Alarobia 01 Mey 2024

Asan’ny Apostoly 2. 1-4

Ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Tanteraka teto ny fampanantenan’i Jesoa ny mpianany momba ny fanomezana ny Fanahy Masina araka izay efa nambarany:

1- Teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… (and.1)

Tamin’ny andro Pentekosta no nisehoan’ny tantara. Niara-niangona teo amin’ny toerana iray ireo Apostoly mbamin’ireo mpanara-dia azy. Tsy kisendrasendra akory izany, satria entina hanambarana amintsika fa nisy fiombonana teo amin’izy ireo; ary tao anatin’izany fiombonana masina izany no nampaherezan’ny Tompo azy ireo, ka nanomezany ny Fanahy Masina. Niarahan’ny rehetra nahita sy nahatsapa ny fahagagana sy ny zavatra niseho teo amin’izany toerana niombonana izany (and.2,3).

2-…Nahahenika azy rehetra. (and.4a)

Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny Fanahy Masina, ary tsy nisy diso anjara tamin’izany ny Apostoly mbamin’ireo mpianatra izay niaraka niangona taminy. Izy ireo rahateo dia efa nahazo hafatra sy fampanantenana momba izany, ka niandry fatratra. Ny olona feno ny Fanahy Masina no afaka hijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy. Izany no maha-zava-dehibe ny asan’ny Fanahy Masina eo anivon’ny Fiangonana.

3- Nampiteny tamin’ny fiteny maro samy hafa. (and 4b)

Olona maro samy araka ny fiteniny avy no tonga marobe tao Jerosalema tamin’io fotoana io. Talanjona izy ireo noho ny nandrenesany ireo Apostoly mitory ny Filazantsara amin’ny fiteniny avy, araka izay nampitenenan’ny Fanahy. Izany no asan’ny Fanahy Masina mampahery ny mino.

Fanontaniana:

Ahoana ny hevitrao mikasika ny olona miteny amin’ny « teny tsy fantatra »?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

Jona: MIARO NY OLONY NY TOMPO

| | 02. Ala. I man. Trinite
Salamo 44. 1–8 | Matio 12. 1–8 | 2Timoty 4. 16–18

| | 09. Ala. Il man. Trinite – SEKOLY FJKM
Ohabolana 22. 17–23 | Jaona 6. 34–40 | Efesiana 4. 11–16

| | 16. Ala. Ill man. Trinite
1Samoela 7. 2–14 | Marka 4. 35–41 | Asan'ny Apostoly 18.5–11

FJKM Fahazavana

FJKM ANTANAMBAO FAHAZAVANA AMBOHIMANGAKELY (SPAA12)