Fanazavana Perikopa

Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina

Manonona ny fahasambarana ombam-piadanana ho an’ny rehetra. Amin’ity volana MEY 2023 ity no ibanjinantsika ny lohahevitra hoe: “Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina”. Koa amin’izany, raha anaovana tari-dàlana ny perikopa voalahatra amin’ny alahady voalohany sy faharoa dia asongadina ny endriky ny asan’ny Fanahy Masina.


 1 Mpanjaka 3, 16- 28 : Ny Mpamaky ny tantaran’ny Mpanjaka Solomona dia mahafantatra fa ny Fanahin’Andriamanitra no tao aminy, ka tonga antoky ny fahombiazany tamin’ny fitondrana ny vahoakan’Andriamanitra. Mba hampiorenan’i Solomona ny fanjakany dia nangataka tamin’Andriamanitra izy hoe: “omeo ahy mpanomponao saina malady ho entiko mitsara ny olonao hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa iza moa no mahay mitsara izao olonao betsaka izao?” (1 Mpanj. 3, 9). Koa ny Fanahy
Masina izay miasa ao anatin’ny olona no hahaizany manavaka ny marina sy ny tsy marina. Eto, ny olona manana ny maty dia tsy misaina afa tsy ny fahafatesana. Efa maty ny zanany, ka ny zaza velona izay sandohany ho azy dia tsy olana aminy raha maty toy ny azy rahateo. Fa izay manana fiainana dia mikendry fiainana ho an’ny hafa, ka naleon’ilay renin’ny zaza velona ho an’ny hafa ny
zanany toy izay handova fahafatesana.


 1 Tantara 12, 16- 18: Any am-pierena ny fahatezeran’i Saoly i Davida no manatona azy ny lehilahy mahery, dia lehilahy mahery niala tsy hanaraka an’i Saoly Mpanjaka, fa nifidy homba an’i Davida. Tamin’izany, Davida dia nino fa ny Fanahin’Andriamanitra no momba azy, ary mahafantatra ny ao anatin’ny olona iray. Izany no maha Andriamanitra ny Fanahy Masina: mahafantatra ny ao anatin’ny olona Izy, ka mamaly izay mpanao ratsy. Amin’izany, ny Valim-pitian’ny Fanahy Masina izay mitsara ny olona dia manome ny “Fiadanana”.


 Jaona 14, 25- 26: Nomen’Andriamanitra izao tontolo izao i Jesoa Kristy ho Mpamonjy. Niriaria tamin’ireo olona niara-niaina taminy Izy ka nitondra famonjena voaporofo sy tsy azo lavina (ny moana niteny, ny malemy nohotanjahina, ny tsy manan- kohanina novokisana, ny marary nositraniny, sy ny hafa maro) ary tamin’ny alalan’ireo fampianarana nambarany. Tsy maintsy ho tonga anefa ny hialan’i Jesoa Kristy eto amin’izao tontolo izao ity ka hiverina eo amin’ny fiandrianany Izy. Nambarany fa ny Fanahy Masina no Andriamanitra hiara-manjaka amin’ny olona aoriany. Izany no andro farany, dia andro anjakan’Andriamanitra Fanahy Masina amin’izao tontolo izao. Miasa toy Andriamanitra Ray sy Zanaka Izy ka ireto no tanisain’i Jesoa ho asan’Andriamanitra Fanahy Masina: Mpampiteny ny olony Izy (Zahao ny dihan’ny teny hoe: Mpananatra eto: Mpanampy na Mpampahery, na Solovava). Izy no Mpampianatra, izany hoe: manome ny hevitry ny teny rehetra nolazain’i Jesoa sy manoro ny ho fampiharana izany.


 Marka 12, 35- 37: Eto amin’ity perikopa ity, ny Fanahy Masina dia ambaran’i Jesoa fa mampiteny ny olona (toa an’i Davida eto) no asany. (and. 36). Mitondra toky sy fanantenana ho an’ny olona Izy, toy izay fanomezan-toky ho an’i Davida, dia Davida izay nanao ny andraikitry ny Mpanjaka no nisahana ny maha mpisorona ihany koa. Izany andraikitry Davida sy ny fanomezan-toky azony izany dia tandindon’Ilay Mesia ho avy ho Mpisorom-pihavanana sy ho Mpanjaka mpitondra ny vahoakany.


 1 Jaona 4, 1- 3: Ny Fanahy Masina ao anatin’ny olona no andraisan’ny Fiangonana finoana velona. Tsy hanana finoana velively, momba ny famonjena izay tsy manaiky ny Fanahy Masina hiasa ao aminy. Ny famonjena dia manomboka eo amin’nyfanekena an’i Jesoa Kristy ho Andriamanitra tonga nofo ka nandray ny ara-nofon’izao tontolo izao: mety maty sy anjakan’ny fahafatesana kanefa miara-mandray ny fandresen’ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fiakarana any an-danitra.


 Romana 8, 14- 17: Ny Fanahy Masina no manova ny olona ho olom-baovao, toy ny nateraka indray, ka zary afa-mijoro ho vavolombelona maha zanak’Andriamanitra azy ny olona iray amin’izany. Ny Fanahy Masina no mamatotra ny olona amin’Andriamanitra sy mampiombona azy amin’ny hafa ho mpiara-mandova ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.


Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV