Talata 30 Novambra 2021

Romana 8. 18- 25

Mbola misy hatrany ny fanantenana ao amin’Andriamanitra

1- Na dia efa simban’ny fahotana aza ny voahary ankehitriny ( and.20-21)

Ravan’ny fahotana ilay hasambaran’ny voahary noharian’Andriamanitra voalohany ka dia zava-poana avokoa no niafarany. Mbola misy ihany anefa fanantenana ho an’ireo voahary ireo any aoriana any, dia voninahitra tsara tokoa. Ao amin’ilay tanàna vaovao, dia Jerosalema vaovao izany. Ry havana, izany no izorantsika ankehitriny, aza kivy fa mbola hisy farany ny maha zava-poana ny zavatra ety an-tany, any an-danitra no misy ilay tsy mety lo. Hoy ny Ohabolana 23. 18 « Raha mbola hisy koa ny farany dia tsy ho foana ny fanantenanao » .

2- Na dia mahakivy avokoa aza izay mety misy ety an-tany ( and.23-24)

Maro ireo Kristianina no mila ho kivy fa toa tsy mety mahatratra ilay fenitra tadiavina mihitsy. Feno fahoriana amin’ny endriny maro eto an-tany. Paoly anefa dia mampahery ny Kristianina fa toy ny fahorian’ny vehivavy mihetsi-jaza izany, mangirifiry saingy mbola hijanona sy araham-pifaliana ihany avy eo. Jesoa Kristy, ilay Lahimatoa amin’ireo zanak’Andriamanitra rehetra no mampahery ary manome ny Fanahy Masina mba hitondrantsika tena toy ny zanany mihitsy. Ry havana, mila manana fanantenana isika fa mbola ho avy ny tsara izay maharitra mandrakizay. Izany fanantenana izany koa anefa hoy i Paoly dia mila faharetana.

Fanontaniana :

Ananantsika fanantenana tokoa ve izao Andriamanitra ivavahantsika izao amin’ny ho avintsika rehetra ?

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM

Alatsinainy 29 Novambra 2021

LIOKA 1.46-55

Ny fisehoan’ny fahatsaran’Andriamanitra

1-Dia amin’ny alalan’ny fanandratany olona tsotra tao amin’ny tantaram-pamonjena (and48-49)

I Maria tovovavy tsotra , tsy mba anisan’ny taranak’andriana sady tsy voambara mazava ho mpanefoefo , nefa nofidin’Andriamanitra ho renin-janany , hitondra ny famonjena ho an’ny olon-drehetra . Endrey , izany hatsarany manome vidiny ny fisian’ny sokajin’olona rehetra eto an-tany .Tsy mba nisy izay notsinotsiniaviny . Raha efa nanana izay azy ireo heverina ho ambony , ireo taranaka andriana dia mba nasandrany ihany koa ny olona izay tsy dia hitan’ny fiaraha-monina loatra . Hoy ny Soratra Masina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10.34  » Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra » .

2-Amin’ny alalan’ny teny nomeny fa hamonjy ny olona rehetra tokoa Izy (and54-56)

Efa nifanao fanekena tamin’i Abrahama fa hamonjy ny olona rehetra amin’ny alalan’ny taranany. Fantatr’i Maria tsara fa ho tanteraka amin’ny alalan’ilay zaza aterany izany . Mitana ny teny nomeny ny Tompo ka manatanteraka izay nolazainy , ka dia indro fa tonga tokoa ilay famonjena . Ry havana , afaka manao fampitahana isika , saingy aoka ho tsaroantsika tsara fa tsy misy tsara noho ny Andriamanintsika , raha tsy hijery afa-tsy ireo roa voalaza ireo fotsiny isika . Tsy diso adiresy isika fa aza matahotra , afaka ny hilaminan-tsaina tsara.

Fanontaniana

Mbola mety iadian-kevitra ve ny fahatsaran’Andriamanintsika sa ekena avy hatrany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 28 Novambra 2021

SALAMO 16.7-11

Ny olona matoky an’Andriamanitra

1-Mahatsiaro fifaliana mandrakariva (and9)

Araka ny fahafantarantsika ny tantaran’i Davida dia tsy mora ny ady natrehany fa sarotra tokoa , kanefa tamin’ireny dia nahatsapa fifaliana izy ary izany no nahatonga ny fanahiny ho voainga hamorona tononkira asiana feo entina midera an’Andriamanitra . Izany tokoa ry havana ny zava-mahagaga amin’ny fiainan’ny kristiana : be ny ady atrehana nefa mahita fifaliana hatrany , ary velom-panantenana mandrakariva . Hoy ny voalazan’ny ao amin’ny Rom 14.17 : « Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy masina  »

2-Mahazo torohevitra momba ny fiainana ho avy (and 11)

Sarotra ny miaina eto an-tany , satria tsy fantatra mazava mialoha izay làlana tokony hizorana , ka raha tsy mitandrina dia mahita fahavoazana . Fa Davida kosa dia nahatsiaro fa Jehovah no nanoro Azy ny làlana izorana mitondra ho amin’ny fiainana sy fifaliana . Tsara tokoa ny matoky an’Andriamanitra fa manoro izay matoky Azy ny làlana mitondra ho amin’ny fahombiazana Izy . Hoy ny Salamo 32.8 : « Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho »

Fanontaniana :

Inona no marika ahafantarana fa tena matoky an’Andriamanitra ny olona iray ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 27 Novambra 2021

1 TESALONIANA 4.13-18

Manatenà hatrany an’i Kristy

1-Fa na dia ny fodiamandry aza dia tsy toy ny fahoriana (and13)

Nametraham-panontaniana ny kristiana tap Tesalonika ny amin’ireo kristiana maromaro nodimandry . Tamin’izany indrindra no nampianaran’i Paoly azy ireo , tamin’ny alalan’ity Epistily ity , ny fanantenana kristiana miorina amin’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty , izay hisitrahan’ny mino Azy rehetra . Tsy fahoriana ny fodiamandry amin’ny kristiana , satria tsy manambara ny faran’ny fiainana , fa mitohy any an-danitra izany . Mangirifiry ny fisarahana amana aina , saingy noho ilay fanantenana mbola hihaona am-pifaliana indray dia tsy fahoriana faratampony ny fodiamandry .

2-Fa mbola hitsena Azy isika mbola velona amin’izany (and16-17)

Rehefa tonga eny amin’ny rahon’ny lanitra i Jesoa Kristy dia ho avy amim-boninahitra lehibe tokoa , ka izay mbola velona amin’izany dia hakarina hiaraka Aminy eny amin’ny rahon’ny lanitra , hitsena Azy eny amin’ny habakabaka . Efa miomana sahady ny saintsika fa raha mbola velona amin’izany dia hitsena amim-boninahitra amin’ny fomba mahafinaritra aok’izany . Mahafinaritra ery izany . AVIA JESOA TOMPO !

Fanontaniana :

Mety azo omen-tsiny ve ireo kristiana mitomany manoloana ny fahoriana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 26 Novambra 2021

Ny fanarenan’ Andriamanitra ny firenena voafidiny

1-Dia mahakasika ny ara-nofo manontolo (and11)

Aorian’ny faharavana tanteraka nahazo ny firenena avaratra sy ny atsimo dia indro fa hanarina indray I Jehovah Andriamanitra . Ny tanàna rava dia omena endrika indray , ny vahoaka hahita fahafahampo amin’ny fitahiana avy amin’ny alalan’ny tany mahavokatra . Hoy ny voalaza ao amin’i Jeremia 31.17  » Ary misy fanantenana ho anao any am-parany , hoy i Jehovah ». Mbola toy izany koa aza ankehitriny , na dia rava ny fiainana na inona antony , dia mbola misy fiarenana ao amin’i Jesoa Kristy . Aza kivy ! indrindra ny ara-panahy sy ara-tsaina (and14)

2-Dia mahakasika indrindra ny ara-panahy sy ara-tsaina (and14)

Fahavoazana tsy ara-nofo ihany , fa indrindra ara-panahy sy ara-tsaina ihany koa ny fahababoana nanjo ny firenen’Israely tao avaratra . Arenin’i Jehovah ihany koa izany amin’ny alalan’ny fampodiana azy ireo hiverina ao amin’ny taniny ka ho tapitra hatreo ny latsa sy eso ary henatra . Rehefa mahakasika ny ara-panahy ny fahavoazana dia sarotra arenina tokoa. Ny hany tokana mahavita izany dia i Jesoa Kristy ,« Ilay làlana sy fahamarinana ary fiainana  » (Jao 14.6), mahay mamelona ny fanahy maty sy reraka. Isika ilay firenena voafidy ka ho antsika koa izany .

Fanontaniana :

Raha rava tanteraka ny fiainanao ankehitriny , mbola mino ve ianao fa mbola ho tafarina ihany izany any aoriana any ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 25 Novambra 2021

ISAIA 49.22-26

Izay miandry an’i Jehovah

1-Dia tsy ho menatra mandrakizay (and23)

Na dia mbola any Babylona aza ny Jiosy teto dia omen’i Jehovah toky ihany mba hiandry Azy . Mazava ho azy ,tsy maintsy hoe : izay maharitra miandry Azy hatramin’ny farany no tsy ho menatra . Ny hoe : « tsy menatra« dia izay mahita laza sy voninahitra , satria toy ny zanak’andriana no fomba hitondrany azy ireo araka ny hitantsika eo amin’ny andininy faha23 .Jehovah rahateo no mpanjaka , mahefa izao rehetra iza . Izy no hitondra azy ireo toy ny zanany . Asain’i Jehovah hanompo ireo zanany ny firenena Jentilisa rehetra ary tanteraka tokoa izany tamin’ny fotoana izay nanjakan’i Kyrosy mpanjaka Jentlisa izay nampamoaka lalàna ho an’ny Jiosy mba hiverina any amin’ny taniny .

2-Dia novonjeny amin’ny tànan’ny fahavalony (and 25)

Tsy nanary ireo olony ireo Jehovah Andriamanitra na dia teo aza ny ditra izay nahalasan-ko babo azy ireo . Tsy nohadinoiny ny fanekena izay nifanaovany tamin’ireo ka izay niady taminy sy nampahory azy ireo dia toy ny miady Aminy . Izy no mirotsaka miady ho an’ny vahoakany . Toy izany koa izay mitsangana ho fahavalontsika dia mitsangana ho fahavalony . Hoy ny voalaza ao amin’ny Zakaria 2.10 : » Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony  »

Fanontaniana :

Efa nahatsapa tokoa ve isika fa tsy menatra izay rehetra miandry Azy ? Efa nanana faharetana toy izany ve isika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahadin’ny KPMS 2021

Fandaharana iombonana

FIARAHABANA APOSTOLIKA : (Filip 1: 2)

 FISAORANA SY FIDERANA :

– Ataon’ny Mpitarika: APOK 22: 17, 20

– Iombonana: SALAMO 84: 4-8

– Hira 39: 1, 2, 5 Faingana ry Mpanjaka

– Vavaka fiderana sy fisaorana.

FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA :

– Fitarihan-teny: JAKOBA 5: 7

– I TIMOTY 4: 13-14a, 16

– Hira 432: 1 Mandra-piavin’ny Tompo.

– Vavaka Fifonana

– Hira: 582: 1 Ry Jesoa ô tahio izahay.

FAMELANKELOKA :

– Fitarihan-teny: JAONA 10: 10b

– SALAMO 85: 1a, 2-3, 10

– Hira 16: 3 Avia ry voavonjy ô!

– Fanekempinoana laharana fahaefatra.

ASAN’NY FIANGONANA:

– Filazandraharaha sy fanentanana samihafa.

– Famakiana ny hafatra avy amin’ny KPMS.

– Rakitra : Hira SAMPANA

– Fanolorana ny rakitra: Hira 45: 4

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA :

– Fotoana ho an’ny ankizy sy tanora.

– Hira 480: 1, 3 Mamin’ny foko.

– Vakiteny :

SAL 16 : 7-11, LIO 1 : 46- 55 , ROM 8 : 18-25.

– Hira 351 : 1 Tsy hangina re ny hoby.

TORITENY

VAVAKA FANGATAHANA faranana amin’ny

“Rainay Izay any an-danitra………………….”

ASA VAVOLOMBELONA

 Famaranana: Antema 5 Indro ny aron’ny mandanao

Tsodrano: I TESALONIANA 5: 23-24

Hafatra: MATIO 28: 19a-20b

Doxologie: APOKALYPSY 5: 13

– TRINITE

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………

TORITENY

Sal.16. 7 –  8

IREO FEPETRA MAHATSARA NY SAFIDIN’NY MINO

Raha tiana ho tsara ny fanapahankevitra eo anatrehan’ny safidy samihafa omen’ny fiainana, indrindra amin’ny zava-dehibe sy maika ary indrindra ihany koa amin’ny fotoan-tsarotra, dia tsy maintsy mahafantatra tsara ny vaovao ilaina rehetra, manana fotoana ampy tsara hieritreretana, fa ambonin’izany mila manana Mpanolontsaina mahay sy azo antoka, tsy iza izany fa Andriamanitra. Andriamanitra Ray Zanaka ary Fanahy Masina mihitsy no manolontsaina. Mijoro ho vavolombelona amin’izany eto ny Mpanao Salamo.

  1. ANDRIAMANITRA NO MPANOLOTSAINA (Conseillor) : and 7-8

« Hisaotra an’i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin’ny alina aza dia mananatra ahy ny foko. Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho. »

Andriamanitra no Mpanolontsaina, Izy koa no manome ary Izy no lova. Mipaka any amin’ny fo ny tolo-tsaina omen’Andriamanitra. Ny fo no olombelona anaty, ao amin’ny fo no misy ny fitiavana, misy ny fihetsehampo, misy hevitra mifangaroharo ary misy ny eritreritra. Miainga amin’ireo ny faharesen-dahatra sy ny fanapahan-kevitra ary ny safidy. Ny fon’ny olombelona dia sady mandray fitiavana avy amin’ny manodidina no mizara ho an’ny manodidina ihany koa. Ny endrika isehoan’ilay safidy dia ao ny fisaorana, ao ny fanolorantena, ao ny fibanjinana.

« Hisaotra an’i Jehovah izay nanome saina ahy aho….. »

Andriamanitra no tsaroana fa nanolo-tsaina (nanome saina ahy), mananatra, tsy mamela ho tafandry mandry, tsy mamela anao handeha amin’ny làlan-diso, manitsy. Anontaniana foana Izy isaky ny fanapahan-kevitra lehibe ho raisina ary Izy no Mpanolontsaina lehibe indrindra : and 8a : « Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy ».Rehefa Andriamanitra no manolo-tsaina dia misy vokany tsara eo amin’ny maha – olombelona manontolo.

2-MISY VOKANY EO AMIN’NY MAHA OLONA MANONTOLO NY TOLONTSAINA OMEN’ANDRIAMANITRA.

Rehefa raisina ao am-ponao sy ekenao ny fikasana tsara atolotr’Andriamanitra dia misy vokatra tsara eo amin’ny maha- olombelona manontolo izany. Ny singa mandrafitra ny olombelona dia ny fo, ny fanahy, ny saina, ny vatana ka eto dia tsapan’ny Mpanao Salamo avokoa amin’ny maha-olombelona azy manontolo ny sitrapon’Andriamanitra ekentsika ho fiainana (and 9) :

« Izany no ifalian’ny foko sy iravoravoan’ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy »

Tena tsapanao ny vokatry ny fanarahana ny tolo-tsaina omen’Andriamanitra ary mitondra fifaliana ho an’ny fiainanao izany. Ny fifaliana no hany fihetsehampo miabo ary ny fifaliana faratampony dia ny fifaliam-pamonjena na ny fahasambarana . Andriamanitra irery no manome an’io ao amin’i Jesoa (Deo 33 : 29): « Sambatra ianao, ry Isiraely. Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin’i Jehovah, Ampingan’ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo. ». (Mat 5 : 1-14).  Tsy ny fonao ihany no mahatsapa fifaliana fa ny fanahinao koa miravoravo. Ny nofonao tony (and 9b) « Ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy ».

Ny fanahy dia misy ifandraisany amin’ny fo ihany, ny fo fitiavana fa ny fanahy mankany amin’ny voninahitra izay fitambaran’ny fahaiza-manao tsara ateraky ny fanomezam-pahasoavana izay nomen’Andriamanitra. Tanteraka eto mihitsy ny tsodranon’Andriamanitra ao amin’ny I Tesaloniana 5 : 23-24. Ny nofo (ny vatana na ny tena) dia tsy singa hafa na mifanohitra amin’ny maha-olombelona marina araka ny Filozofia sy kolontsaina maro, anisan’izany ny Filozofia Grika ary na aty amin’ny Testamenta Vaovao aza dia mbola hita taratra eny ihany ny fampifanoherana ny nofo sy ny fanahy, fa ao amin’i Jesoa kosa dia Izy tonga nofo sady ho an’ny nofo : Gal 2 : 20 :

« Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy ». Izany no manamafy fa mipaka ao amin’ny nofo ny fivelomana amin’ny finoana. Ka eto ny Mpanao Salamo dia mahazo toky, na manoloana ny fahafatesana aza, dia manana fanantenana fa hain’Andriamanitra ny mitahiry antsika (and 10) «Fa tsy ho foinao ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny aiko , tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin’ny lavaka Ianao » Efa taratry ny finoana an’i Jesoa Ilay nitondra ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty izany. (SAL 17 : 15, ASA 2 : 29-32)

3-MIANOKA AMIN’NY FAHATANTERAHAN’NY FAHASAMBARANA. (and 11)

« Hampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay. »

Na dia fiainana mandalo aza ny fianantsika zanak’olombelona eto an-tany, rehefa mizotra amin’ny làlam-piainana na ny lalan’aina atoron’Andriamanitra ianao dia efa misantatra sahady ny voaloham-bokatry ny fiainana be dia be nentin’i Kristy ary natolony izay mino. Tanteraka ao amin’i Jesoa ity Salamo ity. Ny Mpaminany Isaia dia manambara hoe mitombo hery eny am-pandehanana (Isa 40 : 31)  ary ny Mpanao Salamo ihany koa dia nilaza hoe : « Miampy hery eny am-pandehanana izy »(Sal 84 : 7). Voky andro sy afa-po ny miaina no anazavan’ny Testamenta Taloha azy.  Tsy fiainana lava fotsiny fa tena fiainana nahafa-po, nahasambatra, izay ilay antsoina hoe : fiainana mandrakizay izay hita soritra eto ary tanteraka ao amin’i Jesoa : fiainana feno fifaliana, fiainana feno fahamasinana, fiainana feno fiadanana (Jao 14 : 6).

Raha tianao ho tsara miafara ny fiainanao dia meteza toloran’Andriamanitra, apetraho ho Mpanolontsaina anao voalohany Andriamanitra fa Izy irery ihany no tsy hamitaka anao ary miasa amin’ireo olona mahatoky manana an’i Jesoa Izy hanampiany anao. Ny maha-olombelona manontolo mihitsy no kendren’ny asam-pamonjen’Andriamanitra mitondra fifaliana maharitra sady madio . Izay ilay fahasambarana. Amen.

……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

TARATASY PASTORALY

Ampitomboina ho anareo anie ny famindrampo sy ny fiadanana ary ny fitiavana”. Amen

Misaotra an’Andriamanitra tamin’ny fombàny antsika.

Misaotra an’Andriamanitra ihany koa fa tanteraka soamantsara ny Synoda Lehibe faha XIX izay natao tany SAMBAVA ny 11 hatramin’ny 18 Aogositra 2021 teo, ary tamin’izany no mbola nanamafisan’ny Fiangonana FJKM indray ny mbola hanamafisàna ny fanohizana ity ady amin’ny SIDA ity ary koa nanindriana fa izay mety ho valanaretina rehetra miseho dia nomena ho andraikitry ny KPMS no mitarika ny Fiangonana amin’izany. Hita araka izany fa tsy mora ny asa ary koa tsy tokony ho mandrimandry manana aretina isika Fiangonana fa hanao ho vaindohan-draharaha ny fiarovana ny mpiara-belona indrindra ireo ankohonan’Andriamanitra eto amin’ny sahan’ny FJKM.

Na dia teo aza ny valanaretina COVID 19 sy ny olana maro naterak’izany dia mitohy hatrany ny fanatanterahana ny asa fijoroana vavolombelona ataon’ny Fiangonana ary isan’ny ratsa-mangaika ao anatin’zany ny KPMS/FJKM izay miezaka tokoa hanatratra ny vina eo ambany fitarihan’ny Tompo Jesoa. Tanteraka avokoa ireo fanofanana nokasaina nandritra ity taona 2021 ity tamin’ireo toeram-panomanana ho Mpitandrina . Vita soamantsara ny fanofanana ny TPM Ivato Fisintonana ny 10 sy 11 ary 12 Martsa 2021 – ny TPM Ambatonakanga : ny 12 sy 13 ary 14 Aprily 2021 – ny TPM Fianarantsoa ny 28 sy 29 Oktobra 2021-ny TPM Mandritsara ny 04 sy 05 Novambra 2021 ary namarana azy ny TPM Ambatondrazaka ny 16 sy 17 Novambra 2021.

Ny fanofanana tsy tanteraka dia ireo tao amin’ny IFRP noho ny fahateren’ny fe-potoam-pianaran’ireo Mpiomana ho Mpampianatra, ezahina hotanterahina haingana araka izay azo atao. Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa akaiky  amin’ireo fikambanana samihafa sy ny fanjakana ary manohy ny asa fitiliana, ny fandraisana an-tànana ireo marary sy ny fianakaviany; miara-miasa hatrany koa amin’ireo médecins referents (Dokoteram-panjakana miandraikitra manokana ireo PVVIH).

Isaorana manokana ireo Mpanohana ara-bola TOF sy PCUSA indrindra Rtoa ELIZABETH TURK izay manao ny ainy tsy ho zavatra, fa na dia any Amerika aza izy dia tsy mitsahatra ny manaraka akaiky ny asa tanterahina aty Madagasikara, mifandray tsy tapaka an-telefonina sy an-tsary mifankahita “Messenger” ka miezaka ny mandresy lahatra ireo mpamatsy vola mba hitohizan’ny asa tsy tapaka. Teo ihany koa ny fanohanana am-bavaka izay nataon’ny rehetra, ka na sarotra sy maro ny olana sedraina dia tantanin’ny Tompo ary omeny fanambinana sy fahombiazana hatrany ka tanteraka soamantsara ny asa. Manantitra hatrany ny fisaorana antsika mpiara-miombona antoka, mpiantsehatra, mpiara-manompo. Misaotra manokana ihany koa ny ambaratonga mpiahy dia ny Foibe FJKM na ny mpanapa-kevitra izany na ny mpanatanteraka.

Atolotray eto koa ireo Fiangonana izay nanohana ara-bola tamin’ny alalan’ny Rakitra izay anehoana fialan-tsiny sahady raha sanatria misy latsaka dia afaka manao fanamarihana mivantana aty amin’ny Biraon’ny KPMS.

Ny fanohanana ara-bola dia azo atolotra mivantana ao amin’ny Biraon’ny KPMS na arotsaka amin’ny kaonty BOA 00009 05020 1602281 0009 42  amin’ny anaran’ny KPMS/FJKM.

Manaitra antsika fa takonan’ity valanaretina vaovao Corona Virus ity ireo aretina samihafa ary anisan’izany ny tazomoka, raboka (tuberculose), peste, sns ary anisan’izany ny VIH SIDA izay samy mbola misy ary misy tena mahazo vahana aza satria hadino ny fiatrehana azy; koa samia mailo isika. Maniry antsika rehetra mba samy hanangana ny komity any amin’ny isan’ambaratonga misy antsika tsirairay avy (Synodamparitany-Fitandremana). Ny Mpitandrina rehetra moa dia efa nahazo fiofanana momba ny VIH SIDA avokoa, koa raha misy fiaraha-miasa ilaintsika dia afaka manatanteraka izany ny KPMS (fampianarana –fanofanana-fananganana ny rafitra). Afaka mifandray amin’ny mailaka kpms.fjkm@gmail.com  na ihany koa amin’ireto findat ireto 033 14 477 16 na 032 07 536 86.

Dia ho tafatoetra ny fontsika miandry ny Tompo ary mangataka aminy handavorary ny zara-fanompoantsika amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana izay tanterahintsika isam-pitandremana amin’ny Litorjia iombonana avoakan’ny Komity Foibe KPMS izay hatao ny Alahady 28 Novambra 2021.

Raha sendra misy ny fotoana mifanindry dia afaka manendry fotoana hafa hanatanterahana ny Alahady hitondrana am-bavaka ny asan’ny KPMS. Anasàna antsika ny fanarahana ny fandaharana asa vavolombelona ao amin’ny Radio Fahazavàna (88.6) isaky ny Alatsinainy fahatelo amin’ny volana amin’ny 07 ora sy 35 minitra alina.

Dia manentana antsika rehetra mba handray anjara mavitrika amin’ny hetsika ady amin’ny VIH SIDA izay fanao isan-taona manerana izao tontolo izao mandritry ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny VIH SIDA isaky ny voalohan’ny volana Desambra. Ary indrindra koa hanao ho zava-dehibe ny fanajàna ny fihetsika rehetra hisorohana ny fiparitahan’ny tsimokaretina COVID 19. Dia samy hitrotro am-bavaka isika ny Komity Foibe KPMS/FJKM izay hatao any Tsiroanomandidy ny 08 sy 09 ary 10 Desambra 2021 ho avy izao raha sitrapon’Andriamanitra.

Andriamanitra Raintsika anie hitahy antsika sy hiaro antsika, hampamirapiratra ny tavany amintsika ka hamindra fo amintsika, hanandratra ny tavany amintsika ka hanome antsika ny fiadanana ao amin’I Jesoa Kristy Tompontsika.

Ny KPMS/FJKM dia mirary Krismasy sambatra 2021 sy Taombaovao 2022 hahatonga antsika hino ny fifaliana ao amin’ny Tompo.

Amin’ny anaran’ny Komitim-pirenena miady amin’ny VIH SIDA sy ny Tsimokaretina samihafa.

Ny Filoha

Atoa RAZAFIMAHATRATRA Jean William, Mpitandrina

…………….………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

RAKITRA SY ADIDY 2020

IREO FIANGONANA  NANAO  RAKITRA ALAHADY  KPMS 22 NOVAMBRA 2020

SPFITANDREMANAMARIBOLA (Ar)
1SPAA12FJKM Ziona Fanantenana Ahi/tsinanana20.300
2SPAA12FJKM AMBATOROKA66.500
3SPAA10FJKM AMBALAVAO ISOTRY82.100
4SPAA10FJKM ANKADINDRAVOLA30.000
8SPAA10FJKM SALEMA VAOVAO30.000
6SPAA10FJKM AMBOHIDROA48.600
7SP35FJKM Ziona Fahazavàna Sahilaza16.300
8SPAA10FJKM AMBAVAHADITOKANA59.820
9SPAA12FJKM AMBOHIMIANDRA126.800
10SPIA19FJKM AMBATONAKANGA100.000
11SPAA11FJKM AMBATOLOKANGA FIRAISANA6.100
12SPAIM15FJKM AMPANGABE FAMONJENA25.800
13SPIA19FJKM ANTANIMENA ANDREFANA100.000
14SP38FJKM MANJAKATOMPO9.300
15SPIA19FJKM AMBOHITRINIMANGA20.000
16SP03FJKM AMBOHITRARIVO23.800
17SPFJKM ANKIRIHIRY50.000
18SP13FJKM Ziona Famonjena Imerintsiatosika212.700
19SPAA12FJKM ANONIMASINA ZIONA69.600
20SPAA10FJKM AMBOHIJATOVO FITIAVANA50.000
21SP01FJKM ANTANIMARINA FIDERANA11.800
22SPAA12FJKM ANTSAHAMAINA31.600
23SP27FJKM AMBOHIMIRARY6.000
24SP27FJKM ANKOTRABE3.800
25SP26FJKM AMBODIADABO5.000
26SP27FJKM SANGANORO FANANTENANA16.100
27SPAA11FJKM VONTOVORONA FANANTENANA62.600
28SPAA12FJKM TRANOVATO FARAVOHITRA666.000
    

Alarobia 24 Novambra 2021

KOLOSIANA 1.21-23

Mila manana fanantenana isika

1-Satria efa vita ny fampihavanana antsika amin’Andriamanitra (and21-22)

Taloha isika dia vahiny sady fahavalon’ Andriamanitra Ray noho ny otantsika . Fa ankehitriny kosa dia efa mpihavana Aminy noho ny fahafatesan’i Jesoa Kristy zanany . Toy ny mahazo taratasy fanadiovana ny fanamarinana ny heloka natao na ny « casier judiciaire » isika , na nanao ratsy aza , rehefa mahazo famelankeloka amin’ny alalan’ny zanany , ary manjary sakaizan’Andriamanitra . Noho izany dia manàna fanantenana ny ho voavonjy . Hoy ny voasoratra ao amin’ny Kolosiana 1.20 : « sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra Aminy , ka dia ny Rany teo amin’ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanany ».

2-Noho izany , aza mety hozongozonina amin’ny finoana (and23)

Rehefa manara-dia an’i Jesoa iny isika dia misy hevitra maro tonga ao an-tsaina hitaona antsika mba hiova , mba hivadika amin’ny finoana ary toa tsy manantena famonjena intsony aza ka handeha hifindra atsy sy aroa. Tandremo ! tomoera tsara fa betsaka ny mpanadala saina ankehitriny . Hoy ny Soratra Masina hoe :  » Tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao » (Apo 3.11)

Fanontaniana :

Raha izao isika no alain’Andriamanitra , mahazo antoka ve fa mandray ny famonjena?

Sampan Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 23 Novambra 2021

Lioka 21. 20 – 28

Mila mampitony ny fontsika mandrakariva isika

  1. Satria eo am-pelatanan’ny Tompontsika izay zava-mitranga rehetra (and 24)

Maminany izay zavatra mbola hitranga amin’I Jerosalema I Jesoa teto. Tanteraka tokoa izany tamin’ny taona 70 taorian’I Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fanjakana Romana, izay namotika an’I Jerosalema. Voafetra ihany anefa izany fanjakazakan’ny Jentilisa tamin’ny vahoakan’Andriamanitra izany , satria Izy no mitantana ny fiainan’izao tontolo izao. Na dia manampatra fahefana aza satana dia tsy izy no mibaiko izao tontolo izao fa Andriamanitra Tompontsika. Manjazaka fotsiny I Satana.

Na dia mahatsiaro mijaly aza isika satria anjakazakan’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra dia aza manary toky, fa mbola ho faranan’Andriamantra io satria manana fahefana hanao izany Izy. Mety mbola alina fotsiny ny andro fa mbola ho avy ny maraina . Hoy ny Ohabolana 13 . 18 hoe :” Raha mbola hisy koa ny farany dia tsy ho foana ny fanantenanao”

2-Amin’izay zavatra ho avy amin’ny fiavian’I Jesoa Kristy indray (and 25 – 28)

Eto indray I Jesoa dia maminany izay hitranga amin’ny fotoana hiverenany indray. Mahatsiravina tokoa izay hitranga amin’izany , kanefa aza matahotra fa fifaliana ho antsika olon’I Kristy izany, satria fotoana hamaranana ny herin’ny ratsy sy fotoanan’ny fanavotana antsika. Avelao ny tsy matahotra Azy no hivadi-po, fa isika aoka hanantena amin’ny fo sy saina tony fa andro tsy ratsy amintsika Kristianina izany. Izao dia manomboka manamboatra saina amin’izany isika mba tsy ho tampoka satria tsy maintsy hisy izany.

Fanontaniana :

Raha matahotra ny zavatra hitranga amin’izany isika dia sahy hangataka ve hoe : enga anie ka tsy ho avy ny andro farany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Toetrandro miovaova

Miha- tsy marin-toerana hatrany

Araka izay iainantsika ankehitriny dia toa miha- tsy mari-toerana ny toetrandro eto Madagasikara. Mikorontana mihitsy aza izany . Manamarina izany ny toetrandro miseho amin’ny vanimpotoana tsy tokony hisehoany , toy ny hoe : amin’ny andro tokony ho main-tany mbola ahitana hatsiaka mamirifiry tampoka sy ny hoe amin’ny ririnina ahitana oram-be toy ny oram-pahavaratra. Mbola azo iainana tsara ihany anefa ny hafanana sy ny hatsiaka na dia somary manahirana kely ihany aza. Ny rivo-doza dia mbola antenaina hisy ihany amin’ny fotoana tokony hisy azy. Io indrindra no   ho resahantsika eto.

Noho ny tsy fahampian-drano amin’ny faritra maro eto Madagasikara, tsy maharaka ny filàn’ny mponina ny rano misy ankehitriny. Andrasana sy antenaina fatratra ny oram-be mivatravatra ary toa zary hitondra soa ho an’ny faritra sasany ny fisian’ny rivo-doza noho ny orana ho entiny. Dieny izao fotoana izao anefa dia mila miomana ny amin’ny rivotra entiny. Araka ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetrandro dia hisy rivodoza 2 hatramin’ny 5 eo ho eo handalo eto Madagasikara ary ny iray amin’ireo ihany no tena hahery. Tsy dia hatahorana izany ny fiantraikany raha toa ka izao sahady isika dia efa miomana. Mialohan’ ny hahatongavana amin’izany anefa dia tsara ihany ny manentana antsika hatrany, indrindra isika Kristiana ny amin’ny fiarovana sy ny tsy hanimbana ny tontolo iainana.

Ryja kely.