Tsodrano Taombaovao

RAISO NY ANJARA TSODRANONAO !

Zavatra tsy azo avela amin’izao ny fahazoana ny Tsodrano, araka ny Soratra Masina. Ny Tsodrano, amin’ny teny frantsay dia Bénédiction, izay misy teny fototra hoe Bien. Ny Tsara, dia ny Tsara avy amin’Andriamanitra no ampitaina ao amin’ny Tsodrano.

TSODRANO

Ny ray no mampita ny Tsodrano ho an’ny zanaka, amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Ny Tanana ankavanana indrindra no tena ampitana izany. Misy ray izay tsy tiany loatra no hahazoan’ny zanany lahimatoa ny Tsodrano, dia ataony mifanapaka (croisé) ny tanany, ka ny tanany ankavanana dia apetrany amin’izay tsy lahimatoa, rehefa samy mandohalika eo anoloany ireo zanany.

Io Tsodrano io dia mety ho vola na harena, anarana, ny maha zokiny ao amin’ny fianakaviana, sns. Izany mitondra ny anaran’ny fianakaviana izany, ny maha zoky mitondra ny anaran’io fianakaviana io: tena Tsodrano ifandrombahana mihitsy izany.

KATSAHINA FATRATRA

Ny tantaran’i Esao zokiny sy Jakoba zandriny kambana aminy, no mampiharihary mihitsy ity fikatsahana fatratra ny Tsodrano ity. Ao amin’ny Gen 27: 35-36, dia hita i Esao nahatsiaro voa mafy tamin’izany tsy fahazoana Tsodrano izany: sady efa lasan’i Jakoba ny fizokiana, no nangalariny koa ny anjara Tsodranony. Ny anjara Fitahiana ho an’ny hafa io nangalaran’i Jakoba io.

Eo koa ny voalazan’ny Nom 22, ary ambaran’i Jod 11 hoe fanomezana Tsodrano hahazoana Tamby. Miendrika Kolikoly izany fanomezana Tsodrano ho an’ny olona tsy tandrify izany. Balama no mpikarama sy mpandray kolikoly hanome Tsodrano ny olona noraran’Andriamanitra tsy hahazo an’izany.

Ireo tantara roa ireo dia mampiseho fa, tsy azo atao ho zavatra maivana mihitsy izany very Tsodrano, na tsy nahazo Tsodrano, na nisy nisandoka ny anjara Tsodrano. Fa ny tantaram-piainanao manontolo any aoriana mihitsy no mizaka ny vokatr’izany. Katsaho izay anjara Tsodrano tokony ho anao. Fa naman’ny tsy misy toa an’i Esao sy ny taranany isika raha manao tsinontsinona ny anjara Tsodranontsika.

VOTOATINY

Ho tsongaina eto ny Tsodrano ao amin’ny Nom 6: 24-26. Voalohany, Andriamanitra miaro Izy. Ny fahavalo, ny aretina, ny loza voajanahary dia samy iarovan’ny Tompo avokoa ny olony. Faharoa, Andriamanitra mamindra fo Izy. Ny ota vita Taminy, ny heloka natao tamin’ny fiarahamonina dia samy avelany avokoa, mba hisokafan’ny varavaran’ny hoavy amintsika indray, rehefa avy nakaton’ny ota. Fahatelo, Andriamanitra manome fiadanana Izy. Fiadanana hita maso ho an’ny fiainana an-tany no ambaran’ny Testamenta Taloha (harena, fahasalamana, fahelana velona, fahavalo tsy mahakasika,…), ary fiadanana mahatratra ny fiainan-danitra kosa ny an’ny Testamenta Vaovao (fiadanam-po, filaminan-tsaina,…). Rehefa voatonona io Nom 6:24-26 dia ambara eo amin’ny and-27 fa, Andriamanitra mihitsy no hanao izay hahatanterahana ny anjara Tsodrano ho an’ny olony.

TSODRANO SAMY HAFA

Voalohany, ahoana re ny zavatra ataontsika nefa tsy nahazoana tsodrano avy amin’ny Tompo? Ohatra, mpivady vita soratra, nefa tsy mbola nohamasinina sy nahazo ny tsodranon’ny Tompo.

Faharoa, ahoana re ny zavatra ataontsika nefa tsy nahazoana  tsodrano avy amin’ny Ray aman-dreny? Ohatra, mpifankatia miray trano, nefa tsy vita na inona na inona. Tsy manaja na tsy manome voninahitra ny Ray aman-dreny.

Fahatelo, ahoana re ny zavatra ataontsika, nefa tsy nahazoana Tsodrano na tamin’iza na tamin’iza? Ohatra, ny fiarahan’ny lahy samy lahy, na vavy samy vavy.

Mangataha  ny Tsodranon’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy, fa ny Azy no ambony indrindra sy tsara indrindra ny Tsodrano.

Andriamampianina Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV