Mampiorina ny mino ny fizahan-toetra

Fanazavana PERIKOPA

Mandia ny volana fahatelo amin’ny taona isika Fiangonana. Volana ivoizana ny lohahevitra hoe: “mampiorina ny mino ny fizahan-toetra” ka io no maso amakiana ny perikopa voalahatra amin’ity volana ity. Indro atolotra ho tari-dalana ny voarakitry ny Filazantsara amin’izao volana izao. Eo amin’ny fampiharana dia tsy azo hadinoina ny mampifandray ny perikopa amin’ny maha karemy ny fotoam-piangonana ka avoitra ny fandinihan-tena ka hanehoana ny maha mpanjaka an’i Jesoa Kristy sy ny famonjeny. Azo atao tsara ny hitarika ny Fiangonana fandinihan-tena amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny.

  • Jaona 6, 1- 13: “Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan’ny Jiosy” (and. 4) sady fifalian’ny Fiangonana, ankehitriny, noho ny fahatsiarovana ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty. Indro i Jesoa namahana ny vahoaka. Ary rahoviana ny Fiangonana (na ianao) mba hamahana sakafo ho an’ny hafa? Eny, hanome sakafo manana amby ampy fa tsy zara fa homana? Indro i Jesoa nampanangona ny sisa tsy lany. Ny Fiangonana (olona tsirairay) ve mba afa-manangona ny sisa tsy lany sa faly hanary ireny na dia tsy fidiny ho azy aza.
  • Lioka 22, 24- 32 : Mitantara ny fifandiran’ny Apostoly momba izay ho lehibeny ity perikopa ity, ka amaritan’i Jesoa ny andraikitry ny Lehibe ho mpanompon’ny hafa. Amin’ny ankapobeny, ny tsirairay dia samy lehibe amin’ny asany avy. Koa moa ve manaiky hanompo ny mpiara-miasa aminy ve ny Fiangonana? Maro angamba ny hafana fo hanompo ny hafa saingy ampahatsiahivin’ny Tompo fa ny asan’ny Satana no sakana tsy hahatanterahana izany koa izay tsy mandray an’i Jesoa ho Mpiaro azy dia tsy hahefa ny fanompoana ny hafa satria Izy no mangataka amin’Andriamanitra ho amin’ny fahombiazan’ny maha lehibe mpanaraka an’i Jesoa Kristy antsika (and. 32)
  • Lioka 8, 11- 15: Ny Fiangonana dia azo oharina amin’ny Mpamafy ny Tenin’Andriamanitra. Tsy ifidianana karazan’olona amafazana izany. Koa ianao Fiangonana io, fotoana manao ahoana no anekena ho mpamafy ny Tenin’Andriamanitra amin’ny hafa fa tsy ho mpandray ny teny? Firy ny Tenin’Andriamanitra noraisinao dia firy tamin’ireny no nozarainao tamin’ny hafa. Karazan’olona manahoana no izaranao izany. Tsarovy anefa fa misy fahavalo mpandrava ny tenin’Andriamanitra zaraina amin’ny hafa dia: ny devoly (and. 12), ny fakam-panahy (and. 13), ny fiahiana sy ny  harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao (and. 14). Moa ve anananao ny fitaovana andresena ny fahavalon’ny tenin’Andriamanitra afafy ho an’ny olona rehetra?
  • Matio 22, 1- 10: Ny Tompo dia manasa ny Fiangonana ho ao amin’ny fanjakan’ny Lanitra. Moa ve isan’izay tsy rototra amin’izany ianao ka manao ny zava-maivana ny Fanasan’ny Tompo ianao? (and. 5). Ankoatr’izany, ambaran’I Jesoa ho tsy mendrika ny karazan’olona antsoiny ho amin’ny fanasan’ny Tompo kanefa manao zinona ny fiantsoana ka mandeha any amin’izay tiany, variana amin’ny asany, variana amin’ny varotra ataony, ary ny hafa aza manao izay hahafaty ny fiantsoana azy, moa va tsy ny mpamono izay Tompon’ny antso. Azonao atao ve ny manolo-kevitra ho an’izay tratran’ireo sakana tsy andraisany ny Fanasan’ny Tompo ireo ka mba hanekeny ny antso?

Eto am-pamaranana, azon’ny Fiangonana atao ny manovana ireny fanontaniana ilam-baliny ireny mba hahazoana mampiorina finoana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV