Sabotsy 30 Novambra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 46.18-47.7

1-Hanafaka ny Israely voababo ny Tompo

Tsy afa- mandositra ny fitsaran’ny Tompo i Egypta. Inona anefa no antony nanaovany izany ? Na lasa babo noho ny tsy fanarahany ny Tenin’ Andriamanitra aza ny Israely dia mbola namindrany fo ihany . Taorian’ny fahalavoan’i Jerosalema (Jer 34-45), dia manomboka mamaly ireo namabo ny Israely ny Tompo ; ary dia manomboka miseho lany ny fanantenana hanarenan’ny Tompo azy (and27,28).

2-Mitohy miteny amin’ny firenena Filistina Izy

Mampivarahontsana ny teny nampitondraina an’i Jeremia ho an’ny firenena Filistina. Tsy hay tohaina ny fitsaran’Andriamanitra TOMPO (and4). Fa tsy efa voasoratra ve ny hoe: »Ho to ny fikasako , ary efaiko ny sitrapoko rehetra » (Isa 46.10). Amin’ny fomba mihaingohaingo no nanambaran’i Jeremia ny ady ataon’ny Tompo amin’ny Filistina. Iraka tsy maintsy efaina hatramin’ny farany ny fandevonana ny fahavalon’Israely. Tsy misy na inona na inona azony atao hanoherana izany. Ny fahafatesana no manao sambobelona ny zanak’ Andriamanitra ary izy no fahavalo farany horesena (1 Kor 15.26) . Efa resin’i Jesoa Kristy tamin’ny nitsanganany avy tamin’ny maty anefa izany .

« Raiso ny Tenin’Andriamanitra » Boky faha-6

Zoma 29 Novambra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 46.1-17

Rehefa avy nanome teny ho an’i Baroka ny Tompo dia nitodika niteny tamin’ny firenena Jentilisa kosa manomboka eto :

1-Natombony tamin’i Egypta

Nirehareha sy niavona tsy nisy toy izany i Egypta noho ny tanjany ara-toe-karena sy ara-tafika (and3-4,14). Nihazakazaka nitady vonjy tamin’izy ireo Israely . Mainka moa fa nisy ireo firenena manodidina niara-dia taminy (Etiopia , Lybia;Lydia…and9) . Saingy , nitsangana hamaly ny fampahoriana ny vahoakany ny Tompo . Nasehony fa « voaomaba ho amin’ny andro iadiana ny soavaly fa an’ny Tompo ihany ny famobjena  » Oha 21.31

2-Nampiasainy i Babylona

Tompo masi-mandidy amin’ny ataony ny Tompo , satria mafy fo i Joda . Nikiry tamin’ny fanompoan-tsampy dia nofaiziny . Nampahory ny firenen’i Joda i Egypta dia nohelohiny ihany koa tamin’ny alalan’i Nebokadnezara , mpanjakan’i Babylona (and13). Fiasana fotsiny ihany i Nebokadnezara , fa an’ny Tompo mihitsy ny ady . Nody ny sain’Israely ka nahita fa tsy misy mahajanaona eo anatrehan’ny herin’ny Tompo(and17) . Tsaroana eto indray fa an’ny Tompo Andriamanitra ny ady ary Izy mihitsy no mitsangana « ho afahavalon’ny fahavalontsika  » Eks 23.22, raha mihaino sy mankato isika .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Alakamisy 28 Novambra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 44.24-30/45.1-5

Teny hentitra tsy misy vazivazy ireto:

1-Indro …hahatonga loza fa tsy soa (44.27)

Miantefa amin’ireo mafy sofina sy tia mifamaly amin’ Andriamanitra izany. Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy , fa fandringanana no anjarany . Ho an’ny mankato kosa dia hoy i Jehovah : »Izaho, mahalala ny hevitra iheverako anareo, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza » (Jer 29.11).

2-Izay ho to teny na ho Izaho na ho izy(44.28)

Mampalahelo ity fahasaham-poana ananan’ireto mponina ireto izay sahy mifaninana amin’ Andriamanitra . Tsy fantany ve fa rehefa miteny Andriamanitra dia tsy maintsy tanteraka izany , na soa ambarany na ratsy? Diniho ny Isa 55.11.

