Perikopa Des 2019.

Iaino ny fiadanan’ny Tompo.

Ity volana Desambra 2019 ity no mitondra ny Fiangonana ao anaty fanantenan’ny fiandrasana ny ho fihavian’ny Tompo Jesoa indray. Izany no banjininy ao anaty advento, in-efatra Alahady, mialoha ny Krismasy. Eto ny Fiangonana no mibanjina ny lohahevitra hoe: “Iaino ny fiadanan’ny Tompo”.

Raha mijery maika isika, azo adika ho fiadanana tokoa ve ny fahorian’ny fahatongavany ho olona tao an-tranon’omby? Ny tsy maintsy nitondrana azy handositra ho any Egypta noho ny fifofoan’i Heroda ny ainy? Anjaran’ny tsirairay no mamaly izany. Fa ity lohahevitra ity dia mamerina ny fiangonana handinika ny fototry ny fiadanan’Izy Tompo Andriamanitra, ka rehefa fantatsika izany loharano izany dia taomina ny Fiangonana handray izany ho loharanom-piadanany ihany koa. Koa ny perikopa voalahatra amin’ny alahady fahatelo sy ny fahaefatra no hoenti-mandinika izany.

  • 2 Tantara 14, 1- 6: Ny Fiadanan’ny Tompo Andriamanitra dia miseho amin’ny fiadanan’ny vahoakany. Anambaran’ny Mpanoratra io fiadanana io ny hoe: “nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany (teo anatrehan’i Asa mpanjaka)”. (and. 5). Koa mba hahazoana miaina io fiadanana io dia ireto no azo heverina ho loharanony: *manao ny tsara sy mahitsy eo imason’Andriamanitra (and.1), *mandrava na manao izay hanafoanana ny fivavahana amin’andriamani-kafa (and. 2, 4), *mitaona ny hafa hankato ny lalàna sy ny didin’Andriamanitra (and. 3), *miaro ny hafa amin’ny fahavalo, toy ny fananganana manda sy tanàna (and. 5, 6)
  • Malakia 2, 5- 6: Ny taranak’i Levy no mpanatanteraka ny asa fisoronana teo amin’ny Zanaky i Israely. Izy ireo no mpisorona, izay mpanelanelana ny olona amin’Andriamanitra. Izy ireo no mitondra ny hetahetan’ny vahoaka sy mampita ny hafatry ny Tompo Andriamanitra. Noho izany, miantraika mivantana amin’ny Fiangonana ny fahamarinan-toeran’ireo Mpisorona ireo, raha manao ny tsy marina izy dia mivaly ho fanozonana ny firenena ny tso-drano ampitainy (jereo and. 1- 2). Izy ireo no razamben’ny mpitondra Fiangonana ankehitriny. Koa ny fiadanan’ny Tompo Andriamanitra dia ireto: *ny mahita ireo olona nofidiany mihazona ny fanekena nifanaovan’Andriamanitra taminy ka noraisiny ho fanekeny ihany koa izany (and.5). *ny mahita ireo nofidiany matahotra an’Andriamanitra amin’ny ataony, ka manefy azy hiaina ny fahamarinana, na amin’izay ambarany, na amin’izay ataony satria miara-dalana aminy Ilay Andriamanitra naniraka azy (and. 6).
  • Lioka 10, 1- 7: I Jesoa no naniraka ny Mpianany hanambara Fiadanana ho an’izay mampandroso azy ireo. Tsy dia taratra loatra amin’ity perikopa ity ny endrika nisehoan’ny fiadanan’ny Tompo Jesoa. Na izany aza, eny amin’ny and. 21 sy ny manaraka vao ambaran’ny mpanoratra ny tena fiadanan’ny Tompo Jesoa nandre ny tatitry ny fanatanterahan’ireto mpianatra ireto ny iraka nampanaoviny azy. Koa azo atao tsara ny manentana ny Fiangonana hanatanteraka ny iraka nampanaovin’ny Tompo azy araka izay hita ao amin’ny Soratra Masina ka hanao tatitra momba ny fahombiazana satria izany no ho fiainana ny fiadanan’ny Tompo.
  • Lioka 1, 26- 38: Hevitra takarina any ambadiky ny tsy voalaza no anehoana ny fiadanan’ny Tompo Andriamanitra. Ilay tsy mahafoy ny olona hitoetra tsy hanana mpanjaka ka mampanantena an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpanjakany, Ilay ho tonga nofo ao an-kibon’i Maria. Koa ny fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny olona no ho fiainana ny fiadanan’ny Tompo.
  • Romana 14, 19- 23: Ny fiadanana sy ny fifampandrosoana no asain’i Paoly katsahin’ny Fiangonana. Ny fiheverana ny hafa mba tsy ho tafintohina ka hiverinenany amin’ny tsy finoany indray no azo takarina ho fiadanan’ny Tompo, dia Izy Tompo Andriamanitra tsy nihevitra ny tenany ihany fa nihevitra mandrakariva izay hananan’ny olona fiadanana ka antom-pihaviany ho olona.
  • Romana 15, 7- 13: Ny fiadanan’ny Tompo dia asehony amin’ny fahatanterahan’ny Voninahiny. Io voninahitr’Andriamanitra io dia mifototra amin’ny fahatsaran’ny fifandraisan’ny samy olona (and.7) ka hahazoan’ny Jentilisa ny famonjena fa tsy ho an’ny Zanak’Israely ihany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

Foibe JKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV