Alakamisy 13 Jiona 2019.

Fandalinana ny ASAN’APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 16.16-40

Fanontaniana 3 no ndeha hosainintsika eto :

1-Hay ny fanahy maloto mahalala ny marina ?

Ahoana  izany ? Izany no hitantsika eto , ilay fanahy maloto tao amin’ilay zazavavy no mampiteny azy hoe : « ireo lehilahy  ireo  dia mpanompon’ Andriamanitra avo indrindra , izay  manoro  anareo ny làlam-pamonjena »  (and17). Marina ny zavatra nolazainy . Fa isika olombelona indray no jamba eo anoloan’ny fahamarinana mahavonjy .

2-Hay azo atao ny ho faly  raha mijaly ?

Natao  tao an-tranomaizina  anatiny indrindra , rehefa avy nokapohina mafy dia mafy (and 23). I Paoly sy i Silasy  sady «ny tongony  nobolokoiny mafy tamin’ny boloky hazo» (and24) . Moa tsy fara-fijaliana izany ? Saingy  , moa nimonomonona  na nitaraindraina izy roalahy ? Tsia ! « Ary nony mamatonalina  dia nivavaka sy hira fiderana an’ Andriamanitra i Paoly sy i Silasy » (and25). Ny mpino ihany no mahay izany .

3-Hay hain’ Andriamanitra tokoa ny mampiasa ny zavatra rehetra hanjary  fitahiana ? 

Ny  tranomaizina nidiran-dry i Paoly dia nampodian’ny Tompo ho polipitra fitoriana ny famonjena .31 « Dia hoy izy roalahy : minoa an’i Jesoa Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao » . Dia nino tokoa ilay  mpiandry tranomaizina dia voavonjy  izy mianakavy .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV