Hafatry ny Filoha / Nov 2021

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Ry olo-mangam-pirenena!

Fa tsarovy ange ireo Magy,

tena olona nahay

sady nanam-pahalalana

ary feno fahendrena;

saingy tsy afa-po mihitsy,

fa nandeha nitety tany,

nisahirana tokoa

mba hitady Ilay Mpamonjy.

Ny fahaizany, ny azy,

Tsy nataony ho rehareha

Ka hiteraka avonavona

Hihamboana hahavita

samirery ny fiainany,

fa nanosika azy ireo

hikaroka ny tena izy

dia i Jesoa irery ihany!

Ary tena maharavo

Ny mahita ireto izy

Tsy nitandro ny hasasarany

Ary tsy nanaiky koa

Raha tsy nahatratra tanjona.

Hitany ihany Ilay Mpamonjy

Ka natolony Azy teo

Ireto zava-tsarobidy:

zava-manitra sy miora

ary volamena koa!

Moa ho ambakan’izy ireo

Ve ianareo rehetra

Olo-mangam-pirenena?

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI

Alatsinainy 22 Novambra 2021

Isaia 40. 21 – 31

Matokia ary miandrasa ny Tompo

  1. Fa Andriamanitra Lehibe sy tsy manan-tsahala Izy (and 21 – 26)

Ny andriamanitry ny firenena maro eto ambonin’ny tany dia asatanan’i Jehovah Andriamanitry ny Israely, toy ny volana aman-kintana, ary ko asan-tanan’olombelona toy ny sary sikotra. Kanefa ny an’ny Israely dia Ilay Mpamorona mihitsy. Izy ihany koa dia tsy manan-tsahala fa efa hatrizay ary mandrakizay, fa tsy mba toy ny an’ny olombelona manam-piandohana sy fiafarana. Izay matoky an’I Jehovah Andriamanitra izany dia tafatoetra mandrakizay foana. Hoy Izy hoe : “ Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko”. Hadisoina be mihitsy ny mampitaha an’I Jehovah amin’ny hafa satria ny Iray Mpamorona ny sasany noforonina. Tsy fampitaha izany.

2. Andriamanitra tsy manan-tsiny Izy (30 – 31)

Ny tanora, na dia ao anatin’ny fahatanorany aza, dia mety ho reraka. Ary na dia ny mpiazakazaka fanta-daza aza dia mety mbola hianjera matetika. Izany ny olombelona, manam-pahadisoana aman-tsiny mandrakariva; fa tsy mba misy amin’Andriamanitsika izany. Mpahazo ny olombelona ny hadisoana fa tsy hita amin’Andriamanitra izany. Milamin-tsaina sy fo ny olona izay matoky Azy. Tsy dokam-barotra manodoka anie izany!

Fanontaniana :

Io isika mino an’Andriamanitra io, fantatsika tsara ve ny maha izy azy Azy, sa mino ny olona dia mba mino koa isika ?

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM

Alahady 21 Novambra 2021

Jaona 11. 21 – 27

Alamino ny sainao ry mino !

  1. Fa mahita làlana mandrakariva ny Andriamanitrao (and 21 – 22 )

 Marta dia nino fa mbola misy zavatra hafa hain’i Jesoa atao ihany, na dia tsy teo aza Jesoa fony narary ny anadahiny ka maty ihany. Isika ihany koa tokony hanana finoana tahaka izany ,ka na dia toa tsy mihetsika amin’ny trangan-javatra hafa iray nangatahantsika aza i Jesoa, dia mbola misy zavatra hafa hainy atao fa alamino fotsiny ny saina sy ny fo. Izany foana mihitsy matetika ny fomba fiasan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Eo vao tena ampiasaina ny finoana, ny mampalahelo anefa dia eo no betsaka ny latsaka. Hoy ny Jeremia 29 : 11 : «  Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo ny fanantenana ny amin’ny farany ».

2. Fa manana fahefana amin’ny zavatra rehetra ny Andriamanitrao ( and 23 – 26 )

Manana fahefana amin’ny fahafatesana Jesoa Kristy sady manana fahefana amin’ny fiainana koa, satria Izy no mpamorona aina. Na dia maty fanahy aza isika dia afaka mamelona ny fanahintsika Izy. Na dia maty koa aza ny vatantsika dia mbola afaka mamelona izany vatana izany Izy, raha hitany ny mahamety izany. Kanefa aza miandry an’izany fa sao diso fanantenana, aza hadinoina fa olombelona isika. Miezaha, na sarotra aza ny mandamina ny saina sy ny fo; fa ao aorina kely ao dia ho voavalinao ny fanontaniana saro-balina ao an-tsainao ao.

Fanontaniana :

Raha manoloana ny fahafatesana ny olona izay miantoka ny fiainanao, mbola matoky ve ianao fa mbola voaantoka ihany izany fiainanao izany ?

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM

Sabotsy 20 Novambra 2021

Jeremia 17. 5 – 8

Ny Tenin’Andriamanitra no milaza fa :

1- Mahantra ny olona matoky olona (and 5 – 6 )

Fantatsika tsara fa tsy maintsy ho tanteraka ny Tenin’Andriamanitra. Ny vahoakany tamin’ity vanim-potoana ity dia mitoky amin’ny herin’ny firenen-dehibe namany izay heveriny fa afaka miaro sy mamonjy azy amin’ny fotoan-tsarotra. Toy izany koa isika rehefa mitoky amin’olombelona izay jerena toa matanjaka, fa mahantra isika. Toy ny anjavidy any an-tany hay, velona ihany saingy velon-dratsy . Aoka tsy hohadinoina fa misy Soratra Masina manao hoe  » Ho voaozona izay olona matoky olona, sy manao ny nofo ho sandriny » (Jer 17. 5)

2- Manan-karem-pitahina ny olona izay mitoky Aminy (and 7 – 8 )

Mazava ho azy fa manan-karena amin’ny fitahiana samihafa karazana izay mitoky amin’i Jehovah, satria Izy no nanao izao tontolo izao . Azy izao rehetra izao dia omeny izay manaiky Azy. Toy ny hazo ambolena amoron-drano izay tsy mba halazo. tsy mba ho maina mandrakizay satria Izy no loharanom-pitahiana, azo antoka tsy misy ahiahy mihitsy. Mandrakizay izany fa tsy misy fetra. Tafatoetra tsara ary ny fo matoky Azy. Hoy ny Jeremia 17. 7 : »Hotahiana ny olona izay matoky an’i Jehovah »

Fanontaniana :

Raha tena ampiharina eo amin’ny fiainana andavanandro ny fahatokiana Azy, sarotra sa mora ? Saino tsara !

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM

Zoma 19 Novambra 2021

Matio 7. 24 – 29

Izay mankato ny tenin’Andriamanitra

1- Dia olona misaina mahalala ny tanjon’ny fiainany ( 24,25)

Ny olona misaina dia izay mametraka ny ho aviny amin’izay azo antoka, toy ny lehilahy manorina ny tranony ambony vatolampy Izany no atao hoe : lehilahy hendry. Matoa ny olona iray manapa-kevitra ny hankato ny Tenin’Andriamanitra dia efa nosaininy tsara fa ny Tenin’Andriamanitra dia tsy ho levona mandrakizay fa tsy mba toy ny tenin’olombelona izay tsy azo hitokiana . Tsy misy eritreretiny intsony ny ho aviny ka dia tafatoetra ery ny fony. Ny toetran’Andriamanitra izay ‘mandrakizay » no antoka iorenan’ny fahatokiantsika Azy. Ao ihany koa ny maha Tompon’izao rehetra izao Azy, izany hoe tsy misy tsy ananany sy tsy hainy.

2- Izay tsy mankato kosa dia adala tsy mba mahay mijery lavitra ( and 26,27)

Tsy iadian-kevitra fa adala ny olona manorina ny tranony ambony fasika. Tena mitovy amin’izany mihitsy izay tsy mankato ny Tenin’Andriamanitra . Mihevitra ny hahita fahasambarana ivelan’Andriamanitra. Tsy inona izany fa ny fahendren’olombelona, ny harena mora miova sy mety lany, ny fahafinaretana mandala sns… Izay mety heveriny ho fiadanana, nefa mandiso fanantenana. Tsy fantany anefa fa Jesoa Kristy no Tompon’ny fiadanana. Izao tontolo izao dia tsy hitondra fahasambarana maharitra na oviana na oviana. Hoy ny voasoratra ao amin’ny 1 Jaona 2. 17 :  » Ary mandalo izao tontolo izao sy ny filàny fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay ».

