Zoma, faha 11 Jolay 2025
(Sal 95. 1-5 / Hira 36 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 39 1, 2, 4)
Isaia 45. 1-7
Andriamanitra mifidy ny Jentilisa
1- Ho famonjena ny vahoakany
«Noho ny amin’i Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko no niantsoako anao tamin’ny anaranao… » (and. 4)
Babo tany Babylona ny Jiosy. Nahatsiaro nalahelo satria nihevi-tena ho nafoin Andriamanitra. Mba hahafahana mamonjy azy ireo, dia nifidy an’i Kyrosy, mpanjaka jentilisa Izy hanafaka azy ireo amin’ny tanan’ny Babyloniana. Araka izany, mifidy olona tsy mino, jentilisa Andriamanitra mba hahazoany mamonjy ny vahoaka nofidiny. Ampaiasain Andriamanitra ny olona tsy mahalala ny anarany akory mba hahazoany manavotra ny olom-boafidiny. Ka amin’ny olana sy ny alahelo mahazo anao, Andriamanitra maniraka olona hamonjy antsika noho ny fitiavany ao amin’i Jesoa Kristy.
2- Ho fampahafantarana ny Anarany
«Mba hahafantarana hatrany (…) fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa, » (And. 6)
Nifidy an’i Kyrosy, mpanjaka jentilisa, Andriamanitra mba hanafaka ny Jiosy tany am-pahababoana. Izany no nataony mba hanehoana amin’izao tontolo izao fa manana ny fahefana rehetra Andriamanitra. Ka na ny olona tsy mino aza dia ampiasainy hanatanteraka ny sitrapony. Noho izany, tsarovy hatrany fa an’Andriamanitra ny fahefana ka ampiasainy ny zavaboariny rehetra ho tombontsoan’ny olom-boafidiny. Izany ilay fahefana nomena an’i Jesoa. Ary ny fisian’ny tsy mino manao ny asan’Andriamanitra dia fampahafantarana sy fanomezam-boninahitra ny anaran’i Jesoa Kristy any amin’ny jentilisa.
Fanontaniana :
Tanisao ireo famonjena efa nataon’ny jentilisa taminao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe