay ho an’ny FJKM sy ny vahoaka Malagasy.
Andriamanitra anie hiaro anao, sy hanome anao vina mazava, faherezana, ary finoana an’i Kristy amin’ny fampanantenany fiainana sy fahafenoana ho an’ny vahoakan’ Andriamanitra rehetra.
Ampahafantaro mandrakariva izahay ny amin’izay hafahanay manandratra vavaka ho anao.

Ao amin’i Kristy,
Rev. Mienda Uriarte
Talen’ny World Mission

Zoma 31 Martsa 2023

1 TIMOTY 2.1-7µ

Ny olona mivavaka ho an’ny olona rehetra

1-Mivavaka ho an’ny mpitondra

« ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana… » (and2)

Amin’i Paoly Apostoly dia tokony hatao ny fivavahana ho an’ny olona rehetra , indrindra ho an’ny manam-pahefana .Ny tanjona amin’izany fivavahana izany dia mba hisian’ny filaminana , fitoniana eo amin’ny tany ama-monina .Miankina amin’ny vavaka ataon’ny mpino ho an’ny mpitondra sy ny mana-pahefana no isian’ny fandriampahalemana . Koa mazotoa mivavaka ho an’ny mpitondra satria avy amin’Andriamanitra ny fahefana. Noho ny fanajan’ny mpino kristiana an’Andriamanitra nifidy ireo mpitondra ireo no antony tsy maintsy ivavahana ho an’ny mpitondra . Ny olona mino an’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy mivavaka ho an’ny mpitondra .

2-Manaiky an’i Jesoa mpanalalana

« fa iray no Andriamanitra ary iray no mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona , dia Kristy Jesoa «  (and5)

Ao amin’ny fanekena vaovao , ny fanekena ny « persona »sy ny finoana an’i Jesoa Kristy no hany làlana tokana Ray ho ara-dalàna amin’ny fifandraisana Aminy . Jesoa Kristy no mpanelanelana amin’Andriamanitra sy ny olona mila vonjy.Jesoa Kristy no Mpisorona ho antsika .Jesoa Kristy , Ilay olombelona feno mpanelanelana ny olona amin’Andriamanitra izay nolavin’ny mpampianatra sandoka tamin’izany .Ho an’ny mpino kristiana kosa, Jesoa Kristy izay nanolotra ny tenany ho sorona indray mandeha monja na nampihavana ny olombelona rehetra mino Azy amin’Andriamanitra . Koa minoa an’i Jesoa Kristy dia ho vita fihavanana amin’Andriamanitra ianao .

Fanontaniana :

Ahoana no iainanao ny fampihavanana nataon’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 30 Martsa 2023

JAKOBA 4.13-20

Ny olona matoky an’Andriamanitra

1-Mametraka ny fiainany eo aminy

« fa aleo manao izao : Raha sitrapon’ny Tompo , ka velona izahay dia hataonay izao na izany  » (and15)

Manoratra amin’ny fiangonana manerantany ny Apostoly eto ka mananatra azy mba hametraka ny tokiny amin’Andriamanitra .Tsy hamaritra mialoha ny fikasana amin’ny andro ho avy raha tsy efa nametraka izany tamin’Andriamanitra .Fianarana ho an’ny kristiana ankehitriny ihany koa izany .Koa apetraho amin’Andriamanitra ny fandaharam-potoananao ,ny fikasana rehetra. Aza matoky tena ka hihevitra ho tompon’ny fandaharam-potoana irery tsy misy Andriamanitra fa ankino Aminy ny fiainana manontolo . Jesoa Kristy no hahatanteraka ny aminao rehetra sady Izy no handamina ny làlanao .

2-Manao soa

« Koa izay mahalala hanao soa , nefa tsy manao dia heloka ho azy izany  » (and17)

Mampitodika ny olona amin’ny fanaovantsoa ny Apostoly Jakoba .Heloka eo anatrehan’Andriamanitra ny mijanona eo aminn’y fietritreretana hanao soa , kanefa tsy manatanteraka izany akory .Tsy fisainana hanao soa no andrasan’Andriamanitra amin’ny olona fa ny hampihatra izany eo amin’ny fiainana mihitsy .Ho anao koa, aza mijanona hatreo amin’ny fikasana ihany raha tokony hanao soa fa tanteraho izany , ampiharo ho tonga asa mivaingana . Fahadisoana eo anatrehan’Andriamanitra ny tsy manome izay tokony homena fanampiana sy fiantrana .Koa mazotoa amin’ny fiantrana ho fanampiana ny hafa fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Jesoa kristy .

Fanontaniana:

Iza avy no tokony hanaovana soa kanefa tsy nanaovanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 29 Martsa 2023

OHABOLANA 14.29-35

Ny toetra ankasitrahan’Andriamanitra

1-Manampy ny mahantra

« izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny mpanao azy , fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra azy » (and31)

Mananatra antsika indray ny Soratra masina eto fa ny mahantra dia tian’Andriamanitra ary ny fanaovana tsinotsinona azy ireny dia midika ho fanamavoana Ilay Andriamanitra Mpahary azy , ary izay tia azy ireny kosa dia manome voninahitra an’Andriamanitra . Noho izany , ho anao izay efa nanamavo ireny mahantra ireny dia aza manao izany intsony fa miovà , satria tian’Andriamanitra izy ireny .Ho anao izay efa zatra manasoa azy ireny dia tohizo hatrany , satria fanomezam-boninahitra izany . Jesoa Kristy rahateo koa sady tia ny mahantra no akaiky azy ireny , mitaona antsika hitia azy ireny satria izay natao tamin’izy ireny dia natao tamin’i Jesoa kristy ihany koa.

2-Manao ny marina

« ny fahamarinana manandratra ny firenena , fa ny ota kosa dia fahafahambaraka amin’ny olona  » (and34)

Raha tiana hisandratra ny firenena dia tsy maintsy manao ny marina sy miorina amin’ny fahamarinana izay atao . Koa manoloana ny tsy fisian’ny tsy-fahamarinana amin’ny endriny maro samihafa misy eto amin’ny firenena , dia mila miverina manao ny marina ny vahoaka sy ny mpitondra amin’ny sehatra rehetra misy azy. Fanalahidin’ny fampandtosoana ny firenena ny fisian’ny fahamarinana ao aminy . Koa manaova ny marina , atombohy eo aminao sy ny seahtra asa misy anao izany .Jesoa Kristy rahateo no Ilay Fahamarinana ka izay manao ny marina dia miombona aina amin’i Jesoa Kristy .

Fanontaniana:

Inona no andraikitra tokony horaisinao hampanjakana ny fahamarinana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 28 Martsa 2023

JAONA 7.14-24

Ny olona avy amin’Andriamanitra

1-Milaza ny fahamarinan’Andriamanitra

« …fa izay mitady ny voninahitr’ izay naniraka azy no marina ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy  » (and18)

Tamin’ny fampianarana nataon’i Jesoa Kristy teo an-kianjan’ny Tempoly ny nanomezan’ny olona tsiny Azy nahazo tsiny Izy satria tsy mba fantatry ny olona ny toerana nianarany nahazoany izany fahalalana izany . Tamin’izany no nanambarany fa milaza ny marina araka an’Andriamanitra Izy satria mitady ny Voninahitr’Andriamanitra .Amin’ny fampianarana rehetra ataonao , dia aza mitady voninahitra ho anao fa ataovy marina araka ny anambaran’Andriamanitra izany . Ny olona mampianatra fahamarinana araka an’Andriamanitra no manome voninahitra an’Andriamanitra .

2-Manao ny asan’Andriamanitra

« Jesoa namaly ka nanao taminy hoe : asa iray loha ihany no nataoko ,ka gaga avokoa ianareo rehetra  » (and21)

Antony niteraka olana nahatonga ny olona hankahala an’i Jesoa Kristy ny asa mahagaga nataony tamin’ny nanasitranany ny andro sabata . Asan’Andriamanitra anefa izany ataony izany .Asa mitondra famonjena ho an’ny hafa sady ho fanehoana ny maha-fanazavana an’i Jesoa Kristy . Ny olona avy amin’Andriamanitra no manao ny asan’Andriamanitra , ary ny asan’Andriamanitra izay ataon’ny olona avy amin’Andriamanitra dia miteraka famonjena ho an’ny hafa . Koa mianara an’i Kristy , ataovy ny asan’Andriamanitra ho famonjena ho an’ny mpiara-belona mila vonjy ary ekeo eo amin’ny fiainanao fa Jesoa Kristy fahazavana no manazava ny fiainan’ny olona mila vonjy .Ny tanjon’ny asan’Andriamanitra dia famonjena.

Fanontaniana:

Inona no mahatonga anao mbola mankahala ny fahamarinana araka an’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Fanavaozana trano/ Ampandrana

Fitokanana sy fanavaozana ny trano fonenan’ny Mpiasa FOIBE

Iray amin’ireo asa tontosain’ny Komity maharitra mikasika ny fampandrosoana eo anivon’ny
FJKM no notokanana araka ny fombam-piangonana ka niderana an’Andriamanitra teny an-toerana
niarahana tamin’ireo olo-manankaja maro eo anivon’ny Fiangonana, izay notarihin’ny Filoha FJKM,
Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA AMMI, Mpitandrina.
Asa fanatsarana ny endrika ivelany tamin’ny alalan’ny lalotra sy loko no natao ary nisy ihany
koa ny fanamboarana trano fidiovana ho an’ireo tokatrano tsy nisy izany. Marihina fa tsy natao
ambanin-javatra ny tontolo maintso ho fanatsarana ny tontolo ivelany, ka hazo fihinamboa isan-
karazany izay miavaka tokoa no nambolena teny, izay fanomezana avy amin’ny Amerikana Atoa
Dan Turk. Fianakaviana 15 isa ireo mpiasan’ny FJKM monina eny, ary misy ny fikambanan’ny
ankohonana mipetraka eny an-toerana, izay hiandraikitra ny fikojakojana ny tanàna amin’ny ho avy,
ka mitarika izany fikambanan’ny mpiray tanana izany ny Filoha Atoa RANDRIAMALALA Josoa.
Marihina fa “Fiadanana” no anarana nofidin’ny mpiasa monina eny an-toerana.
Nanomboka ny Sabotsy 22 Novambra 2022 ny asa fanatsarana ny tanàna fonenan’ireo
mpiasan’ny FJKM ka ny Talata 07 Martsa 2023 izany no notokanana araka ny fomam-piangonana
ka teo an-tokotanibe.
Ny Filoha mitarika ny komity Foibe misahana ny fampandrosoana, dia Atoa RABENORO
DAVID ary ahitana vaomiera 4, ao anatin’izany komity maharitra izany, dia : 1/ Vaomiera Vola. 2/
Vaomiera Mpiasa. 3/ Vaomiera Fananana. 4/ Vaomiera Fampandrosoana .

ILAIMAZOTO ˂SF˃

Hafatry ny Filoha /Martsa 2023

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Ka mivavaha ianao anio

Mba tsy ho isan’ny adala

Hanamaizina ny tany

Noho ny hamafisam-po

Te hifikitra amin’ny ratsy

Efa hita izao fa loza

Ho an’ny tanindrazantsika!

Mivavaha mba hahajoro

Ka na hoe halaim-panahy,

Tsy ho resy hivarilavo

Fa hitsangana ho mpandresy.

Fa mila olona toy izany

Ity tanindrazantsika ity,

Dia lehilahy sy vehivavy,

Tena manana ny Tompo,

Rahalahin’i Jesoa

Sy anabavin’i Jesoa,

Tena jiro, fahazavana

Tsy any ambany farafara

Na miafina any am-bata,

Fa tena hita fa mazava

Toa tanàna an-tendro avo

Hita ho azy fa tsy atoro !

Fa na ianao irery aza

No mivavaka sy miasa

Ho fahazavana tahaka izany

Manomboka amin’ny andro anio,

Dia tsy teny foana intsony

Ny vinantsika manao hoe:

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Hazakazaka rodobe

Fanatanjahan-Tena sy Fampaherezam-Panahy

Tena hihazakazaka isika !