Fanontaniana :

Fantatrao tsara ve izay itokianao ny ho amin’ny ho avinao ?

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM

Alakamisy 18 Novambra 2021

Isaia 30. 18 – 22

Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo

1– Satria mampanantena famindram-po Izy ( and 18a )

Ny tsy fahatokiana an’Andriamanitra ara-politika, ny fanopoan-tsampy, ny tsy rariny tao amin’ny fiaraha-monina, ny kolikoly, ny fanaparam-pahefana no fahotan’ireo vahoaka tao atsimo ireo. Tsy maintsy nihatra tamin’izy ireo ny kapoka araka izany. Izay sisa afaka amin’izany fotoana izany no hisitraka ity faminaniana mahavelom-panantenana ity, satria na mikapoka aza Izy dia mbola hamindra fo ihany. Hoy ny voalaza ao amin’ny Isaia 49 : 15 : « Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony ? Eny mety hanadino ihany izy fa Izaho kosa tsy mba manadino anao » .

2- Satria atorony ny làlana izorana ( and 21 )

Amin’ny fahatanterahan’ity faminaniana ity dia hisy Fanahy Masina hibitsika amin’ireo olona ireo izay tokony itondrany ny tenany sy izay hataony mba tsy hahavoa azy ireo intsony. Tsy inona izany fa ny Tenin’Andriamanitra. Zava-doza izany tsy mahafantatra ny lalana tokony haleha izany, satria mitondra tsy fidiny mankany amin’ny fahavoazana. Afaka mitoetra tsara ny fontsika rehefa misy Tenin’Andriamanitra mitari-dàlana. Hoy Izy hoe : « Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho ».

Fanontaniana :

Heverintsika ve fa isika no mahay kokoa noho Izy ka tsy hahafantatra izay tokony hatao ho an’ny zanany?

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM

Alarobia 17 Novambra 2021

Asan’ny Apostoly 14. 19 – 28

Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo

1- Ka sahy mandroso hatrany, na hihatra aman’aina aza ( and 20b, 21, 26 )

Mbola sahy nandeha tany Derbe hitory Filazantsara ihany i Paoly sy Barnabasy na dia efa saiky maty aza tao Lystra. Avy eo indray izy ireo mbola niverina tany Antiokia indray nefa jiosy avy ao no efa namono azy teo. Ry havana, tokony handroso mandrakariva amin’y asan’ny Tompo isika na dia mety hihatra amana aina aza izany indraindray. Ny mandroso ihany no mety fa tsy mihemotra raha mbola manana herim-batana na dia kely monja aza. Mety hitsinjo ny aina ihany isika . Tsy dia maninona loatra izany saingy ratsy raha mihemotra. Hoy ny Hebreo 10. 38 ; « Fa raha mihemotra izy dia tsy sitraky ny fanahiko ».

2- Ka sahy manambara amin’ny hafa izay nataon’ny Tompo taminy ( and 27 )

Rehefa tonga tany Antiokia izy ireo dia nitantara tamin’ny Fiangonana tao izay niarovan’Andriamanitra azy ireo hatraiza hatraiza. Izany fitantarana izany dia maneho ny fahaveloman’Andriamanitra ka mahavita miaro ny mpanompony. Mampitombo ny finoan’ny olona ny fihainoana izany. Ry havana, ny fijaliana iaretana mihitsy no mampitombo ny finoana. Ary koa, ambarao amin’ny hafa izay nataon’ny Tompo tamintsika fa ilainy mihitsy izany ho fampaherezana. Hoy Jesoa ao amin’ny Matio 28. 20 : « Indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao ». Teny fanomezan-toky lehibe izany.

Fanontaniana :

Raha toa tokoa moa izany misy mandrahona antsika tsy hitory, hihemotra isika sa handroso ihany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 16 Novambra 2021

Lioka 6. 43 – 49

Izay mankato ny Tenin’Andriamanitra

1- Dia mahay miteny mendrika ( and 45a, d )

Ny fo no mibaiko ny lelantsika sy ny fihetsika ataontsika. Ny fankatoavana ny Tenin’Andriamnitra dia mila faneken’ny fo vao mora tanterahina. Rehefa tiana ny olona iray dia mora kely mihitsy ny manatanteraka ny teniny. Noho izany, rehefa tiantsiaka ny Tompo dia tsy manahirana antsika ny mankato ny Teniny ary tsotra ny mifehy ny vavantsika. Aoka ho fantatsika àry, fa hita ho azy amin’ny alalan’ny fitenintsika izay ao am-potsika na tsara na ratsy. Hoy ny 1 Pet.3. 10 : « Na iza na iza maniry fiainana sy ta hahita andro soa, aoka izy hiaro ny lelany amin’ny ratsy ary ny molony tsy hiteny fitaka »

2- No tafatoetra tsara ka tsy miraika mihitsy ( and 47-48 )

Matoa ny olona misahirana mihitsy ka mihady lalina raha hanao ny tranony dia misaina sy mitsinjo lavitra mba tsy hanenenana. Mila finiavana sy fahazotoana izany. Toy izany koa izay rehetra mankato ny Tenin’Andriamanitra dia misaina, mitsinjo lavitra, ka n’inona n’inona mitranga dia tsy manenina mandrakizay izy, tafatoetra ny fony. Tsy matahotra izay zavatra hitranga satria azo antoka ny Tenin’Andriamanitra fa tsy toy ny an’ny olombelona. Hoy ny Salamo 125. 1 : » Izat matoky an’i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika fa mitoetra mandrakizay ».

Fanontaniana:

Raha matoky Azy àry isika, mbola hapiseho fitaintainana ve isika eo antrehan’ny zava-mitranga sa ho tony tsara ?

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM

Alatsinainy 15 Novambra 2021

Salamo 33. 12 – 22

Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo

Raha vao mamaky ity Salamo ity ianao dia hahatsiaro ny antom-piderana an’Andriamanitra ataon’ny mpanoratra azy. Asongadiny amin’izany ny asan’Andriamanitra izay mitondra ny olona sy izao rehetra izao. Ho anao kosa dia :

1- Mijery Andriamanitra

Asehon’ny mpanao Salamo eto fa i Jehovah dia manana fijery manokana ny olona nofidiny. Tsy Andriamanitra mipetra-potsiny any an-danitra Izy fa mitsinjo ny olony. Ary tsy misy zava-miafina aminy ny amin’izay iainan’nny olona. « Mpamantatra ny asany » hoy ny voalaza eo amin’ny and.15. Tsy misy afaka miala sy miafina eo anatrehan’Andriamanitra isika olombelona. Kanefa azo antoka ihany koa fa Andriamanitra mahita izay zava-mitranga eo amin’ny fiainantsika izao Izy: « Eo amin’ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin’ny tany ». Tsaroantsika ny fijalian’ny vahoakany tany Egypta izay nanambarany fa hitany ny fijalian’ny olony. Ary fahitany ny fahotantsika sy ny fahoriantsika io koa no nandraisany andraikitra ka nanirahany ny Zanany hamonjy antsika. Satria tsy mahajery antsika anaty fahoriana toy izao Andriamanitra.

2- Mitsinjo Andriamanitra :

Ny olombelona dia miantehitra amin’izay hery ahafahany manimba ny fahavalony. Eto ny mpanjaka no ambarany fa tsy voavoanjin’ny habetsahan’ny miaramilany. Izay manana miaramila no mihevi-tena fa manana ny hery. Fa izay zava-dehibe dia izao : Andriamanitra no hery sy fiarovana izay matahotra Azy. Ny mason’Andriamanitra dia manana fijery manokana ho an’izay matahotra Azy satria tsy mijery fotsiny fa mitsinjo, izany hoe mikarakara sy mandray andraikitra avy hatrany. Tsy very fanantenana amin’izany izay miantehitra Aminy ary ho menatra sy hangahihay ireo izay mitoky amin’ny miaramilany sy ny soavaliny.

Fanontaniana : Efa nahita olona niara-dalana tamin’i Jesoa maty antoka ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM