Ny Protestantisma/ fototra 7

Ny Protestantisma

Ny FJKM dia Fiangonana « Réformé », protestanta, teraka avy amin’ny fanitsiam-pivavahana (Réforme) niseho tany Eoropa 500 taona lasa izay.
I Martin Luther no nanomboka izany fanitsiana izany rehefa nahita fa maro ireo fampianaran’ny fiangonana katôlika no tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina.
Fa i Jean Calvin kosa no loharano nipoiran’ny Fiangonana « Réformé ».


Ireto avy ireo hevi-dehibe fito ny protestantisma :

1-« Sola gratia » na « ny fahasoavana irery ihany » :
 Mpanota ny olona rehetra eo anatrehan’Andriamanitra
Kanefa noho ny fitiavan’Andriamanitra azy dia anehoan’Andriamanitra ny fahasoavany izy .Tsy noho ny ezaka ataontsika no maha-voavonjy antsika fa noho ny : «FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA»
 Omen’Andriamanitra maimaim-poana ho antsika ny fahasoavany noho ny fitiavany antsika

2 – « Sola fide » na « ny finoana irery ihany » :
 Ny finoana irery ihany no antoky ny Famonjena.
 Ny finoana dia fandraisana sy fanekena an’i Jesoa Kristy hitoetra ao anatintsika. Ny finoana marina dia izay miorina amin’izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.
 Amin’ny alalan’ny finoana irery ihany no ahazoana ny famonjena fa tsy amin’ny fotokevitra sy ny asa soa ataon’ny olona.

3 – « Sola scriptura » na » ny Soratra Masina irery ihany » :
 Ny Baiboly na ny Soratra Masina no mirakitra ny Tenin’Andriamanitra
 Ao no mirakitra ny fanambaran’Andriamanitra ny tenany ary loharanon’ny finoana protestanta.
 Ny Baiboly dia mirakitra ny fampianarana avy amin’Andriamanitra fa nosoratan’olombelona kosa manondro an’i Jesoa Kristy avokoa ny boky ao amin’ny Baiboly. Ny fitsipi-pitondran-tenan’ ny mino dia faritan’ny Soratra Masina . Ny Tenin’Andriamanitra no tompon’ny fahefana ao am-piangonana

4 – « Solus Christus » na « Jesoa irery ihany » :
 I Jesoa Kristy irery ihany no Mpanalalana (mpanelanelana) ny olona amin’Andriamanitra .  I Jesoa Kristy irery ihany no lohan’ny fiangonana
 Tsy misy afa-tsy ny finoana an’i Jesoa Kristy, Andriamanitra tonga nofo hamonjy izao tontolo izao, maty sy nitsangana tamin’ny maty ihany no ahazoana Famonjena

5 – « Soli Deo Gloria » na « Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra » :
 Andriamanitra irery ihany no masina sy marina
 Tsy misy olona afaka hilaza fa masina sy marina kokoa mihoatra ny hafa
 Izay rehetra atao na ny fiainantsika dia ho voninahitr’Andriamanitra
 Mitaiza antsika hahay manetry tena izany ka ho fiainantsika ny mankalaza sy midera ny Tompo . Manao asa tsara fa tsy kitoatoa ho voninahitr’Andriamanitra fa tsy ho filan-dera sy ho fisehosehoana

6 – « Ecclesia semper reformanda » na « Mihavao hatrany ny Fiangonana » :
Ny Fiangonana sy ny fombany ary ny fampianarany dia havaozin’Andriamanitra sy mihavao mandrakariva nohon’ny asan’ny Fanahy Masina . Na ny endriky ny fiangonana, na ny rafitra sy ny fombany, na ny foto‐pampianarany dia mety ho simba sy hiova ho ratsy
Fa ny Protestanta dia resy lahatra ho amin’ny fiovana ho tsara mandrakariva sady miezaka ny hitsikera-tena ary manaiky hahitsy ny Fiangonana mba hivoarany amin’ny tsara kokoa

7 – « Sacerdoce universalis » na « Fanjakam-pisorona » :
  Tamin’ny andron’ny Jiosy tao amin’ny Testamenta Taloha, dia ny mpisorona be sy ny mpisorona no mifona ho an’ny olona ary manao fanadiovana (purification) mba handraisan’ny olona famelan-keloka


Fa amin’ny protestanta , ny kristianina tsirairay ao amin’ny Fiangonana dia « mpisorona » avokoa fa tsy ny mpitondra fivavahana ihany (pasitera, môpera….)…tsy manao confession.


 Ny kristianina tsirairay izany dia afaka mifona ho an’ny tenany mivantana eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka, nefa koa mivavaka ho amin’ny hafa mba handraisany ny famelan-keloka noho ny famindram-pon’Andriamanitra.mifona ho an’ny olona ary manao fanadiovana (purification) mba handraisan’ny olona famelan-keloka

Pasteur Eliezera

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV