Tantaran’Anosy Avaratra sy ny FJKM

TANTARAN’ny FIRENENA sy ny FIANGONANA

Anosy Avaratra dia kaominina iray eto Antananarivo Avaradrano. 12km avy ao Antananarivo no misy azy raha ny lalam-pirenena fahatelo (RN3) mianavaratra ary amoron’izany lalam-pirenena izany ; 7km atsimon’Ambohimanga vohitr’Andrianampoinimerina. 25OO eo ho eo ny mponina ao, mpamboly ny ankamaroany. Misy sekoly fanabeazana fototra iray an’ny fanjakana ary iray an’ny Katolika. Misy fitaizana zaza kamboty, sekolin-jaza, trano fiangonana (FJKM, Katolika, Jesosy Mamonjy, FPVM), orin’asa afaka Haba (Festival), mpivarotra maromaro ary hopitaly lehibe iray sy Centre médical iray. Efa tonga ao an-tanàna ny herin’aratra sy ranon’ny JIRAMA ary be ny taxi-be mandalo ao ka tsy dia mananosarotra ny fivezivezena. Tanàna kely, tambanivohitra, Anosy Avaratra fa manana ny lazany teo amin’ny tantara. Raha ny tantara nosoratan-dRaombana no vakiana dia Anosimiarinimerina no anarany fahiny ary menakelin-dRafondrazaka, zanaky ny Mpanjakan’Avaradrano fahiny, dia Andriantsimitoviaminandriana, io tanàna io. Raha ny « firaketana ny Fiteny sy ny Zavatra Malagasy » indray dia Anosinimerina no nafohezina ho Anosy. Mpifehy tafika nanankery tamin’ny Tsimianmboholahy ny andrian’Anosy taloha ary rehefa maty Andrianjafy nanjaka tao Ilafy dia nisy vato naorin’Andrianampoinimerina teo Anosy Avaratra ho fanamafisana ny nampihavana ny Tsimiambohilahy mpomba an’Andrianjafy tao Ilafy sy ny Tsimahafotsy mpomba an’Andrianampoinimerina tao Ambohimanga. Ny hopitalin’Anosy Avaratra no fahefatra naorina ivelan’ny tananan’Antananarivo nanarakaraka ny an’Itaosy, Fenoarivo ary Ambohidratrimo. Ny 18 Febroary 1902 no nitokanan’ny Governora jeneraly Frantsay azy tamin’ny fomba nanetriketrika. Tanàna nipoiran’olo-malaza maro sy olomangan’ny Malagasy Anosy Avaratra na teo amin’ny fanjakana izany na teo amin’ny fivavahana, ary mbola tsy mijanona mamoaka olo-manga hatramin’izao.

Toy izao kosa ny tantaran’ny Fiangonana Anosy Avaratra izay mitondra ny anarana hoe “FJKM ANOSY AVARATRA VAOVAO” ankehitriny

1861 – 1906
Mpitandrina RANAHAKA sy RAMAHAIMANANA

16 Aogositra 1861

Niamboho Ranavalona I. Nandimby azy ny zanany RakotosehenondRadama na Rakotondradama ary nitondra ny anarana Radama II (1861 – 11 Mey 1863)

22 Aogositra 1861

Fiovana lehibe no niseho teo amin’ny fitondrana ny Fanjakana raha nanambara am-pahibemaso ny Mpanjaka fa:

  • Malalaka ny fivavahana eto Madagasikara
  • Foana ny fanamelohana ho faty, ny fampionomana tangena
  • Nomena famotsoran-keloka ireo rehetra nigadra ara-pivavahana ary averina aminy ny fananany nalain’ny Fanjakana
  • Nahena ny fotoana anaovan’ny miaramila fanompoam-pirenena

06 Aogositra 1862

Tafaverina ny misionera LMS maro notarihin’ny Reverend Ellis handamina ny asan’ny LMS teto Madagasikara. Marihina fa noroahin’ny Mpanjaka Ranavalona I izy ireo ny 01 Martsa 1835 ary ny volana Jolay 1835 dia efa lasa nody daholo

Septambra 1862

Ny Fanjakana Frantsay izay tsy nanaiky an-dRadama I sy Ranavalona I ho Mpanjakan’I Madagasikara fa hoe Mpanjakan’ny Merina ihany, dia nanaiky an-dRadama II ho Mpanjakan’I Madagasikara ka nanendry an’I Jean Laborde ho Konsilin’I Frantsa voalohany teto Madagasikara

Ny vokatr’izany dia:

  • Tonga tao Toamasina sy Antananarivo ny Misiona Katolika notariin’ny Pretra Webber sy Finaz
  • Nosoniavina ny Charte Lambert izay nanome alàlana ny Frantsay hahazo hividy tany taty sy nanome azy ny zo tsy ho azo tsaraina aty raha manao hadisoana fa any Frantsa ihany
  • Nosoniavina toy izany koa ny Charte Caldwell tamin’ny Anglisy

11 Mey 1863

Maty novonoina Radama II. Rabodo vadibeny no nandimby azy ary nitondra ny anaram-panjakana hoe Rasoherina (30 Aogositra 1863 – 01 Aprily 1868)

Na dia nifikitra tamin’ny fomban-drazan sy ny fanompoa-tsampy azan y Mpanjaka dia nmela malalaka ny FIVAVAHANA KRISTIANINA ho fitsinjovana ny fandriam-pahalemana sy fifandraisana amin’ny firenena lehibe Eropeanina

Lasa 6 ny fiangonana protestanta tao an-tananan’Antananarivo ary betsaka ny tokantrano niangonan’ny Kristianina niarahana nivavaka ny Alahady. Ny teto Anosy Avaratra dia tao amin’ny tokantranon’Itompokolahy Ranahaka ny 1863 ka hatramin’ny 1868.

Taona 1864

Tonga teto Antananarivo ny Misiona Anglikana voalohany (Eglise Episcopale de Madagascar).

Tamin’io taona io koa no naongana sy nalefa sesintany ny Praiminisitra Rainivoninahitriniony. Ny zandriny Tsimanosika Radilifera no nandimby azy ary nitondra ny anarana Praiministra Rainilaiarivony. Tena tia tanindrazana izy io ary nanohitra arak’izay azony natao ny fikasan’ny Frantsay izay nitady ny hitsabaka tamin’ny raharaham-pirenena sy hanjanaka ny tany. Tamin’ny taona 1864 no nanombohany izany tolona izany ka tsy niafara raha tsy tamin’ny taona 1895 naharesy ny Malagasy, nahalasa sesintany azy ary nahafaty azy tany ny taona 1896.

27 Jona 1865

Fifanekena Malagasy sy Anglisy nanamafy fa malalaka ny fivavahana, mahazo manorina trano Fiangonana ny Kristianina, foanana ny tangena. Malalaka koa ny fivezivezena an-dranomasina sy ny varotra ivelany amin’ireo firenena roa ireo

27 Aogositra 1866

Tonga ny Misionera Loterana voalohany avy any Norvezy.

16 Jona 1867

Tonga ihany koa ny Misionera FFMA (Friends Foreign Misionary Association)

Taona 1867

Nivoaka ny gazety “TENY SOA” hanampy ireo mpitondra fivavahana.

Tonga koa ny Konsilin’I Etazonia voalohany teto Madagasikara dia Major John R. Finkelmeier. Natao ny fifanekena ara-pivavahana sy ara-barotra tamin’I Etazonia

01 Aprily 1868

Niamboho Rasoherina. Ny vady faharoan-dRadama II, Ranavalona II no nandimby azy (01 Aprily 1868 – 13 Jolay 1883)

03 Septambra 1868

Niseho vahoaka teo Andohalo ny Mpanjaka ary naneho am-pahibemaso ny maha-kristianina protestanta azy. Niazakazaka ny fanorenana trano fiangonana.

Teo amin’ny vahoaka dia tsapa fa nifampiankina tokoa ny fahefan’ny mpanjaka, ny fitondrana politika sy fivavahana.

Niresaka tamin’Itompokolahy Ranahaka ny misionera Joseph Swheywell sy Irene Streed ny tokony hanorenana fiangonana eto Anosy Avaratra. Dia naorina ny trano zozoro natao Fiangonana. Teo akaikin’ny trano fiangonana taty aoriana no nisy azy io ary mitovitovy habe tamin’ilay trano biriky tany voalohany ka Ranahaka no tonian’izany fiangonana izany (1868 – 1906)

16 Desambra 1868

Nivory voalohany ny Isan’Enimbolan’Imerina ho fandaminana izay tokony hatao amin’ny fiangonana any ambanivohitra. Natsangana ny renifiangonana 9 teto Antananarivo ka samy nomena zanany avy arak any heriny. Naorina tao Ambohipotsy ny Kolejy Fanofanana Mpitandrina.

Septambra 1869

Nanao fivoriana lehibe an-kalamanjana teny Ambohimanga ny Mpanjaka nanehoany ny firaiketa-pony amin’I Jehovah sy nitsofany rano ny vahoaka.

Nodorana ny sampin’andriana rehetra. Avy eo dia nankany Antananarivo nandatsaka ny vato fehizoron’ny fiangonana tranovato Anatirova

Fiangonana Tranovato Anatirova

Ny teto Anosy Avaratra kosa, ny ampitson’io andro io (Septambra 1869) dia nohadiana ny fototra nanovana ny trano zozoro ho trano biriky tany. Nandray anjara be tamin’ny fanaovana ny trano fiangonana ireo andriana taranak’I Rafondrazaka, tompomenakelin’Anosimiarinimerina fahiny. Nafana fo koa Itompokolahy Ranjavelo, Neny Rahaja, Itompokolahy izany Rainibozy, Raihanja, Rainiasy, Rasamoelina izay sady mpitoriteny no mpihira teto amin’ny fiangonana.

Voatendry ara-dalàna ho Mpitandrina ny fiangonana I Ranahaka. Réverend J. Sibree no misionera nisahana ny faritra avaradr’Antananarivo ary Rambelo no evanjelista solompitandrina tamin’izany faritra izany.

1869 Nisokatra ny Canal de Suez

Afaka manitsy eo ny Sambo mankany India fa tsy voatery nihodidina any Afrika Atsimo ka Egypta sy Zanzibar no nirian’ny Fanjakana Anglisy fa tsy Madagasikara loatra

Taona 1870

Raha 6 ny fiangonana protestanta teto Antananarivo sy ny manodidina ny 1863, lasa 612 izany tamin’ny 1870 ka ny 201 tamin’ireo tany ambanivohitra. Ny fiangonana katolika tany ambanivohitra dia mbola 38 isa.

Taona 1871

Voatendry ho Konsilin’I Frantsa teto Madagasikara indray Jean Laborde. Marihina fa tsy Konsily intsony izy raha vao niamboho Radama II.

Tonga tany Fianarantsoa ny Pretra katolika voalohany tany.

Septambra 1871

Notokanana ny Fiangonana trano biriky LMS Anosy Avaratra. Reverend J. Sibree no nanatontosa ny fitokanana ary ny Mpitandrina Andriambelo no nitory ny tenin’Andriamanitra

Tafiditra ho zana-mpiangonan’Analakely ny Fiangonana tamin’izany

Nanomboka nitondra ny Fiangonana nanampy ny Mpitandrina Ranahaka ny Mpitandrina Ramahaimanana, nefa ny taona 1881 izy dia nodimandry.

Taona 1873

Nanomboka ny fanitsiana lehibe ny dikan’ny Baiboly Malagasy, niandraiketan’ny Mpitandrina Andrianaivoravelona Rainy. Tamin’ny taona 1887 vao vita izany fanitsiana izany.

06 Jona 1873

Nisy lalàna nivoaka momba ny fampianarana. Nahazo vahana ny fampianaran’ny misionera protestanta fa azo atao trano fampianarana an-davanandro ny trano fiangonana. Victoire Rasoamanarivo, vinanton’ny Praiministra Rainilaiarivony ary katolika mafana fo no nanampy sy niaro ny tombontsoan’ny katolika

01 Janoary 1878

Nivoaka hanampy ny fampianarana protestanta ny gazety “Sakaizan’ny Ankizy madinika” izay hiova ho “Sakaizan’ny Tanora” 10 taona taty aoriana.

Taona 1878

Maty i Jean Laborde. Nisy olana teo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny Fanjakana Frantsay noho ireo filazana fa fananana be dia be no navelany taty Madagasikara sy ireo mpandova azy any an-dafy mitaky izany.

08 Aprily 1880

Izay vao vita ka notokanana ny Fiangonana Tranovato Anatirova

Taona 1881

Nivoaka ny lalàna dimy venty sy telonjato (305) namaritra mazava ny andinindininy momba ny Fitondram-panjakana teto Madagasikara, ka ny andininy faha-25 no nandrara ny fivarotana ny tany amin’ny vahiny. Nahatezitra ny Frantsay izany ka nitombo ny fifanolanana teo amin’ny firenena roa tonta.

Tsy nanaiky ny hitantanan’ny Frantsay ny fitondrana ao Sambirano koa ny Praiminisitra ka kely sisa dia hipoaka ny adin’ny Malagasy sy ny Frantsay.

Taona 1882

Lasan’ny Fanjakana Anglisy ny Canal de Suez izay lakile mankany India. Marihina fa India dia efa zana-panjakan’ny Anglisy hatramin’ny 11 Mey 1873 ary tamin’ny taona 1947 vao tena nahaleotena indray.

1882 – 1883

Nisy ambasady (solontenam-panjakana) Malagasy nalefa tany Paris, London, Berlin, New York notarhin’ny Ministry ny Raharaham-bahiny Ravoninahitriniarivo niezaka nandamina ny toe-draharaha nifanolanan’ny Malagasy sy ny Frantsay. Iray tamin’ireo Ambasadaoro Ramaniraka avy eto Anosy Avaratra.

  • Etazonia nanamafy ny fifanekem-pihavanana tamin’ny fanjakana malagasy
  • Alemana nanao sonia fifanekem-barotra (15 Mey 1883)
  • Frantsa nitazona ny heviny hanjanaka an’i Madagasikara

Tsy nisy ny nanome toky fa hamonjy ny Malagasy raha misy ady mipoaka amin’ny Frantsa. Tamin’izany no nahatonga ny fitenenana hoe “Aza manao vazaha mody miady”

07 Mey 1883

Nozeran’ny Frantsay baomba Mahajanga sy Anorotsangana ary nangatahiny ny hitantana ny faritra avaratra amin’ny Nosy.

30 Mey 1883

Niala tao Antananarivo ny mopera ary tsy tafaverina raha tsy ny 28 Martsa 1886. Ny misionera protestanta kosa afaka nanohy ny asany.

09 Jona 1883

Tsy nanaiky ny hanome ny faritra avaratra amin’ny Nosy ny Fanjakana Frantsay ny Praiministra Rainilaiarivony ka nipoaka ny ady voalohany tamin’ny Frantsay (1883 – 1885). Nozeran’ny Frantsay baomba i Toamasina ny 10 Jona. Tafiditra tao ny tafika Frantsay fa tsy tafakatra tany taty Antananarivo fa voasakan’ny tafika Malagasy notarihin’dRainandriamampandry tao Farafaty

13 Jolay 1883

Niamboho Ranavalona II. Razafindrahety no nanjaka nandimby azy tamin’ny anarana Ranavalona III (1883 – 1896 no nanjakany fa ny taona 1896 izy no nalefa sesintany tany La Réunion, nafindra tany Alger indray ny taona 1897 ary tany izy no nodimandry)

1885 Congrès de Vienne

Nifanaraka ny firenen-dehibe Eoropeana fa ho zanahana Afrika ka nifampizarana. Isan’ny anjaran’i Frantsa i Madagasikara

17 Desambra 1885

Vita ny ady voalohany tamin’ny Fanjakana Frantsay. Resy ny Malagasy fa reraka ny vahoaka. Tsy mbola nanaiky ny maha-protectorat Frantsay an’i Madagasikara ny Fanjakana Anglisy. Fifanekena no niarahan’ny Frantsay sy ny Praiministra nanao sonia: Nisy solontena Frantsay nipetraka teto Antananarivo nanomboka tamin’io daty io, ka ny fifanarahana ivelany rehetra dia mila ny fankatoavany vao azo ekena. Mbola Mpanjakan’i Madagasikara Ranavalona III fa mandoa vola 10 tapitrisa farantsa ho “Droit de souveraineté”, tambin’izany, ka lany tamin’izany ny ankamaroan’ny tahirim-panjakana.

Taona 1887

Voatendry nipetraka tao Ambohimanga ny Reverand R. Griffiths, nikarakara zana-piangonana 20 akaikin’Ambohimanga ka isan’ireo Anosy Avaratra. Indray mandeha isam-bolana izy mivady sy Reverend Sibree mianakavy no namory ny mpiangona tamin’izany faritra izany tao Ambatofotsy hianatra Soratra Masina, hevi-teny, teny Frantsay, teny anglisy, taozavatra…

Taona 1888

Tonga ny misionera loterana Amerikana voalohany (Mission of the Evangelical Lutherian Chruch of America: MELCAM).

Taona 1890

Tonga ny misionera loterana Amerikana faharoa (Lutherian Board of Missions)

05 Agositra 1890

Fifankena Frantsay sy Anglisy: Zanzibar ho an’ny Anglisy ary Madagasikara ho an’ny Frantsay. Nanaiky ny maha-“protectorat” Frantsay an’i Madagasikara ny Fanjakana Anglisy ka ho avy haka ny tany amin’izay ny Frantsay

Taona 1894

Notokanana ny hopitaly protestanta Isoavinandriana (Hôpital Girard et Robic taty aoriana).

08 Janoary 1894

Lohavolana niraisan’ny Renifiangonana 10 teto Antananarivo, natrehin’ny Mpanjaka sy ny Praiministra, ny zanak’andriana, ny Manamboninahitra, ny Tandapa rehetra.

14 Oktobra 1894

Tsy nanaiky ny naha-“protectorat” Frantsay an’i Madagasikara ny Praiministra Rainilaiarivony ka nipoaka ny ady faharoa tamin’ny Frantsay.

12 Desambra 1894

Nitifitra tafondro an’i Toamasina ny sambo mpiady frantsay. Tsy tafakatra avy any Toamasina anefa ny tafika frantsay ka avy any Mahajanga no nitadiavany niakarana.

30 Septambra 1895

Tafiditra teto antananarivo ny tafika Frantsay notarihin’ny Jeneraly Duchesne niakatra avy any Mahajanga, rehefa nifampitana am-bolana maro tao Andriba. Resy ny Malagasy

01 Oktobra 1895

Neken-dRanavalona III ny maha-“protectorat” an’i Madagasikara. Lasa sesintany ny Praiministra Rainilaiarivony: tany La Réunion aloha, nafindra tany Alger ny Febroary 1896 ary maty tany ny Jolay 1896.

22Novambra 1895

Fitondrana zanatany no nampiharin’ny Frantsay teto ka nirongatra eran’ny vazan-tany efatra ny fikomiana tamin’ny Fitondrana Frantsay. Tao ny Menalamba, fikambanana notarihin’ireo mpifehy tafika tavela tany ivalan’Antananarivo. Tao ireo notarihin’ny tsy tia ho zanatany ka ny mpitarika nalaza dia Rabozaka (Anjozorobe), Rainibetsimisaraka (Ankaratra), Rabezavana (Ankazobe), Toera sy Ingereza (Menabe sy Sambirano), Andriampanoha (Tanala), Inapaka (Bara), Kotavy (Antanosy, Bara, Tanala). Tamin’ny taona 1907 vao potika tanteraka ny fikomiana. Tany amin’ny Betsileo, Antakarana sy Betsimisaraka no nilefitra avy hatrany.

06 Aogositra 1896

Lasa zanantany Frantsay i Madagasikara

15 Oktobra 1896

Notifirina Rainandriamampandry izay Ministry ny Atitany sy ny Printsy Ratsimamanga anadahin-drenin’ny Mpanjaka fa nohelohin’ny tribonaly militera ho nifandray tendro tamin’ny Menalamba sady ho ohatra hahakivy ny mpikomy

28 Febroary 1897

Lalàna nanambara fa tsy nisy Mpanjakan’i Madagasikara intsony ary foana daholo ny fitondrana niankina tamin’ny Mpanjaka. Zanatany Frantsay i Madagasikara ka Governora Frantsay no nitantana sy nitondra ny firenena, miaramila Frantsay no napetraka ho sefon’ny distrika samihafa.

Nalefa sesitany tany La Réunion aloha dia nafindra any Alger ny 1899 ny Mpanjaka

Nalana tamin’ireo olona ambony teo amin’ny faha-mpanjaka daholo ny tombontsony.

Nofoanana ny fetin’ny fandroana ka novana ny 14 Jolay fetim-pirenena Frantsay ny datiny.

Martsa 1897

Nalain’ny Frantsay ireo trano maro nampiasain’ny misionera protestanta. Ohatra tamin’izany ny Hopitaly protestanta Isoavinandriana lasa hopitaly miaramila, ny kolejy LMS lasa lapan’ny fitasarana, ny sekolin-jazalahy lasa biraom-panjakana. 

Nalaina koa ny tanin’ireo voatifitra, na ireo natao sesintany. Ohatra tamin’ireny ny tanin’ny Printsy Ratsimamanga nanorenana ny Hopitalin’Itaosy, ny tanin-dRazanakombana nanorenana ny Hopitalin’Anosy Avaratra.

Fa tamin’izany koa dia nanararaotra ny mopera zezoita ka nampiely hoe “izay katolika dia naman’ny Frantsay”. Nihoatra ny 500 isa ny trano fiangonana protestanta no lasan’ny katolika. Be ny protestanta no lasa niova ho katolika. Mafy tokoa ny nahazo ny protestanta tamin’izany satria be no voaendrikendrika ho naman’ny Menalamba.

Jolay 1897

Tonga ny misionera MPF (Mission Protestante Française) nalefan’ny Mission Evangélique de Paris, ho vavolombelona haneho amin’ny protestanta fa tsy katolika avokoa akory ny Frantsay. Ny LMS sy ny Loterana Norveziana no niantso vonjy tany fa nahazo vahana loatra ny fivavahana katolika.

15 Septambra 1906

Nodimandry ny Mpitandrina RANAHAKA.

Efa saika nilavo lefona daholo ny mpikomy tamin’ny Frantsay fa efa be no novonoina ireo lehibeny.

1907 – 1941
Ny Mpitandrina RAZAFINDRAFITO (1907 – 1920)
Ny Mpitandrina RAKOTOARISOA Jean (1923 – 1929)
Ny Mpitandrina RAZAFINDRAMBOA (1930 – 1935)
Ny Mpitandrina RAJAONA (1936 – 1940)

Tsy dia nisy tahirin-tsoratra nilaza ny zava-nitranga tao amin’ny Fiangonana Protestanta Anosy Avaratra tamin’io vanim-potoana io. Fantatra fotsiny fa tamin’ny fotoana 1941 nahatongavan’ny Mpitandrina Ranaivoson Albert dia efa nisy polipitra, haromonia, dabilio maromaro tao am-piangonana fa ny daty nahazoana izany no tsy voafaritra mazava.

30 Janoary 1907

Didim-panjakana nandrara ny fanaovana trano fianarana andavanandro ny trano fiangonana, Raha 935 ny sekoly protestanta tamin’ny 1861, lasa 2591 izany tamin’ny taona 1896 ary efa niparitaka eran’ny nosy ka be ny Malagasy afa-nianatra, hatrany anindran-tany, saingy aman-jatony amin’ireo no trano fiangonana. Nihavitsy àry ny afa-nianatra noho ny ankamaroan’ny fiangonana tsy afaka nanaboatra trano sekoly.

Taona 1910

Be ny sekolim-panjakana naorina. Betsaka ny mpandraharaha Frantsay niasa taty Madagasikara ary maro koa ny orinasa Frantsay no niforona. Fa ny Anglisy sy ny vazaha hafa dia asa misionera sisa azony natao. Ny teny Anglisy tsy azo ampiasaina any am-pianarana intsony.

Taona 1914

Nipoaka ny Ady Lehibe Voalohany tany Eoropa ary tsy nifarana raha tsy ny 1918. 40.000 no lehilahy Malagasy voatery nandeha niantafika tany an-dafy nanampy ny Frantsay. Voatery namatsy ny Frantsay tamin’ny vary sy ny hena omby koa ny Malagasy ka tena sahirana ny vahoaka.

Taona 1915

Raharaha V.V.S:

Taty amin’ny taona 1913 no niforona ny fikambanana niafina V V S (Vy Vato Sakelika). Fikambanan’ny tia tanindrazana notarihin’ireo mpianatra ho dokotera, nitady ny fahaleovantenan’i Madagasikara, saingy vitsy ny mpikambana. Teo vao nanao fihetsiketsehana nanararaotra fa hoe sahirana amin’ny ady any Eoropa ny Frantsay. Saingy vetivety dia potika ny tolona. Be no maty sy nalefa sesintany tany Nosilava (anisan’ny lasa sesintany Itompokolahy Ratsisalovanina Edmond avy eto Anosy Avaratra).

1920 – 1923

Tsy nisy Mpitandrina Anosy Avaratra. Ireo diakona, misionera sy evanjelista niadidy ny faritra no nitondra ny Fiangonana.

tamin’ny taona 1921 no niorina teto Anosy Avaratra ny Sampana Dorkasy. Voalaza fa nivory isaky ny Alahady faha-telo, aorian’ny fanompoam-pivavahana ny mpikambana, ary nanao asa soa. (mbola tohizan’ny sampana Dorkasy mandraka ankehitriny izany).

29 Mey 1923

Nisy fihetsiketsehana ny haha-departemanta Frantsay toa an’i La Réunion an’i Madagasikara, notarihin’dRalaimongo sy ny fikambanana “Ligue Française pour l’accession à la Citoyenneté française”. Tsy neken’ny fitondrana Frantsay izany

1923 – 1929

Vanim-potoana nitondran-dRakotoarisoa Jean ny Fiangonana Anosy Avaratra

1930 – 1935

Vanim-potoana nitandreman’ny Mpitandrina Razafindramboa ny Fiangonana Anosy Avaratra.

23 Aprily 1932

Fanapahan-kevitry ny Komity Lehiben’ny Isan’Enimbolan’Imerina fa ny Isan’Enimbolana no fahefana farany ambony. Ny  momba ny fivavahana kristianina teto Madagasikara dia toy izao:

  • Misionera LMS: 24
  • Misionera Anglikana: 10
  • Misionera Loterana Norveziana: 65
  • Misionera Loterana Amerikana: 50
  • Misionera MPF: 29
  • Misionera Frenjy: 10

Ny Mopera Katolika dia nihatra ny 188, fitambaran’ny misionera protestanta mitambatra no isany.

Taona 1935

Nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa tany Eoropa ary tamin’ny taona 1945 vao nifarana. 50.000 indray no vatan-dehilahy Malagasy voatery niantafika tany an-dafy nanampy ny Frantsay. Mbola namatsy ara-tsakafo (vary, hena omby) koa, hany ka be ny entana no tsy nisy azo novidiana, ary voatery niafy mafy ny Malagasy.

1936 – 1940

Mpitandrina Rajaona no nitondra ny Fiangonana Anosy Avaratra

Taona 1937

Fankalazana ny faha 100 taona nandefonana an-dRasalama, maritiora Malagasy voalohany. Ny fankalazana dia natao eran’ny Fiangonana Protestanta rehetra teto Madagasikara.

Taona 1938

Naveirina teto Madagasikara tamin’ny fomba manetriketrika ny taolam-balon’ny Mpanjaka Ranavalona III ho mari-pankasitrahana ireo miaramila niady any an-dafy.

Nivoaka koa ny boky “Firaketana ny Fiteny sy Zavatra Malagasy” (Dictionnaire Encyclopedique Malgache)

Taona 1939

Nomena zo hifidy solontena iray ho ao amin’ny “Conseil Supérieur des Colonies” i Madagasikara ka ny Mpitandrina Ravelojaona no voafidy. Nahazo nifidy solontena iray koa ho ao amin’ny Sénat ka Ranaivo Jules no lany.

1941 – 1963
Ny Mpitandrina RANAIVOSON Albert (1941 – 1958)
Ny Mpitandrina Délégué RALAINARIVO (Faravohitra) (1958 – 1960)
Ny Mpitandrina Délégué RABEMANANJARA (Ambatofotsy) (1958 – 1960
Ny Mpitandrina RAKOTOARISOA (1960 – 1961)

Taona 1941

 Nanomboka nitandrina ny Fiangonana Anosy Avaratra ny Mpitandrina Ranaivoson Albert ny taona 1947 – 1958

Taona 1945

Niforona ny fikambanana MDRM (Mouvement Démocratique pour la Rénovation Malgache) ka isan’ny Filoha i Dokotera Raseta, Dokotera Ravoahangy Andrianavalona, Jacques Rabemananjara. Voafidy ho solontena tao amin’ny Parlemanta Frantsay izy ireo.

Niforona koa ny PADESM (Parti des Deshérités de Madagascar) izay notohanan’ny Frantsay. Niorina koa ny JINA (Jeune Nationaliste Malgache), ny PANAMA (Parti Nationaliste Malgache)

Oktobra 1946

Novana anarana ho “Union Française” ny “Empire Colonial Français”

Martsa 1947

Saika mpikambana ao amin’ny PADESM no lany tao amin’ny parlemanta Frantsay (12 izy ireo tamin’ny solontena Malagasy 21)

29 Martsa 1947

Nipoaka ny raharahan’ny 1947 ary 1949 vao nifarana.

Voa mafy ny Fiangonana Protestanta fa ny ankamaroan’ireo noheverin’ny Fitondrana Frantsay ho mpitarika ny fikomiana dia saika protestanta avokoa ka maro no novonoina, nosamborina sy nampijaliana, nogadrana, natao sesintany. Maro ny trano fiangonana protestanta noravana na nohidiana fa noheverina ho toerana fivorian’ny mpikomy. 80.000 no Malagasy maty, 20 no notifirina fa hoe mpitarika. Tamin’ny taona 1954 vao navotsotra ireo gadra sasany.

10 Desambra 1948

Fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona. Nanangasanga ny fahaleovan-tenan’ireo firenena voazanaka.

Taona 1950

Nanomboka ny fanimanana ny fiorenan’ny FJKM

Nanapa-kevitra ny Zanak’Ampielezana teto Anosy Avaratra, notarihin’Itompokolahy isany: Rafitoson-dRanahaka, Razafintsitonta Ranahaka Gilbert, Rajerison James, Rakotomavo fa hatao ny gorodona eto amin’ny Fiangonana.

Taona 1951

Nampiseho tantara an-dapihazo nitondra ny lohateny hoe: “Raketaka Zandriko” ny tanoran’ny Zanak’Ampielezana ka natao tao Ambatovinaky. Nahazo vola sivy arivo ariary nenti-nanainga ny famitàna ny gorodona, ary tamin’ny taona 1952 no vita ny gorodon’ny Fiangonana.

Taona 1953

Niorina ny FKM (Fiangonan’i Kristy eto Madagasikara). Nomen’ny LMS fahaleovantena ny fiangonana niankina taminy teto Madagasikara ka io lasa FKM io, ary i Titus Rasendrahasina no filohany.

20 Desambra 1953

Conférence Episcopale nivorian’ny Eveka Katolika niasa teto Madagasikara nanohana ny maha-ara-drariny ny fitakian’ny Malagasy ny fahaleovantena.

Toana 1954

Fantatra fa i André Saucadaux no ho Haut Commissaire Français farany hitondra an’i Madagasikara alohan’ny hahazoana ny fahaleovantena. Nampian’ny Frantsay i Philibert Tsiranana namorona fikambanana PSD (Parti Social Démocratique).

18 ka hatramin’ny 24 Aprily 1955

Fikaonan-doha nataon’ireo firenen-dehibe tany Bandoeng, Indonezia, nanome vahana ny fitakiam-pahaleovantenan’ny tany mbola voazanaka.

Jona 1956

Nivoaka ny lalàna kadra (Loi cadre) izay nampitombo ny fizakan-tenan’ireo zanatany Frantsay rehetra.

Martsa sy Aprily 1958

Vaky ny fefilohan’Antananarivo ka nisy tondra-drano be. Natsangana ny FAFFIP (Foiben’ny Asa Fanasoavan’ny Fiangonana Protestanta) nanampy tamin’ny famonjena sy fanampiana ny traboina tamin’izany.

Niorina ihany koa ny FPM (Fiangonana ara-Pilzantsara eto Madagasikara) nisolo ny MPF fa nomen’ny MPF fahaleovantena koa ireo Fiangonana niray taminy teto Madagasikara. Ny Mpitandrina Ralambomahay Jean Baptiste no Filohany. Ny 10 Aprily 1960 tamin’ny Synoda lehiben’ny fiangonana niray tamin’ny MPF vao niova ho FPM ny anarana.

Jona 1958

Nijanona tsy ho mpitandrina teo Anosy Avaratra ny Mpitandrina Ranaivosona Albert fa tsy salama. Marihina fa tamin’ny andron’i Pasitera Ranaivoson dia nanana fandavan-tena namafa trano fiangonana 5 taona maimaim-poana Ramatoa Razanajafy.

Jona 1958 hatramin’ny taona 1960

Tsy nisy mpitandrina ny fiangonana Anosy Avaratra. Délégués no niandraikitra ny Fiangonana. Ireto avy izy ireo:

  • Ralainarivo, Mpitandrina tao Faravohitra
  • Rabemananjara, Mpitandrina tao Ambatofotsy

15 Oktobra 1958

Filazana nataon’ny Haut Commissaire André Saucadaux fa tsy mihatra intsony ny lalàna tamin’ny 6 Aogositra 1896 naha-zanantany Frantsay an’i Madagasikara.

Nivoaka ny lalam-panorenana voalohany nananganana ny Repoblika Malagasy. Firenena mahaleotena i Madagasikara saingy mahaleotena ao anatin’ny Communauté Française.

Toana 1959

Niorina ny FFM (Fiangonana Frenjy Malagasy) nisolo ny FFMA fa nomena fahaleovantena koa ny Fiangonana niankina tamin’ny FFMA. Ny Mpitandrina Andrianaly Ratavao no Filohany.

Nankalazaina ny 90 taona niorenan’ny Kolejy Ambohipotsy, fanofanana mpitandrina

Natsangana koa ny FFPM (Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara); Notapahina ny lalam-panorenana faharoa nananganana ny Repoblikan’i Madagasikara tao amin’ny fivoriana niraisana tao Antsirabe. Ny FFPM dia iraisan’ny FLM, FKM, FFM, FPM

26 Jona 1960

Fanambarana am-pahibemaso fa firenena mahaleotena ao anatin’ny Communauté Française i Madagasikara. Nivoaka ny lalàm-panorenana faharoa nanaganana ny Repoblikan’i Madagasikara (14 Oktobra 1958 – 18 Mey 1972) izay Philibert Tsiranana no Filohany ary ny Governemanta sy ny Mpanolotsaina dia be vazaha Frantsay.

1960 – 1961

Vanim-potoana nitandreman’ny Mpitandrina Rakotoarisoa ny teto amin’ny FKM Anosy Avaratra (izany no anaran’ny fiangonana tamin’ny fotoan’andro). Niala teto Anosy Avaratra izy fa nisy zanany maty teto Anosy Avaratra sady tsy nisy trano nofàna nipetrahany koa moa tamin’izany.

21 Oktobra 1961

Notokanana ny Kolejy Rasalama ao Antananarivo, izay natomoka tamin’ny 1937 ho tsangambaton’ny faha 100 taona nandefonana an-dRasalama. Itompokolahy Edmond Ratsisalovanina, taraka’i Raombana, ary sisa velona tamin’ny komity namolavola izany tamin’ny taona 1937, no nanao ny lahateny fanokanana.

26 – 31 Jolay 1962

Zaikaben’ny Tanora niray tamin’ny FKM. Nandray anjara ny tanora avy amin’ny FFM, FKM, EEM, EKAR, FLM

1962 – 1963

Tsy nisy mpitandrina ny Fiangonana Anosy Avaratra. Niezaka nanangom-bola ny mpiangona hanaovana ny trano vadim-piangonana izay toa ny Mpitandrina Rakotoarivelo Jerôme no nanome ny mari-trano rehefa azo antoka fa izy no ho Mpitandrina manaraka. Marihina fa ny Diakona tamin’ny Mpitandrina Ranaivoson Albert dia mbola diakona tao foana manadra-pahatonga ny Mpitandrina Rakotoarivelo Jerôme sy tamin’ny fandraisan-tànana azy.

1963 – 1978
Ny Mpitandrina RAKOTOARIVELO Jerôme

31 Oktobra 1963

Noraisin-tànana ny Mpitandrina ary notokanana ny trano vadim-piangonana. 40 no isan’ny mpandray ny fanasan’ny Tompo tamin’izay fotoana izay, 14 ny diakona (Lehilahy 7, Vehivavy 7).

Hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantenan’ny Firenena dia maro ny Malagasy nitodi-doha nijery sy namonjy ny vohitra nitoeran’ireo razany ary niangona na nanampy ny fiangonan-drazany ka nafana fo tokoa ny mpiangona sy ny Zanak’Ampielezan’ny Fiangonana teto Anosy Avaratra. Hotsongaina Razafitsitonta Ranahaka Gilbert, Rajerison James, Ratsimandresy Yvonne, Razafindralambo Charles.

Be ny vita momba ny fanatsarana ny trano fiangonana sy ny trano vadim-piangonana.

  • Lavaka fantsakana sy bassin fanasan-damba
  • Fampidirana herin’aratra
  • Fandrafetana dabilio maro nanampy ny taloha
  • Fanitarana ny ilany atsimo natao lakroa tamin’ny trano taloha
  • Fanorenana trano fisainana
  • Fanaovana varavaram-be amin’ny ilany andrefana
  • Famindrana ny polipitra ho eny atsimo
  • Fanaovana alitara vaovao misy tohatra ambaratonga roa
  • Fametrahana Hazo Fijaliana aorian’ny alitara (Fanomezana avy amin’ny fianakavian’i Madama Ratsimbazafy Bernadette)
  • Fametrahana takela-bato mirakitra ny anaran’ireo mpitandrina nifandimby
  • Fanorenana trano fivoahana

Be tokoa ny fanatsarana ny Sampana Velona: 

  •  Natsangana ny Antoko Mphira AFA (Akon’ny Fanantenana Anosy Avaratra) izay zana-tsampana ao amin’ny STK
  • Natsangana ny fivorian’ny Zanak’Ampielezana ao amin’ny Akanin-jazavavy isaky ny Alahady fahadimy amin’ny volana
  • Famerana ny fetin’ny taranaka ho isaky ny Alahady farany amin’ny volana Oktobra isan-taona
  • Famelomana ny Sampana Dorkasy sy ny Sampana tanora
  • Famporisihana ny ankizy Sekoly Alahady (Itompokovavy Razafintsalama Rasoldier Christine dia nahavatra nanome mofomamy ho an’ny ankizy isaky ny andro krismasy)

Be koa ny fihetsiketsehana natao: 

Fampisehoana teatra elanelanin-kira nataon’ny AFA mitondra ny lohateny hoe “Faralahy Andriamazoto” izay natao tao amin’ny tranompokonolona Analakely ka ny vola azo tamin’izany dia nividianana vato fototry ny fanitarana. Ny tarika Victor Solo nampiseho ny “VOKY IZY DIA NATORY” tao amin’ny tranompokonolona Isotry. Nandray anjara tao amin’ny tranompokonolona Isotry ihany koa ny tarika Razafindraibe avy eto Anosy Avaratra ary mbola nisy tarika hafa nampiseho tao amin’ny ROXY. Marihina fa nitombo be ny mpandray sy mpiangona.

29 Matsa 1964

Synoda Lehibe nataon’ny FKM Antananarivo

13 – 17 Aogositra 1968

Synoda lehibe tany Toamasina nanambarana ny fijoroan’ny FJKM (Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara) izay iarahan’ny FKM, FFM, FPM ka ny Filoha tamin’izany dia Titus Rasendrahasina. Taty amin’ny taona 1972 vao azo ny fankatoavana ny fijoroany avy amin’ny fanjakana

08 Septambra – 03 Novambra 1968

Fankalazana voalaohany nanetriketrika teo amin’ny Fiangonana Anosy Avaratra, dia ny faha-100 taona niorenan’ny Fiangonana. Ny fanitarana voalohany ny trano Fiangonana no tsangambato tamin’izany.

17 Aprily 1971

Nipoaka ny raharaha 1971 tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy noho ny kere sy ny tsy firaharahan’ny Fitondrana ny mponina tany. Nandefa fanampiana ho an’ny mponina tany ny Fianonana protestanta maro tamin’izany.

Taona 1972

  • Volana Mey 1972: nanao fitokonana ny mpianatra. Nanampy nitarika ny fitokonana ny mpiasam-panjakana. Nianjera ny Repoblika Voalohany. Ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel no nomena ny fahefana tetezamita ho Filoham-pirenena hisolo an’i Philibert Tsiranana.
  •  06 Jolay 1972: nankatoavin’ny Fanjakana ny Fijoroan’ny FJKM araky ny didy Fanapahana laharana 2175. Nambara tamin’ny Synoda lehibe tany Mahajanga izany.
  • Volana Novambra 1972: nisy lalam-panorenana vonjimaika navoaka
  • 24 Desambra 1972: nisy fandranitana adim-poko tany Toamasina ka maro ireo mpiavy nonina tany no nitsa-ponenana. Nanome fanampiana ireo azom-pahasahiranana tamin’izany ny Fiangonana maro tao Antananarivo sy ny manodidina

21 Martsa 1973

Hitsivolana n°73 009 nametraka ny rafitra fokonolona ho an’ny tontolo ambanivohitra

04 Jona 1973

Fanavaozana ny fifanarahana tamin’ny Fanjakana Frantsay

Taona 1975

  • Febroary 1975: Nametra-pialana ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel ary nomeny ny Kolonely Ratsimandrava Richard izay efa Ministry ny Atitany tamin’izany ny fahefana feno. Ny Kolonely Ratsimandrava izany no lasa Filoham-pirenena.
  •  11 Febroary 1975: nisy namono ny Filoham-pirenena Ratsimandrava Richard, tsy ampy herinandro akory no naha-filoham-pirenena azy
  • 12 Febroary 1975: najoro ny fitondra-miaramila teto amin’ny firenena, natao hoe “Directoire Militaire” ka ny Jeneraly Andriamahazo Gilles no Lehibeny vonjimaika
  • 15 Jona 1975:Voafidy ho filohan’ny Directoire militaire ny Capitaine de Frégate Ratsiraka Didier Ignace
  • 21 Desambra 1975: nivoaka ny satan’ny revolisiona sosialista  ary navoaka ny lalàm-panorenana vaovao

Nijoro ny Repoblika Faharoa nantsoina hoe “Repoblika Demokratikan’i Madagasikara” ka Ratsiraka Didier no Filoham-pirenena. Tamin’ny taona 1991 izy vao niala tamin’izany maha filoha azy izany.

05 Martsa 1978

Nametra-pialàna tsy ho mpitandrina teto Anosy Avaratra ny Mpitandrina Rakotoarivelo Jérôme, ary nandimby azy ny Mpitandrina RAMANGARIVO.

1978 – 1994
Ny Mpitandrina RAMANGARIVO

04 SY 05 Aogositra 1978

Noraisin-tànana ny Mpitandrina Ramangarivo hitandrina ny Fiangonana Anosy Avaratra.Be ny zavatra vita ho fanatsarana ny trano Fiangonana:

Nohatsaraina ny alitara: nasiana arofanina, nasiana hoso-doko ny rindrina aorian’ny alitara (fanomezana avy amin-dRandriamanana Sylvestre mivady). Naorina ihany koa ny rihana teo amin’ny faritra avaratra nametrahana ny orgue sy nipetrahan’ny ankizy rehefa fotoan-dehibe maha-maro ny mpiangona

nahazo orgue ny fiangonana ny taona 1981 (Randriamana Sylvestre mivady no nikarakara ny fanafarana azy tany an-dafy)

Vita ny valitafo ny taona 1979. vita ihany koa ny tilikambo ny taona 1988

nodiovina ny rindrina anatiny

Nahazo fanamafisam-peo izay fanomezana avy amin’ny Sampana Dorkasy ihany koa ny fiangoana ho tsangambaton’ny fankalazana nakotroka ny faha 60 taona niorenany teto Anosy Avaratra (taona 1991)

Vita ihany koa ny rarivato sy ny tamboho amin’ny tokontany andrefana ny taona 1993 (Fanomezana avy amin-dRandriamaniraka Georges mivady)

Notokanana tamin’ny Jobilin’ny faha 120 taona ny zava-bita (17Jolay 1988 – 30 Oktobra 1998)

Nandroso be koa ny Sampana:

Nianatra tao-zavatra toy ny peta-kofehy ny Mpiangona nazoto tamin’izany ka Ramatoa sy ny Dorkasy no nampianatra. Niorina ny Sampana vokovokomanga. Niorina ihany koa ny Sampana Mpanazava sy Tily izay tena nandroso tokoa ka tonga namonjy lasy hatrany Moramanga, Miarinarivo, namonjy fivoriana rehetra niraisan’ny Skoto tany Antananarivo, nanentana ny arendrina sy ny afon-dasy teo Anosy Avaratra rehefa 26 Jona, nanao fampisehoana im-betsaka tao amin’ny firaisampokontany izay nahavory olona maro ho fitadiavam-bola. Naorina ny Fikambanan’ny Zanak’Ampielezan’ny Fiangonana FJKM Anosy Avaratra ny taona 1989.

Toana 1991

Fitokonana eran’i Madagasikara nandritra ny 7 volana. Nifarana tamin’ny fialan-Andriamatoa Ratsiraka Didier tsy ho filoham-pirenena. Nianjera ny Repoblika Faharoa

12 Septambra 1992

Navoaka ny lalam-panorenana nampijoro ny Repoblika Fahatelo natao hoe: “Repoblikan’i Madagasikara” ka ny Profesora Zafy Albert no lany ho filoham-pirenena (12 Septambra 1992 – oktobra 1995). Niditra ny foto-kevitra momba ny fitsinjaram-pahefana ary nomena fahefana matanjaka ny Antenimieram-pirenena notarihin’Andriamatoa Andriamanjato Richard

01 Jolay 1994

Jobily ho an’ny Mpitandrina Ramangarivo izay handeha hisotro ronono

1994 – 2018
Ny Mpitandrina RABENANTOANINA Harimanana Philibert (1994 – 1998)
Ny Mpitandrina RAZAFIMAHATRATRA Alphonse (1998 – 2018)

05 Febroary 1995

Fandraisan-tànana ny Mpitandrina Rabenantoanina Harimanana Philibert hitandrina ny fiangonana Anosy Avaratra. Fohy ny fotoana nitandremany teto Anosy Avaratra ka vitsy ihany ny zava-bita fanatsarana ny trano Fiangonana:

Nohavaozina ny fanamafisam-peo satria efa simba (taona 1995)

Natomboka ny fanomanana ny fankalazana ny faha 130 taona niorenan’ny Fiangonana Anosy Avaratra. Tpaka tamin’izany fa hitarina miantsinana ary hisy rihana hatao “foyer” izany tapany hitarina izany (ity no fanitarana faharoa).

Niorina ny Sampana Fifohazana izay nanao fanompoam-pivavahana fampaherezana isaky ny Alarobia hariva, nato koa ny Tafika Masina

Natanjaka ny Sampana Dorkasy: Afaka nampisakafo mpivory 800 eo ho eo tamin’ny fivorian’ny Dorkasin’ny Synodamparitany Iarivo Avaradrano teto Anosy Avaratra. Ny STK sy Sekoly Alahady koa nandroso tsara

Oktrobra 1995

Nisy ny fanitsiana natao teo amin’ny lalam-panorenana nanome fahefana misimisy kokoa ny Filoham-pirenena. Fotoana fohy taorian’izay dia tratry ny “Empêchement” ny Profesora Zafy Albert ka voatery niala tsy ho Filoham-pirenena.

Taona 1996

Fifidianana nitarika ny fiverenan-dRatsiraka Didier teo amin’ny fitondrana nandritry ny 5 taona indray (1996 – 2001)

Janoary 1998

Niala ny Mpitandrina Rabenantoanina fa voatendry ho Filohan’ny Synodam-paritany Avaratr’Iarivo izy, ka nandimby azy ny Mpitandrina Razafimahatratra Alfonse.

08 Febroary 1998

Nanomboka nitandrina ny Fiangonana Anosy Avaratra ny Mpitandrina Razafimahatratra Alphonse ny 08 Febroary 1998 fa ny 11 sy 12 Septambra 1998 kosa izy no noraisin-tànana.

Notohizana ny ezaka fanitarana ka efa vita ny rindrina, ny carreaux, ny tafo, ny voliges valitafo, ny fandokoana ny varavarankely, varavarambe, ny tohatra mankany ambony. Nahazo fanampiana tamin’ny fanjakana koa ankoatra ny ezaka nataon’ny mpiangona: sakafo natao tao amin’ny Espace ELDORADO Soavinimerina, tany amin’ny Suc de la Ruche Ankadikely. Tamin’izany dia nanao ezaka carreau 4 isaky ny mpandray (Noravana ny gorodona ka nosoloina carreaux).

Niorina ihany koa ny Sampana Lehilahy Kristianina (slk)

Natao nanetriketrika tokoa ny fankalazana ny faha 130 taona ny Fiangonana.

16 – 25 Aogositra 2000

Synoda Lehibe FJKM faha 14 natao tany Toliary. Tapaka tamin’izany fa hisy sekretera jeneraly ny Birao Foibe handrindra ny departemanta samihafa. Foana ihany koa ny fitsaram-piangonana fa nosoloina ny FIFAFI (Filan-devitra momba ny Fandaminana ny fiangonana). Foana ny Fifampifehezan’ny Mpitandrina fa nosoloana ny FIFAMPI (Filan-kevitra momba ny Fandaminana Mpitandrina).

Taona 2000

Famoahana ireo lalàna momba ny Faritany Mizakatena (Lalona Fehizoro sy Sata)

Taona 2001

  • 01 – 02 Jona 2001: Jobily faha-100 taona niorenan’ny Sekoly Paul Minault izay hany sekoly iombonan’ny FJKM sy ny FLM. Fanorenana ny Institut Supérieur Protestant no ho tsangambato
  • 24 Oktobra 2001: Fanambaran’ny Foibe FJKM fa handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana ny Filoham-pirenena ny kristiana FJKM
  • 16 Desambra 2001: Fifidianana Filoham-pirenena. Tsy nazava ny vokam-pifidianana fa hafa no nolazain’ny HCC nivory tany Mantasoa ary hafa no nambaran’ny Consortium ny mpanara-maso. Nitokona nanao filaharam-be ny vahoaka eran’ny renivohi-paritany nangataka fampitahana ny vokatry ny latsabato. Tsy nanaiky izany ny fitondran-dRatsiraka ka nitohy ny fitokonana ary nanaomboka ny krizy 2002.

Taona 2002

  • 03 Janoary 2002: Fanambarana nataon’ny Filoham-piangonana ao amin’ny FFKM fa ny kristianina dia tokony ho olom-pirenena miaro ny safidim-bahoaka amin’izay heveriny fa mety ao anatin’ny filaminana.
  • 25 Janoary 2002: Nanambara ny HCC izay nivory tany Mantasoa fa hisy fihodinana faharoa ny fifidianana. Tsy nanaiky ny vahoaka fa mbola nitaky fampitahana ny voka-pifidianana.
  • 20 Febroary 2002: Nambaran’ny HCC fa lany tamin’ny fihodinana voalohany Ravalomanana Marc. Vokantr’izany dia:
    • Tsy nanaiky izany ny fitondrana Frantsay
    • Lasa nonina any Frantsa Ratsiraka Didier
    • Nesorina tsy ho mpikambana ao amin’ny OUA i Madagasikara
    • Mbola tsy mandry ny tany amin’ny faritra sasany teto amin’ny Nosy
  • 26 Jona 2002: Fetim-pirenena nankalazaina tamin’ny fomba manetriketrika. Nanaiky an-dRavalomanana Marc ho Filoham-pirenena ny Firenendehibe maro toa an’i USA, Angletera, Alemana.
  • 27 Jona 2002: Didim-panjakana laharana 2002-259 nianso ny miaramila fiandry (réservistes) handray anjara feno amin’ny famerenana indray ny fandriampahalemana teto Madagasikara
  • 16 Desambra 2002: Fifidianana Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierambahoaka

10 Jolay 2003

Tafaverina ho mpikambana ao amin’ny UNIO Africaine (nisolo ny OUA) i Madagasikara. Efa nanaiky an-dRavalomanana Marc ho Filoham-pirenena ny Firenen-dehibe maro.

09 sy 23 Novambra 2003

Fifidianana Ben’ny tànana sy mpanolo-tsain’ny tànana teto Madagasikara 

Teto Anosy Avaratra ny Mpitandrina RAZAFIMAHATRATRA Alphonse no nivoaka nisotro ronono. Nisy ny komity izay natsangana  nikarakara izany Fisotroan-dronon’ny Mpitandrina izany ary tapaka fa trano no atsangana  ho fanomezana ho azy mianakavy. Maro ny zavatra vita sy nohatsaraina tamin’ny fotoana naha mpitandrina azy teo Anosy Avaratra talohan’ny nivoahany hisotro ronono. Tao ny fanavaozana ny Trano vadim-piangonana, ny Fahavitan’ny tranon’ny Mpiambina sy Trano atao fivorian’ny Sampana. Nisy ihany koa ireo Sampana vaovao nitsangana tamin’ny fotoan’andro dia ny Niorenan’ny Sampana VFL (Vondrona Fototra Laika), Ny zana-tsampana Fifohazana (Anotoko-mpihira Feo Fihobiana), Ny Sampan’asa Asa Fitoriana ny Filazantsara (Sa.AFF). Fanombohana amin’ny fankalazana ny faha 150 taona ny Fiangonana ka tapaka fa hanao fanitarana fahatelo ny trano Fiangonana no ho tsangambato.

2018
Ny Mpitandrina RIJAN’ALONA Ramangarivo

Ankehitriny dia ny Mpitandrina Rijan’Alona Ramangarivo no mpitandrina eto amin’ny Fitandremana. Niova ho FJKM Anosy Avaratra Vaovao ny anaran’ny Fiangonana. 

Fametrahana ny Vatofehizoron’ny fanitarana.

Ety am-pamaranana ry Havana dia maneho fisaorana feno ireo nanampy tamin’ny fanangonana izao tantara izao. Ny tantara dia mbola mitohy eh! 

Iangaviana indrindra isika izay manana tahirin-tsary nanamarika ireo tantara rehetra voalaza ireo mba hanome izany anay mba hanatsarana ny tantarantsika ho an’ny taranaka mandimby rehetra.

Perikopa 2021/2022

Desambra: MINOA NY FIFALIANA AO AMIN'NY TOMPO

| | 05. Advento II
ISam. 2. 1 - 5/ Lio. 1. 18- 25/ Fil. 4. 4 - 9

| | 12. Advento III - Sampana Sekoly Alahady
Oha. 23. 12 - 18/ Lio. 1. 39- 45/ 2Jao. 1. 1 - 6

| | 19. Advento IV
Isa. 12. 1 - 6/ Lio. 1. 57- 66/ ITes. 3. 6 - 13

| | 25. Krismasy
Zak. 8. 18 - 23/ Lio. 2. 8- 14/ Rom. 1. 1 - 7

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADIKELY ILAFY