Tena hihazakazaka isika fa tsy hitsangatsangana na hitazatazana fotsiny! Havitrika tsara isika amin’ny fitaizam-batana, hazoto tsara isika amin’ny fiombonana, esorina aloha ny falaindainana vokatry ny havizanana amin’ny asa andavanandro, avela aloha ny hakamoana vokatry ny hatsiaka vao maraina efa mitady hanomboka. Fa hirodorodo isika Fiangonana rehetra hiara-hihazakazaka.

  1. HAZAKAZAKA MASINA RODOBE:

Hotanterahina ny Sabotsy 15 Aprily 2023 tontolo andro eny amin’ny kianja TPM Ivato. Toy izao ny fandaharam-potoana:

  • Hazakazaka Masina Rodobe: amin’ny 7 ora maraina ny fiaingana ao amin’ny FJKM Antanetibe Fitiavana, mihazakazaka mihazo ny kianja TPM Ivato.
  • Fanompoam-pivavahana: manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina eo amin’ny kianja TPM Ivato.
  • Lalao ara-pirahalahiana fanokafana: amin’ny 11 ora sy sasany hihaonan’ny FITATOS sy ny ONIFRA,
  • Fisoratana anarana: sady fandraisana anjara amin’ny Casquette Hazakazaka Masina (7000 Ariary), manomboka ny 17 Martsa 2023 ao amin’ny Foibe FJKM trano Ifanomezantsoa Analakely, varavarana 201.

Samia misalotra fanamiana fitondra amin’ny fanatanjahantena. Tsara raha ilay t-shirt na polo Hazakazaka Masina no ampiarahana amin’ilay Casquette. Tsy hadinoina ny rano fisotro hanonerana ny rano very amin’ny hatsembohana. Entina ihany koa ny Baiboly sy Fihirana hiatrehana fanompoam-pivavahana.

  • LALAO HAZAKAZAKA MASINA 2023:

Aorian’io tontolo andro fanombohana io dia mitohy ny hazakazaka amin’ny alalan’ny lalao. Toy izao ny andinindininy:

  •  Daty: 15 Aprily ka hatramin’ny 24 Jona 2023, isaky ny Sabotsy tontolo andro sy ny Alatsinainy 01 Mey 2023 tontolo andro, samy manomboka amin’ny 8 ora maraina avokoa.
  • Toerana: kianja TPM Ivato sy kianja Lycée Paul Minault Androhibe.
  • Taranja hilalaovana: Football à 11 Homme, Basket-ball Homme, Volley-ball Mixte, ary Pétanque Triplette Mixte,
  • Fandraisana anjara: 200.000 Ariary ho an’ny Football à 11 Homme sy Basket-ball Homme ary Volley-ball Mixte, fa 60.000 Ariary kosa ho an’ny Pétanque Triplette Mixte. Sarany tokana io fa tsy misy fandaniana hafa intsony mandrampaha-tapitry ny lalao.
  • Fisoratana anarana: manomboka ny 17 Martsa 2023 no azo raisina ny taratasy fisoratana anarana ary averina hatramin’ny 31 Martsa 2023 ao amin’ny Foibe FJKM trano Ifanomezantsoa Analakely, varavarana 212.
  • Fiofanana tsy maintsy atrehana: Sabotsy 01 Aprily 2023 manomboka amin’ny 9 ora maraina ao amin’ny FJKM Atsimon’Imahamasina. Fepetra tsy maintsy hajain’ny mpitantana ny ekipa, ny teknisiana, ary ny mpilalao, ny fanatrehana io fiofanana io.

Azo atao ny fisoratana anarana iombonana ho amin’ny Hazakazaka Masina Rodobe, mety ho isan-tokantrano, mety ho isam-piangonana, na isan-tsampana na hafa.

Ho an’ny Lalao Hazakazaka Masina 2023 kosa dia voafetra ho ekipa iray isaky ny taranja no atolotry ny Fiangonana, ny taranja Pétanque no azo anolorana mihoatra an’izay.

FIFANDRAISANA: 034 02 736 53 / 034 05 036 44

Niry Rakoto