Alahady 28 Mey 2023

JOELA 3.1-5

Ny Fanahy Masina no manavao ka :

1-Ny firenena feno loza ho tonga feno mpaminany

Ao amin’ireo toko 1 sy 2 amin’ity Joela ity dia voalaza fa nisy loza isankarazany nanenika ny tanin’Israely satria tezitra tamin’izy ireo Andriamanitra . Na dia izany aza anefa dia hita koa fa niantso ho amin’ny fibebahana ity mpaminany ity , ary rehefa mibebaka ny vahoaka dia hahita tokoa ny asa fanavaozan’ny Fanahy Masina .Araka izay ambaran’ity toko 3 ity dia asa lehibe tokoa no ataon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanomezany ny Fanahy Masina ,satria tsy no loza toy ny valala sy hain-tany na ny mosary intsony no hameno ny firenena fa olona feno ny Fanahy Masina ka maminany . Ny hoe : maminany dia tsy hafa fa mitondra ny Tenin’Andriamanitra izay mampahafantatra sy mampiomana izao tontolo izao ny amin’ny andron’iJehovah izay ho fitsarana .

2- Ny firenena nahita loza dia ho tonga mahita fahagagana

Efa fahagagana asehon’Andriamanitra voalohany ny hanomezany ny Fanahy Masina ho an’ny « nofo rehetra » , satria mampiseho izany fa sokafan’Andriamanitra ho an’izao tontolo tsy ankanavaka ny fanomezam-pahasoavana .Manamafy izany ny filazana ireo sokajin’olona samihafa , ary ilay tena fahagagana ambaran’ny Joela eto dia mifandray amin’ny fiavin’ ilay andron’iJehovah . Loza ho famaizana sy fitaomana ho amin’ny fibebahana no nampahitan’Andriamanitra an’Israely teo aloha , saingy zava-mahagaga ho famonjena izay rehetra mino kosa ka manafaka tanteraka eo amin’izay tontolo rehetra mampidi-doza no ampaitany izay rehetra maharitra hatramin’ny farany ka manaiky hohavaozin’ny Fanahy Masina mandrakariva.

Fanontaniana :

Mitondra inona ho anao ny ny fanavaozan’ny Fanahy Masina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 27 Mey 2023

2Samoela 23,1-7

Ny Fanahin’ Andriamanitra:

1-Fanahy mampiteny

« Ny Fanahin’i Jehovah no mampleny ahy: ary ny teniny no amin’ny lelako » hoy i Davida mpanjaka eto. Hitantsika eto amin’ny tantaram-piainan’i Davida hatrany amin’ny fiandohany (1Sam.16) ka hatreto amin’izao fiafarany izao fa nahazo sitraka tamin’ Andriamanira izy handimby an’i Saoly mba hanjaka amin’ny firenena Isiraely izay vahoaka masina ho Andriamanitra. Porofon’izany fankasitrahan’ Andriamanitra azy izany izao mbola ampitenenany aey amin’ny alalan’ny Fanahiny izao Raha toa kosa ka tsy mba toy izany no niafaran’ny fanjakan’i Saoly fa nialan’ny Fanahin’i Jehovah izy. Fomba fiasan’ Andriamanitra rahateo izany mifidy sy miantso olona manokana hampitondraina hafatra na irahina hamonjy ny vahoakany.

2-Fanahy mitarika ho ao amin’i Kristy

Ny votoatin’ny teny nambaran’i Davida eto dia azo ambara fa toy ny faminaniana manondro an’i Jesoa Mesia. Raha voafetra teo amin’ny firenena Isiraely ihany mantsy ny fahefana sy fanapahan’i Davida dia ambarany kosa eto ny hoe « Mpanapaka ny olona Marina Izy sady manapaka amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra; ary izany dia toy ny fahazavan’ny maraina ». Araka izany, na dia olona tena nankasitrahan’ Andriamanitra tokoa ary i Davida dia tsy fandokafan-tena na fitanisana izay zava-bita no nataony fa nitaona izao tontolo izao hibanjina an’i Jesoa Kristy satria ireo faminaiana ireo dia nohamafisin’i Jesoa ny fahatanterahany teo Aminy araka izay hita ao amin’ny Filazantsara

Fanontaniana

Ahoana no ambaran’ny Soratra Masina amintsika manoloana ny olona samihafa izay milaza azy ho ampitenenin’ny fanahy ?

FOIBE SEKOLY ALAHADY FJKM

Zoma 26 Mey 2023

1 KORINTIANA 6.9-11

Ho an’iza ny fanjakan’Andriamanitra ?

1-Ho an’ny mpanota efa voasasa

« olona tsy marina« no ilazana ny mpanota eto, ary voatanisa ny santionany amin’ireo tsy fahamarinana na fahotana fanaony .Mety tsy ho isan’ireo izay lazain’ny Soratra masina eto ny fahotana izay mahalavo anao, saingy mazava kosa fa efa mba toy izany ihany teo aloha. Raha mitoetra ho eo amin’izany toerana izany mandrakariva anefa ny olona dia tsy ho anisan’izay hiditra ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy , fa izay rehetra mino an’iJesoa kosa dia efa voasasa tamin’ny rany ka omeny anjara amin’ny fanjakany.

2- Ho an’ny mpanota efa nohamasinina

« Tamin’ny Fanahin’Andriamanintsika » izay Fanahy Masina no nanamasinana antsika , izany hoe: tsy misy olona masina ho azy vokatry ny ezaka ataony samirery , fa tena asan’Andriamanitra ao amin’ny olona no maha-masina azy . Ny fahamasinana rahateo no toetra maha-Izy Azy an’Andriamanitra ary fepetra hidirana ho amin’ny fanjakany « ary tsy mba hiditra any izay tsy masina » (Apo 21.27)

3-Ho an’ny mpanota efa nohamarinina

Raha ny marina dia tsy maintsy hijinja fahafatesan ‘ny mpanota satria izay no tambin’ny ataony ( Rom 6.23) . Noho ny amin’i Jesoa Kristy , ilay « làlana sy fahamarinana ary fiainana « (Jao 14.6) anefa dia tonga toy ny marina izay rehetra mino sy mandray Azy, ary izay fanamarinana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy izay ilay ,ilay « hery » mahatonga ny olona ho zanak’Andriamanitra ka hananany anjara ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Inona no andraikitra miandry antsika eo anoloan’ny fanjakan’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 25 Mey 2023

Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ka manosotra ny mpanompony mba :

1-Hitondra ny Tenin’Andriamanitra

Tena adidy lehibe sady tombotsoa goavana ho an’izay rehetra manaiky ny ho mpanompon’Andriamanitra ny fahafahany mitory ny Tenin’Andriamanitra , izay ambara eto fa « teny soa mahafaly » izany satria manasitrana ny fo sy manala avy amin’ny maizina ho amin’ny mazava . I Jesoa Kristy moa rehefa mamaky ity andinin-tsoratra masina ity teo anatrehan’ny Synagoga iray dia nanambara fa tanteraka eto anio izany teny izany , satria ny tenany no ilay teny tonga nofo ka nonina tamintsika  » ( Lio 4.21/Jao 1.14 ) . Asan’ny Fanahy Masina ,araka izany no hahafahantsika izay olona tsy lavorary hitondra ny teny tsy misy kilema an’Andriamanitra .Koa ekeo ny fitarihany eo am-panaovana izany asa izany .

2-Hitondra ny fanafahan’Andriamanitra

Mazava ny voalaza eto fa asan’Andriamanitra tanteraka ny manafaka ary masi-mandidy ny amin’izay fotoana hanatanterahany izany Izy , izay hanirahany ny mpanompony kosa dia ny hitondra izany teny soa mahafaly mamelona fanantenana izany fa tsy tompon’ny teny farany eo amin’ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra tsy akory ny fahoriana sy ny alahelo .Araka izany dia aoka ho tsaroantsika mandrakariva fa ny hafatra ho amin’ny fanafahan’Andriamanitra no tena hitarihan’ny Fanahy Masina antsika .Koa aza lany andro amin’ny fanomezan-tsiny sy fandesohana lava fa tariho handray ny Filazantsara ny olona satria raha ny Zanaka no manafaka dia ho afaka tokoa (Jao 8.36)

Fanontaniana :

Moa ve mba tena manaiky ho entin’ny Tenin’Andriamanitra isika izay mpirtondra izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 24 Mey 2023

LIOKA 12.8-12

Miasa ao amin’ny mpitory Filazantsara ny Fanahy Masina

Mitodika manokana amin’ireo postoliny i Jesoa kristy ao anatin’ireo teny ambarany eto , ny andininy 4 no maneho izany . Hoy izy : « lazaiko aminareo sakaizako hoe « 

1-Mba hananana fahasahiana

Ttakian’i Jesoa amin’ireto mpanara-dia Azy eto ny tokony hanehoana « eo anatrehan’ny olona »ny fanekena Azy , satria miantoka ny fanekena na ny fandavan’i Jesoa azy ireo kosa indray rahatrizay hiseho « eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra » izy ireo . Ilàna fahasahiana tanteraka anefa izany fijoroana sy fanekena izany ; indrindra rehefa eo anoloan’ny olona izay mandà sy tsy manaiky Azy, ary vonona ny hampahory mihitsy .Araka izany , ho sarotra amin’ny maha-olombelona fotsiny tsotra izao ny ho sahy hijoro sy hanaiky an’i Jesoa hatramin’ny fahafatesana , fa ny Fanahy Masina kosa dia manome izany ho an’ny irak’Andriamanitra .Tsarovy ny andro Pentekosta (Asa 2.14)

2-Mba hahazoana toky sy fanantenana

Ny amin’izay ho vokatry ny fandavana an’i Kristy sy izay rehetra sahy manaiky Azy eo anatrehan’ny olona dia omen’Andriamanitra toky sy fampanantenana lehibe ny olony : « ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin’izany ora izany izay mety holazainareo » .Mamelona sy manamafy ny finoantsika tokoa izany , satria mahatsiaro isika fa tsy miady irery rehefa miatrika zava-tsarotra sy manahirana noho ny amin’ny Filazantsaran’i Kristy .Eo anilantsika ,manolo-tsaina antsika ary manmpandresy antsika ao anatin’izy ireny ny Fanahy Masina . Koa aza kivy na ketraka fa mazotoa mitory mandrakariva ny Filazantsara .

Fanontaniana:

Inona no tokony hatao manoloana ireo namana mpiara-mitory Filazantsara toa tsy manan-kery fa mora kivy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

FJKM Ankadimbahoaka

VOKADEHIBE 2023

Ny Mpitandrina mivady , ny Birao ao amin’ny FJKM Ankadimbahoaka dia faly miantso ny zanaky ny fiangonana rehetra , ny Zanaka ampielezana ho tonga amin’ny fotoanan’ny VOKADEHIBE 2023 .

Daty : Alahady 28 Mey 2023

Ora : 7 ora sy 10 ora

Mandritra izany no hanaterana ny valopy vokadehibe ho amin’ny adidy anatiny sy ivelany .

Manantena ny fahatongavantsika maro ho Voninahitr’Andriamanitra .

« Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho dia eo an-kianjan’ny tranon’i Jehovah ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara «  (Sal 116.18a/ Jao 27.15 )

Alatsinainy 22 Mey 2023

SALAMO 143.7-12

Ny asan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina

1-Manoro izay làlan-kombana

Mahatsiaro tena ho reraka tanteraka sy very hevitra ny mpanao salamo eto , noho ny afitsoky ny fahavalony . Indro izy mitodika amin’Andriamanitra , mila vonjy Aminy .Ary ao anatin’izany fiantorahany amin’Andriamanitra izany dia ambarany mazava fa : raha ny làlana izorany vokatry ny fampahoriana atao aminy dia mizotra ho any am-pasana ,mankamin’ny fahafatesana ,saingy ao amin’Andriamanitra kosa no anantenana fitsanganan’ny fanahy noho ny famindrampony .Tsy mihambahamba araka izany izy eto ,fa mangataka am-patokiana ny mba hampahalalan’Andriamanitra azy izay làlana tokony alehany . Manolona ny hasarotry ny fiainana sy ny fahasahiranana mianjady amintsika ihany koa dia tsarovy fa manoro làlana antsika ny Fanahy Masina , ka i Jesoa Kristy izany làlana izany izay mitondra ho amin’ny tena fiainana (Jao 14..6)

2-Mitari-dàlana ho amin’ny tena fiainana

Endrika tonombavaka eto no anambaran’ny mpanao salamo hoe : « Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’izay tany marina  » .Ary ny tena fiainana ambaran’ny Soratra Masina eto dia ny fanjakan’ny fahamarinanana eo amin’ny tany marina ,fanafahana amin’ny fahoriana ka tsy hisy intsony izay mpampahory .Samy mba maniry fiaainana toy izany ihany isika eto anivon’ izao tontolo izao , saingy raha tsy manaiky hotarihan’ny Fanahy Masina ny olona dia tsy hahita ny làlana hahatongavana ho amin’izany fiainana tonga lafatra izany na oviana na oviana . Koa ho anao izay efa notarihan ‘Andriamanitra , ndeha mba hitarika ny hafa kosa indray .

Fanontaniana :

Tsapanao ve fa miasa eo amin’ny fiainanao tokoa ny Fanahy Masina ? Aiza ho aizan’ny tena fiainana ianao izao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 21 Mey 2023

NEHEMIA 9.29-31

1-Mananatra mafy

Any amin’ny Filazantsara dia anisan’ny anarana ilazana ny Fanahy Masina mihitsy ny hoe : « mpaminany hafa » (Jao 14.16) ,ary mazana ny fanananarana dia miseho amin’ny endrika fibedesana sy famaizana mihitsy aza, saingy fitiavana no tena antony , fialana nenina mba tsy hananan-dratsy . Eto dia mabran’ny Soratra Masina fa fitenenana mafy nataon’ny Mpaminany sy famaizana tamin’ny alalan’ireo firenen-kafa no nentin’Andriamanitra nananarana ny Zanak’Israely ,saingy hita fa nisy nahafay ka nampiova azy tanteraka izany . Misy fotoana rehefa tsapana fa mahamay ny fananarana mihatra aminy dia mibebaka izy, saingy rehefa milamindamina indray dia lasa miverina amin’ny avonavona sy fandavana an’Andriamanitra indray. Koa mananatra antsika ihany koa eto ny Tompo mba tsy hanao tahaka izany ,fa hitondra fahazavana sy fahapotehana mandrakizay ho an’ny danahintsika ny fandavana ny Tenin’Andriamanitra .

2-Mamindra fo sy miantra

Toetra maha-izy azy sy mampiavaka an’Andriamanitra ny hoe: mpamindra fo sy mpiantra .Koa miantso antsika izany na toy inona na toy nona fahotana vita dia vonona mandrakariva Izy hamindra fo aminao Andriamanitra rehefa mibebaka tokoa ianao ka mivonona hiala amin’ilay ota izay nandavo anao . Nataon’ireto firenen’Israely ireto izany ao amin’ny Neh 10 ka nanao fanekena mafy teo anatrehan’Andriamanitra izy ireo rehefa avy niaiky ny fahadisoany manoloana izany halehiben’ny famindrampon’Andriamanitra tamin’izy ireo izany . Ary dia nizotra tsara ny fanarenana indray ilay tànana izay efa rava rehefa miverina mankato ny làlan’i Jehovah izy .

Fanontaniana :

Namindrana fo isika,inona àry ny tokony hatao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM