FIFA / Mme Georgia 20 T nanompoana
FANASANA
FANASANA
Fanasana
Fanatanjahan-Tena sy Fampaherezam-Panahy
Reseo amin’ny soa ny ratsy !
Hotanterahina eto Madagasikara ny 25 Aogositra 2023 ka hatramin’ny 03 Septambra 2023 ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Firenena 7 no handray anjara amin’izany dia Comores, La Réunion, Maldives, Maurice, Mayotte, Seychelles, ary Madagasikara mpampiantrano. Taranja 17 no hilalaovana ka hibahan-toerana ny athlétisme miampy ny football, volley-ball, basket-ball (5×5 sy 3×3), handball, rugby à 7, pétanque, tennis, tennis de table, badminton, natation, karate, judo, lutte, boxe, haltérophilie, ary ny cyclisme. Ireo no tapaka tamin’ny fivorian’ny filankevitra iraisam-pirenena momba ny Lalaon’ny Nosy izay natao teto Antananarivo ny faran’ny herinandro teo.
Amin’ny fandraisana lalao iraisam-pirenena toy itony dia fifaliana ho an’ny firenena mpampiantrano hatrany ny fampahafantarana ny tsara rehetra ao aminy sy ny fahaiza-manaony amin’ny lafiny rehetra mba hitondra fahombiazana eo amin’ny lafiny ara-barotra sy fizahantany ary ara-tantara manoloana ny fandalovan’ny vahiny mpandray anjara maro. Amin’ny maha hetsika lehibe ara-panatanjahantena azy aloha dia tsy maintsy ny taranja hilalaovana sy ny fotodrafitrasa handraisana ny lalao no voaresaka voalohany. Amin’ny ankapobeny dia maro no tsy afapo tamin’ny fanapahan-kevitry ny filankevitra iraisam-pirenena momba ny Lalaon’ny Nosy satria nahena be ny isan’ny taranja hilalaovana ary ny fotodrafitrasa eto Antanananarivo ihany no hampiasaina.
Ho antsika Malagasy manokana dia tokony ho fotoana fanararaotra hahazoana traikefa amina lalao iraisam-pirenena ny fampiantranoana tahaka izao, kanefa maro izany ny atleta tsy afaka handray anjara, dia mety ho maro koa ny medaly tokony ho azo nefa votsotra, raha tsy hilaza afa-tsy ny beach soccer sy ny rugby à XV sy ny kick boxing ohatra, izay tsy misy olana akory ny fotodrafitrasa. Anisan’ny nitaraina sy naneho ny alahelony koa ny solotenan-ndry zareo avy atsy La Réunion ka nilaza fa tsy mitombina ny fanesorana ireo taranja filalao an-dranomasina toy ny surf sy ny voile, amin’ny maha -nosy antsika rehetra. Araka ny fanazavan’ny filankevitra dia ny tsy fahampian’ny fotoana nanomanana sy ny tsy fandriampahalemana mandritra ny fivezivezena no antony namerana ny isan’ny taranja.
Ankoatran’izay dia manana olana koa ny sehatra ara-barotra sy ny fizahantany araka izany satria tsy afaka hiala lavitra ny renivohitra ny vahiny kanefa any amin’ny faritra no tena ahitana ny ankamaroan’ny tontolo mahasarika ny mpizaha tany. Taorian’ny vanim-potoana nahamafy ny aretina Covid teo dia iaraha-mahalala fa nihena be ny fampidiram-bola amin’ny alalan’ny fizahan-tany, izao no tokony fotoana hanarenana miandalana izany kanefa dia tsy afa-manoatra indray.
Tsy ireo ihany no feo miiba re amin’ity Lalaon’ny Nosy ity, fa niteraka resabe eo amin’ny lafiny serasera sy fifandraisana koa ny hira faneva izay arahana resaka politika aty ambadika, sy ny nandokoana ilay maki hita amin’ny sary famantarana ho araka ny lokon’ny LGBT. Mbola sarotra amintsika mihitsy hatreto ny tsy mampiditra resaka politika ny zavatra hafa rehetra.
Hetsika hampiakarana avo ny fanatanjahantena sy hampiraisana ny olona rehetra ny Lalon’ny Nosy, saingy voasemban’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fanomezan-toerana tsikelikely ny framasao ary ny ambadika politika. Manome endrika ratsy ho an’ny mpitondra sy ny firenena manontolo ary ny fanatanjahantena izany,
Tsotra ny hafatry ny Filazantsara amin’izany rehetra izany: “Aza mety ho resin’ny ratsy ianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy” (Rom. 12, 21). Jesoa Kristy no fampihavanana, ao Aminy no anorenana ny asa tsara rehetra; Satana kosa manao izay handavoana sy hampifandrafy ny olona amin’ny fomba rehetra. Satana sy ny asa ratsiny rehetra anefa dia fahavalo efa resin’i Jesoa, izay nandray Azy dia efa nomeny Hery mba ho mpandresy tahaka Azy. Raiso ny Fanahy Masina, aoka ho mpandresy ianao.
Niry Rakoto
Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara
« Miorena tsara, aza miova » (I Kor.15 : 58)
HAFATRY NY SYNODAMPINOANA FAHAROA
KRISTIANA FJKM MIHAVAO SY MPANAVAO
Ry havana malala,
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo (I Kor.1, 3) !
Misaotra an’Andriamanitra isika fa tanteraka ny 11- 14 Mey 2023, teto amin’ny Synodamparitany Amoron’i Mania Ambositra (SPAMA 06), ny Synodampinoana faharoa, izay manao izao hafatra izao:
Ny Fiangonana sy ny Kristiana FJKM dia mihavao sy mpanavao.
Ny fahamarinana sy ny fanambadiana kristiana ary ny fitiavan-tanindrazana sy ny tontolo iainana no nodinihina tamin’izany. Andriamanitra Telo izay iray sy ny Soratra Masina irery ihany no iorenan’izany.
Eo anatrehan’ny andro mahaory dia taomina ny vahoaka kristiana hiorina amin’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, ka handà ny fampianaran-diso izay efa mielipatrana.
Ny fiainana tsy ilaozan’ny olana fa ny fananana an’i Jesoa velona dia mitondra ho amin’ny fandresena ka ananantsika ny tena fifaliana tsy resin’ny zava-misy eo anivon’izao tontolo izao.
Ampirisihana ny Kristiana hiaina ny Tenin’Andriamanitra hananany fiainam-panahy ka handinika manokana ny Efe.6, 10- 24.
Tsy maintsy atrehina ny olana ka manainga ny tsirairay hiasa handresy ny fahantrana. Taomina sy ampirisihana ny vahoaka kristiana hiasa ka ny manan-katao dia hampiasa ny volany mba hiteraka asa. Ny Malagasy isam-pianakaviana dia manana zo hanana tany sy hisitraka izany satria tsy vahiny eo amin’ny taniny izy.
Ny fanahin’ny fahafoizana sy ny fifampitsinjovana no manamafy sy mampiorina ny fihavanana.
Ny Fiangonana dia taomina hiantoka ny ankizy izay tsy maintsy nandao ny fianarany noho ny antony tsy fidiny.
Ny fitiavan-tanindrazana dia adidy aman’andraikitry ny Fiangonana sy ny Kristiana izay maneho ny finoany sy ny fiombonany. Maniraka ny Fiangonana sy ny Kristiana handray andraikitra amin’izay manandrify azy, ka ny akaiky indrindra amin’izany dia ny fifidianana Filoham-pirenena mba ho araka ny sitrapon’Andriamanitra tokoa ny vokatr’izany, mba hiainantsika miadana sy mandry fehizay (I Tim.2, 2)
Ny Kristiana dia tokony ho sahy no maritiora amin’ny fanehoana ny finoana sy ny fitiavan-tanindrazana.
Sarobidy ny tontolo iainana izay nomen’Andriamanitra antsika, koa aoka ho saropiaro amin’ny fikajiana sy ny fiarovana izany isika.
“Ary Andriamanitry ny fiadanana, izay nitondra an’i Jesoa Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ny maty, mitondra ny ran’ny fanekena mandrakizay, Izy anie hahatanteraka anareo amin’ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ny alalan’i Jesoa Kristy! Ho azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay ! Amena” (Heb.13: 20- 21).
Ambositra, 14 Mey 2023
Ny Filohan’ny FJKM
Dr. IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina
ASAN’NY APOSTOLY 2.1-13
Ny fisehoan’ny Fanahy Masina
Asa mahatalanjona sy mahagaga no nataon’Andriamanitra raha niseho tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina noraisin’ireo Apostoly tamin’ny andro Pentekosta Izy .
1-Ren’ny sofina
Trangan-javatra roa mifampitohy no nanaitra ny fandrenesana eto , andaniny ilay « feo tonga tampoka avy tany an-danitra , toy ny rivotra mahery mifofofofo ilay trano niangonany » izay maneho ny fanatrehan’Andriamanitra , ny heriny sy ny fahefany tsy hay tohaina ; ary ankilany ilay teny « tamin’ny fiteny maro samy hafa , araka izay nampitenenan’ny Fanahy Masina » an’ireo Apostoly izay milaza ny « asa lehibe ataon’Andriamanitra » .Hatrany amin’ny Testamenta Taloha dia vavahadin-tsaina iray nidiran’Andriamanitra amin’ny fanekena ataony amin’ny olony ny fihainoana « mihainoa ry Israely , Jehovah Andriamanintsika dia Jehovah iray ihany » (Deo 6.4) , ary mandraka androany dia mbola milaza ny sitrapony amintsika Izy , fa moa ve mba liana sy manongilan-tsofina hihaino izay lazainy tokoa isika ?
2-Hitan’ny maso
Tsy hitan’ny maso ny rivotra , fa ny vokatry ny asany izay mampihetsika ny ravinkazo no hahalalana fa misy izy . Ny Fanahy Masina miseho kosa dia hita tamin’ny alalan’ireo « lela maro mitarehin’afo , izay nizarazara ary nipetraka tamin’izy rehetra isan’olona » .Araka izany dia ny teny madio , voasedra tamin’ny afo no fanomezam-pahasoavana ahitana eo amin’ny olona na ao aminy ny Fanahy Masina na tsia .Tsy voatery hanaiky izany Tenin’ny fahazavana sy fiainana izany avokoa anefa izay mahita fa hisy izay ho very hevitra ary hisy aza izay haneso sy hanaraby .
Fanontaniana:
Ahoana no hahalalana ny olona feno ny Fanahy Masina ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM
Deo 29.1-5 / Marka 9.14-29 / Romana 14.13-23
Eksodosy 14.23-31 / Lioka 7.1-10 / 1 Petera 2.11-16
IORENAN’NY FAHAFAHANA NY TOMPO
DATY | TENY HOVAKIANA |
---|---|
01 | Jeremia 15.19-21 |
02 | 2 Timoty 4.9-18 |
03 | Jaona 5.1-9 |
04 | Mpitsara 4.14-24 |
05 | 1 Korintiana 7.17-24 |
06 | Eksodosy 6.2-8 |
07 | Jaona 8.31-38 |
08 | Jeremia 42.7-12 |
09 | Lioka1.68-75 |
10 | Asa 16.16-24 |
11 | Jaona 8.1-11 |
12 | Fitomaniana 5.1-22 |
13 | Asa 16.25-34 |
14 | Marka 10.46-52 |
15 | Salamo 66.8-12 |
16 | Salamo 66.8-12 |
17 | Isaia 49.8-13 |
18 | 1 Petera 2.11-16 |
19 | Lioka 4.14-22 |
20 | Eksodosy 14.23-31 |
21 | Asa 28.1-10 |
22 | 2 Korintiana 3.12-18 |
23 | Lioka 7.1-10 |
24 | Salamo 31.1-8 |
25 | Deo 29.1-5 |
26 | Salamo 33.12-22 |
27 | Marka 9.14-29 |
28 | Salamo 40.11-17 |
29 | Romana 14.13-23 |
30 | Salamo 124.1-8 |
JAONA 15.26-27
Ny Fanahy Masina araka ny tenin’i Jesoa
1-Mpananatra
Manohy ny fampianarana sy ny fananarana nataon’i Jesoa Kristy ho an’ireo mpanara-dia Azy ny Fanahy Masina, mba hitomboana amin’ny fahalalana sy hahafahany mitondra tena tsara araka ny finoana.Voalazany mihitsy moa ao amin’ny Jao.16,13 ny hoe : »fa tsy hiteny ho Azy Izy (ny Fanahy Masina io) fa izay ho reny dia holazainy avokoa , ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo ».
2-Irak’i Jesoa Kristy avy amin’Andriamanitra Ray
Hita eto ny momba ny Trinite, izay foto-pinoantsika .Maneho izao Tenin’i Jesoa izao fa tena tokana Andriamanitra, fa ho mariky ny fitohizan’ny asam-pamonjena ataony, sy mba hahafahantsika olombelona hahafantatra misimisy kokoa ny momba Azy Andriamanitra dia asehon’i Jesoa izao endrika fanirahana izao.Tsy hevitra fahasamihafana araka izany no tokony horaisintsika eto fa hevitra fitohizana , fiovan’ny endrika isehoan’Andriamanitra fa tsy fiovan’ny maha- Izy Azy .
3-Fanahin’ny fahamarinana
« ny Teninao no fahamarinana » Fanahin’ny fahamarinana » (Jao 17.17) . Ny hoe: « Fanahin’ny fahamarinana » araka izany dia azo ambara koa hoe : « Fanahin’ny Tenin’Andriamanitra » . Ny fahatakarana ny hevitry ny Soratra masina araka izany dia tsy efan’ny fanahy sy saina maha-olombelona fotsiny fa ny Fanahin’ny Tenin’Andriamanitra ihany no manome ny fahazavan-tsaina ka hahafantarana ny marina rehetra .
4- Vavolombelona manambara an’i Jesoa Kristy .
Tsy hitondra fampianarana vaovao tsy akory ny Fanahy Masina fa manamafy ny fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy vavolombelona misolo vava Azy.
Fanontaniana :
Inona no adidin’izay nandray ny Fanahy Masina , hoy I Jesoa ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM
EZEKIELA 11.14-21
Ny Fanahy vaovao omen’Andriamanitra no :
1-Manafaka ny mpifatotra
Mibahan-toerana eto amin’ny faminanian’i Ezekiela eto ity ny fampanantenana fanafahana izay hataon’Andriamanitra teo anoloan’ny fahababoana izay nahazo ny vahoakan’Andriamanitra . Ary hita eto fa Andiamanitra Izy tenany mihitsy no manome toky sy miantoka ny fahatanteran’izany , ka hoy Izy : » hovoriko … hangoniko …homeko ny tanin’Israely ianareo » .Misy fepetra apetrak’Andriamanitra ihany anefa eo amin’ny andininy faha-21 izay mitaky fahafoizana sy fandaozana tanteraka ny zava-dratsy izay nangeja teo aloha . Hatramin’ny ankehitriny dia mbola manome toky sy mampanantena antsika koa ilay zanak’Andriamanitra izay naharesy izao tontolo izao ka milaza fa » raha ny Zanaka no hanafaka dia ho afaka tokoa ianareo ».
2-Manadio sy mampiray
Rehefa babon’ny Jentilisa moa ireo vahoakan’Andriamanitra dia manjary nanao ny fanaon’ny Jentilisa koa ka tonga voaloto tamin’ny fahavetavetana teo anatrehany . Manoloana izany dia asehon’Andriamanitra eto fa Izy mihitsy no hanadio ny olona amin’ny alalan’ny fanomezany fo nofo ho solon’ny fo vato sy Fanahy vaovao ho ao anatin’ny olony . Fa ankoatran’izay ,rehefa nizarazara sy nifanilika ny samy Zanak’Israely dia ireo izay nijanona tao Jerosalema andaniny sy ireo lasa tany Babylona « diaspora » ankilany , dia asehon’iJehovah fa Izy no hampiray azy ireo indray araka ny maha-mpirahalahy azy . Nampahatsiahivin’ Andriamanitra an’i Ezekiela manokana izany eo amin’ny andaniny faha-15 , ary nohamafisiny ho an’ny rehetra eo amin’ny andininy faha- 19-20 .
Fanontaniana:
Ahoana no iainanao izan hoe : nahazo fo nofo sy fanahy vaovao avy amin’Andriamanitra izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM
| |
19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12
| |
26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14
| |
02. Ala. I man. Trinite
Salamo 44. 1–8 | Matio 12. 1–8 | 2Timoty 4. 16–18
| |
09. Ala. Il man. Trinite – SEKOLY FJKM
Ohabolana 22. 17–23 | Jaona 6. 34–40 | Efesiana 4. 11–16