3-Hataoko velona aina ianao (45.5 DIEM):

Teny natao ho an’i Baroka , mpitantsoratr’i Jeremia izany . Nalahelo izy satria dia filazana loza hatrany no asaina soratany . Nanome toky azy kosa i Jehovah fa hamelona azy , na aiza mbola hanaovany ny asa fanompoana . Toky ho antsika ihany , fa hoy i Jesoa : »Fiadanana no avelako ho anareo …Aza malahelo na matahotra ny fonareo » (Jao 14.27).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Alarobia 27 Novambra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 44.11-23

Mihahenjana ny tady eo amin’i Jeremia sy ny vahoaka ka:

1-Manantitrantitra ny fiavian’ny loza ho an’ireo izay nankany Egypta i Jeremia :

Tena hanandrina an’ireto vahoaka mafy hatoka ireto mihitsy Andriamanitra . Ataony mahazo azy ireo ny fahapotehana noho izao hamafisam-pony izao. Rehefa tsy mety maka leona amin’ny zava-drehetra niseho izy , dia ny zava-mihatra aminy no hanajry ho lesona ho an’izay mitazana . Aoka ho fantatsika fa « Andriamanitra tsy azo vazivaziana , fa izay afafin’ny olona no hojinjany « (Gal 6.7).

2-Manamavo tanteraka ny faminanian’i Jeremia ny vahoaka

Miseho ny tena hamafisam-pon’ireto vahoaka nikiribiby nankany Egypta ireto . Tena nohamavoiny ho teny tsy manan-danja ny tenin’i Jeremia nampitondrain’i Jehovah ho azy ireo . Vao mainka aza mampirehareha azy ireo fa tena hahazoana fitahiana ny fanompoantsampy. Toa mitovy fisainana amin’ny Malagasy izy ireo , izay mihevitra fa ny razana no mitondra fitahiana fa tsy Andriamanitra . Diniho ny tenin’i Jehovah hoe: « Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranomboaloboka sy ny diloilo , sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany , izay nolaniny ho an’i Bala  » (Hosea 2.10).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Talata 26 Novambra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 44.1-10

Mahatezitra an’ i Jehovah ireto vahoaka sisa satria:

Efa nandre ny faminaniana ny amin’ny fiavian’ny loza ireto Israely nandeha nitsoaka any Egypta ireto. Efa natrehany ny fandravana an’i Jerosalema sy ny fahababoan’ny namany , saingy tsy mety mino mihitsy izy ireo . Mitovy amin’ny olona tamin’ny andron’i Jesoa izay nahavita nanao rarivato mahafinaritra ny fasan’ny mpaminany , saingy tsy mino ny fanambarany . Aoka mba tsy ho ianao izany !

2-Tsy mahafoy ny fitiavan-tsampy

Tsy nitsahatra nanamafy ny mpaminany nifandimby fa ny fanompoan-tsampy no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra nihatra taminy. Kinanjo , na dia tonga any Egypta tany fandosirany aza izy ireo dia mbola manohy izany fanompoan-tsampy izany . Aza adinoina fa ny fanompoa-tsampy no fady indrindra (1 Pet 4.3).

3-Tsy mbola torotoro fo :

Tsy ny fahaizana tsianjery no tena tanjona tamin’ny nanomezana ny lalàna , dfa ny hahatonga ny olona hiaina izany . Mila miteraka fanenenana tanteraka ho an’izay nandika azy Andriamanitra . Tsy hita mihitsy amin’ireto olona ireto izany . Mila manenina amin’ny nataony izy . Tsarovy fa ny fo torotoro sy mangorakoraka tsy mba ataon’Andriamanitra tsinotsinona (Sal 51.17).

FJKM Antseranana Fahazavana (SP 18)

Tantaran’ny Fiangonana

            Ao anatin’ny SP Faritany Voalohany Antseranana ( ny Prezida Synodaly dia Pasteur RABEVITA Saina) no misy ny FJKM Antseranana Fahazavana. Miorina eto amin’ny Fokontany AVENIR, Rue Francois de Mahy, Diego. Isan’ny trano Fiangonana voalohany taty Antsiranana izy ary misy fifandraisany lehibe amin’ny tantaran’ny fahatongavan’ny misionera taty amin’ny faritra avaratra. Tamin’ny 1886 no niorina voalohany taty avaratra tao AMBAVAHIBE Distrikan’ny Diego II ny Fiangonana LMS. Nifanindrana tamin’io daty io, 1886, ny kominiona voalohany tao amin’ny Katolika teto Antsiranana ka niteraka tsy fifankazahoana teo amin’ny samy kristianina.

Ireo Missionary tao amin’ny Fiangonana Ambavahibe no nanorina ny Fiangonana Protestanta tamin’ny taona 1912 nanaovana ny vato fototra, ny taona 1913 ny fanokanana. Niray tamin’ny MPF izy tamin’izany, izay lasa FJKM tamin’ny 1968. Pasteur RAKOTOZAFY no nanome ny anarana hoe FJKM ANTSERANANA. Ny Antseranana dia midika toeran’ny serasera, izany hoe ny Fiangonana FJKM ANTSERANANA dia ifamezivezen’ny olona maro. Fa ny hoe ANTSIRANANA tanàna indray kosa dia ilay tsy fitovian’olona mifamezivezy teto Diego. Pasteur RANDRIANARSON Gilbert no nanova ny anarana hoe FJKM ANTSERANANA FAHAZAVANA.

Nanana Sekoly Misionera izy tany aloha, izay niorina teo akaikin’ny trano Fiangonana, ary isan’ireo Missionera nampianatra tao Andriamatoa ALBERT  Zakariasy talohan’ny naha Mpitandrina azy. Marihina fa anisan’ireo mpianatra tamin’izany fotoana izany i Pasteur SOLOHERY Paul. Ampiasain’ny SAF nanaovana dispansera ISALAMA izy ankehitriny satria efa nahavita Sekoly FJKM Taninketsa.

Ny taona 1957 no nananganana komity hanorina Sekoly Taninketsa sy hanorina trano Fiangonana vaovao teny TANAMBAO. Pasteur RAKOTOSON no nanao ny vato fehizoro. Ny taona 1963 no nanokafana azy tamin’ny andron’i DAODO avy any Amerika nitondra fanasitranana ary nitoby tato ANTSERANANA ka tsy tandry ny FIANGONANA ka nosokafana ny Tanambao. Ny taona 1964 no nahazo Mpitandrina Pasteur SAMUEL Fanony ny FJKM Tanambao. Mbola ny FJKM Antseranana ihany no nanao ny Kilasy mandry ao amin’ny Sekoly FJKM Taniketsa.

Ireo Mpitandrina nifandimby :

  • RASAMOELINA (1913-1925)
  • RANDRIAMARO (1925-1930)
  • RAZAFINDRAMBAO (1930-1947)
  • RABEMANAHAKA Jean Williberton (1947-1952)
  • RABENANDRASANA Gilbert (1952-1953)
  • RAKOTOSON (1953-1959)
  • RAKOTOZAFY (1959-1995)
  • RANDRIANARISON Gilbert (1995-2003)
  • ANDRIANAIVO Maminjaka Lalaina (2003-2016)
  • ANDRIAFARANTAFIKA Raobiarizafy (2016-        )

Rehefa misy fihaonambe aty Antsiranana, amin’ny ankapobeny, dia eto amin’ny FJKM Antseranana Fahazavana no mandray azy.

Manana tany mirefy eo amin’ny 39ha izy ary 11ha amin’izany no tanimbary. Tamin’ny andron’ny Pasteur RAKOTOZAFY no nahazoana izany tany izany.

Tamin’ny andron’ny Pasteur ANDRIANAIVO Maminjaka Lalaina dia lasa Fiangonana Mpanampy voalohany izy. Ankehitriny dia miahy toerana 3 izy hanaovana Tafika Masina sady hanorenana trano fiangonana : SAHARENANA (andalam-panaovana), MANGAOKA (eo am-pikasana), AMPASINDAVA (efa misy vonjimaika). Mampiasa ny Radio Aina Fahazavana FM 103.

Tany Antseranana no nandray ny Recyclage Pastoral sy ny fanokafana ny faha-50 taona ny FJKM ary faha 200 taonan’ny nidiran’ny Filazantsara teto Madagasikara. Mirary ny fahatongavanareo maro aty Antseranana (eo ho eo amin’ny 1100km miala ao Antananarivo).

Alatsinainy 25 Novambra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 43.1-13

Izao no azo hisokajiana ireto Joda sisa tsy babo ireto :

1-Vahoaka maka fanahy an’ Andriamanitra .

Voalaza eo amin’ny 42.6 fa na soa na ho ratsy dia hanaiky ny sitrapon’ Andriamanitra ireto vahoaka ireto . Tsy izany anefa no niseho , fa rehefa nambara taminy fa ny mijanona eo amin’ny taniny no sitrapon’ Andriamanitra hahavelona azy ireo , dia fandavana no nasetrin’izy ireo an’i Jeremia . Ity farany indray aza no ampangainy fa mpandainga sy mitady izay hahababo azy any Babylona . Marina ny faminanian’i Isaia hoe: »Iza no nino ny teny nampitondraina anay? » (Isa 53.1).

2-Vahoaka mitady loza:

Ny ho afaka amin’ny famaboan’i Nebokadnezara no antony handosiran’ireto sisa mopla tsy babo tamin’i Joda ireto any Egypta . Nanaraka azy hatrany Egypta i Jeremia , ary dia nanohy ny faminaniany , fa tsy ho ela dia ho lasan-ko babo ihany koa i Egypta , ka horavan’ny Babyloniana . Ho diso fanantenana noho izany ireto vahoaka tsy nino ny faminaniana ireo . Mila manaiky hatrany isika fa ny fihevitsika dia tsy fihevitr’ Andriamanitra ary ny làlantsika tsy mba làlany (Isa 55.8-9)

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Alahady 24 Novambra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 42.7-22

Na dia dodona mafy aza ireto vahoaka mitebiteby ny hahazo valiny avy amin’ Andriamanitra dia naharitra folo andro vao namaly i Jehovah . Nambarany fa:

1-Manenina ny amin’ny loza i Jehovah :

Aseho hatrany izany rehefa tonga amin’ny fanenenana amin’ny fahotana ny olona . Tsy misetrasetra fotsiny anefa Izy fa vonona indrindra ny hanoro izay làlana tsara sy ety ho an’ny olony . Mahalala ny ho avy Izy ka mahafantatra fa mahatsara ny mponina sisia ny mijanona eo aminn’y taniny . Fibebahana , fihainoana , fankatoavana: zava-dehibe hatrany eo amin’ny fiainan’ny olon’ Andriamanitra ireo .

2-Mahalala ny loza miandry izay tsy mihaino ny teniny koa Andriamanitra.

Ny handositra any Egypta ihany no mahamaika ny olona , satria io no firenena matanjaka heveriny fa afaka miaro azy . Ambaran’ Andriamanitra anefa fa ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana any izy ireo raha minia mandeha amin’izany . Moa tsy toy izany koa va no ananaran’ Andriamanitra antsika , fa miy ny helo feno fijaliana maharitra mandrakizay ho an’izay minia tsy mandray ny famonjena atolony amin’ny alalan’i Jesoa Kristy (Mat 25.41).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Sabotsy 23 Novambra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 41.11-18/42.1-6

Eo amin’ny fiainanan’y olona dia:

1-Mahafaly harany no mahia mpamonjy

Ren’i Johanana sy ny mpifehy miaramila ny nitondran’i Ismaela ny olona ho babo . Namory ny olona azony novoriana izy mba hamonjy ireo olona ireo . Faly ireo olona ireo nahita fa tonga ny mpamonjy azy , ary dia nanatona ireo ny babo . Nangeja anao koa i satana , saingy soa « fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very » (Lio 19.10) . Hafatra ho an’ny mila vonjy : »manatona an’ Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy » (Jak 4.8a) .

2-Tsaroana i Jehovah rehefa tojo zava-tsarotra :

Very hevitra ny vahoaka manoloana ny zava- mitranga . Matahotra mafy ny Babyloniana izy ireo , izay mety ho tezitra noho ny nahafatesan’ilay napetrany hifehy ny tany. i Jeremia no nohatonin’izy ireo sy iangaviany mba hanontany an’ Andriamanitra ny amin’izay tokony hataony . « mba hambaran’i Jehovah Andriamanintrao anay izay làlana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay  » (42.3). Ary nolazainy fa na ho soa na ho ratsy izany dia vonona ny hanatanteraka izy. Fanao tsara ho antsika izany mba hahombiazana amin’izay hatao (Isa 30.21/Sal 37.5/Oha 16.3).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Zoma 22 Novambra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 40.11-16/ 41.1-10

Marina mandrakariva ireto fomba ireto:

1-Mahery tsy maody , tsy ela velona :

Izany no azo ilazana an’i Gedalia . Efa nambara taminy fa mikendry ny hamono azy i Ismaela , saingy tsy nety nino izy . Mody namana i Ismaela , ary niray latabatra tamin’i Gedalia mihitsy , hanatanterahany ny teti-dratsiny ka namonoany azy . Toy izany i Jodasy , izay teo amin ‘ny fotoana fisakafoana farany niarahan’i Jesoa taminy no namadihany ny Tompo . Mila mailo isika , ary tsy amin’ny ara-nofo ihany fa amin’ny ara-panahy koa. Hoy ny teny :« Aza mino ny fanahy rehetra , fa izahao toetra ny fanahy na avy amin’ Andriamanitra ireny … »(1 Jao 4.1).

2-Ny olona jamban’ny harena .

Ny tanjon’i Ismaela amin’izao fambaboana sy famonoana olona izao dia ny mba hahazoany babo entiny hanompo azy . Ao koa ny fanangonana ny harenan’izy ireo . Manamarina izany indrindra ny famelany ireo folo lahy milaza fa mana-tahiry any an-tsaha . Novelominy indray ireo hanoro azy ny misy izany (41.8). « Izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena  » (Mpitoriteny 5.9b), « fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra » (1 Tim 6.10a).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6