Talata 26 Novambra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 44.1-10

Mahatezitra an’ i Jehovah ireto vahoaka sisa satria:

Efa nandre ny faminaniana ny amin’ny fiavian’ny loza ireto Israely nandeha nitsoaka any Egypta ireto. Efa natrehany ny fandravana an’i Jerosalema sy ny fahababoan’ny namany , saingy tsy mety mino mihitsy izy ireo . Mitovy amin’ny olona tamin’ny andron’i Jesoa izay nahavita nanao rarivato mahafinaritra ny fasan’ny mpaminany , saingy tsy mino ny fanambarany . Aoka mba tsy ho ianao izany !

2-Tsy mahafoy ny fitiavan-tsampy

Tsy nitsahatra nanamafy ny mpaminany nifandimby fa ny fanompoan-tsampy no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra nihatra taminy. Kinanjo , na dia tonga any Egypta tany fandosirany aza izy ireo dia mbola manohy izany fanompoan-tsampy izany . Aza adinoina fa ny fanompoa-tsampy no fady indrindra (1 Pet 4.3).

3-Tsy mbola torotoro fo :

Tsy ny fahaizana tsianjery no tena tanjona tamin’ny nanomezana ny lalĂ na , dfa ny hahatonga ny olona hiaina izany . Mila miteraka fanenenana tanteraka ho an’izay nandika azy Andriamanitra . Tsy hita mihitsy amin’ireto olona ireto izany . Mila manenina amin’ny nataony izy . Tsarovy fa ny fo torotoro sy mangorakoraka tsy mba ataon’Andriamanitra tsinotsinona (Sal 51.17).

Perikopa

Desambra: Iaino ny fiadanan'ny Tompo

| | 15. Advento III
2 Tant 14.1-6 / Lio 10.1-7 / Rom 14.19-23

| | 22. Advento IV
Mal 2.5,6/Lio 1.26-38/Rom 15.7-13

| | 29. Alahadin'ny Fiantsoana ,SEFALA
Isa 2.1-4/Lio 2.8-14/Efes 2.14-18