Alahadin’ny SAF 2023

Fandaharana iombonana

MAMERINA HO AMIN’NY FAHAMARINANA NY TOMPO

FANATREHAN’ANDRIAMANITRA

Fiarahabana Apostolika

Salamo 107.1-9

Hira FFPM 7

Vavaka fiderana sy fisaorana

TENIN’ANDRIAMANITRA

Hira 469.1,4

Fotoana ho an’ny ankizy sy tanora

Vavaka fangatahana ny fahazavan’ny Fanahy Masina

Soratra masina

-Jeremia 33.1-9

-Matio 9.9-13

-Efesiana 4.17-24

Hira 203.2,3

TORITENY

Vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra sy fifonana

Hira 418.1,2,3

Famelankeloka

Isaia 45.1-3 / Salamo 32.1-2

Hira FF 25

Fanekempinoana

ASAN’NY FIANGONANA

Rakitra : Hira Antoko Mpihira

Fanolorana ny rakitra : Hira 446.1,3

ASA VAVOLOMBELONA

Vavaka fangatahana

Hira FF 17.2

TSODRANO

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra .

Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina . Amena

Toky Rakotoarisoa /25T niasana

Toky RAKOTOARISOA, Teknisiana, Mpanentana RADIO FAHAZAVANA
Hanamarika ny faha-25 taona niasany


RAKOTOARISOA Mahatokihaja no tena anarany feno, fa Toky RAKOTOARISOA kosa no
hahalalan’ny maro azy ao amin’ny RADIO FAHAZAVANA.
Mahakasika ny “Communication”, ny fianarana nataony. Ny taona 1997 no efa nanombohany ny
asa tao amin’ny Radio Fahazavana, rehefa nahavita ny fiofanana rehetra: teknisiana,
mpanentana, fanaovan-gazety izy. Nitohy tato aoriana amin’ny fiofanana ho mpiasan’ny haino
aman-jery izany (Santatra Fahazavana).
Tsara ihany ny mampahatsiahy fa fony teny Faravohitra ny Onjam-peo dia efa nanatontosa
fandaharana isaky ny alahady izy; Mampiditra antso an-telefonina (09 h 00), mampilalao an-
tariby sady mizara fanomezana avy amin’ny mpanohana (« Sôma fitsaharana »: 12 h 00).
Ary ilay fandaharana hoe: Fantaro ny zavatra rehetra, hazony mafy izay tsara (16h 00)manome
lohahevitra ny mpandray anjara dia misy manam-pahaizana manokana momba ilay lohahevitra
manome fintina any amin’ny farany.
Mbola am-perin’asa ankehitriny izy ary misehatra ny resaka teknika, manatontosa fandaharana
roa: « Tafasiry mpahay kanto »; « Ny ankizy sy ny tontolony ».
Tsapa fa tsy mora ny lalana nodiavina ka tapa-kevitra ny hankalaza an’Andriamanitra sy
fisaorana Azy fa feno 25 taona tamin’ny taona 2022 lasa teo izany fitahiany ny mpanompony
izany, izay hotanterahina ny 19 Martsa 2023 eny amin’ny FJKM FIHAVAOZANA MANJAKA ILAFY,
Synodamparitany Iarivo avaradrano, ny fanokafana ny maraina amin’ny 09 h 30, ary mitohy ny
tolakandro izany amin’ny fampisehoana hataon’ny AMPIFITIA. Hisy fivarotana “plaquette”
hahazoan’izay rehetra mandray anjara fitaovana na fahatsiarovana ho azy, hisy koa sakafo eny
an-toerana ny tontolo andro.
Raha sitrapon’ny Ray dia hitohy ny fankalazana ka ny ivony dia ny tapatapaky ny taona any, ny
famaranana kosa dia amin’ity taona ity ihany. Misy hetsika maro mandritr’ity taona ity fa entina
eto ihany izany toy ny “braderie”, “opération menu”, antsa an-kira hiarahana amin’ny chorale
marobe, ny « Déjeuner concert » sady misy fampisehoana iarahana amin’ireo groupe marobe”.
« … ka na dia kely aza no niandohanao dia ho lehibe indrindra no hiafaranao » Joba 8 : 9
“Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an’i Jehovah izahay”, ( Josoa 24: 15b). Io no
teny faneva nosafidiana amin’izao. An’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

Ny Komity

Pejin’ny vehivavy

NY FAHANTERANA


Ny Vehivavy dia tsikaritra fa mora miova ary antitra haingana kokoa ny toe-batany
raha mihoatra amin’ny Lehilahy na mitovy taona izao aza. Tena marina izany satria
be dia be koa ny sahaniny sy hiasana saina eo amin’ny andavanandrom- piainana.
Ireto misy toro-hevitra maromaro afaka hatao afaka hisorohana izany:

  • Ny rarin-tsaina, tsy azo ialàna tanteraka fa ataovy izay hampihenana azy araka izay
    azo atao, tsy maka sarotra loatra dia miezaka mampifalifaly tena rehefa tratrany.
  • Ny tsy fahampian- torimaso, raha azo atao dia ezahana mba tsy atao, ezaho ho
    feno valo ora foana ny torimaso fa tena hitany be amin’ny vatana izany. Ny olona
    mitaiza kely ary tsy hita izay hanaovana azy, fa dia mahaiza ihany koa mba
    manararaotra kely rehefa mba matory izy ny atoandro.
  • Ny fihinanana mamy be matetika loatra, misy fiantraikany be amin’ny hoditra,
    mampikentrona haingana be, ohatra: ny fihinanana mofomamy .
  • Mila miezaka mijoro tsara, izany hoe mila mipetraka mahitsy tsara fa tsy
    mivonkona ihany koa na mipetraka aza.
  • Ny tsy fahampiana rano, ny enim- polo isan-jaton’ny vatan’ny Vehivavy dia rano.
    Tena ilaina ny rano ary misy fiantraikany amin’ny hoditra ny tsy fahampian’ny
    amin’ny vatana ka mahereza misotro rano.
    Ny lesona azo havoitra dia mila mampifaly vatana ny Vehivavy, tsy hisian’ny rarin-
    tsaina. Atao hatrany izay mba hahampy ny torimaso, mila misotro rano fa misy
    fiantraikany be amin’ny hoditra ihany koa ny tsy fahampian-drano eo amin’ny vatana.
    Tsy ny Vehivavy ihany anefa no hampirisihina eto fa na ny lehilahy ihany koa ary
    satria efa tena hita mibaribary fa tena mafy ny adim-piainana amin’izao fotoana
    iainana izao. Mirary soa hatrany.

Rondro Vahatriniaina

Hazakazaka masina / Fanatanjahantena

Fanatanjahan-Tena sy Fampaherezam-Panahy

Hatomboka ny Hazakazaka Masina Fanatanjahantena !

Herintaona mahery izay no nanatanterahan’ny Fiangonana ny Hazakazaka Masina araka ny fanapahan-kevitry ny Synoda Lehibe XIX ny Aogositra 2021 tany Sambava. Raha atao bango tokana ny Hazakazaka Masina dia asa fanompoana an’Andriamanitra sy fitoriana ny Filazantsara, mitrandraka sy mampiasa ny fanomezam-pahasoavana rehetra (fahaizana amam-pahalalana, kolontsaina sy zavakanto, fanatanjahantena sy fampiasam-batana, …), sy miantefa amin’ny sokajin’olona rehetra (olon-dehibe, tanora, ankizy, lahy, vavy) ary mahakasika ny lafim-piainana rehetra (toekarena, sosialy, tontolo iainana, fiarahamonina, fianakaviana, …). Efa nandray fiofanana momba izany avokoa ny Synodamparitany rehetra sy ny Mpitandrina FJKM rehetra tao anatin’izay taona voalohany izay, ary maro ny asa efa tanterahina amin’izao fotoana izao.

Ankehitriny dia hatomboka ny Hazakazaka Masina Fanatanjahantena, araka ireto asa hotanterahina ireto:

  • Fanabeazana ny tanora sy ny ankizy mba tsy ho tonga amin’ny fidorohana zava-mahadomelina
  • Fitarihana ny tanora sy ny ankizy ho amin’ny fialam-boly araka ny sitrapon’Andriamanitra
  • Fitoriana Filazantsara amin’ny tanora sy ny ankizy amin’ny alalan’ny fanatanjahantena
  • Fampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny fitaizam-batana eny anivon’ny Fiangonana
  • Fampianarana ny olona hiaina ny fitiavana sy hampanjaka ny fifankatiavana

Ho fisantarana izany dia mikarakara hetsika “LALAO HAZAKAZAKA MASINA 2023” ny Vaomieran’ny Hazakazaka Masina Foibe, araka izao fandaminana izao:

  • Eny amin’ny kianja TPM Ivato sy Lycée Paul Minault Androhibe no hanatanterahana ny hetsika isaky ny Sabotsy tontolo andro manomboka ny 15 Aprily 2023 ka hatramin’ny 24 Jona 2023.
  • Taranja efatra no hilalaovana: football à 11 sokajy lehilahy, basket-ball sokajy lehilahy, volley-ball iombonan’ny lehilahy sy vehivavy, pétanque triplette iombonan’ny lehilahy sy vehivavy.
  • Ny fandraisana anjara dia misokatra ho an’ny Fitandremana FJKM rehetra, ny Sampana sy Sampanasa ary Asa na Fikambanana Foibe FJKM.
  • Hatramin’ny faran’ity volana Martsa ity ny fandraisana ny andinindininy sy ny fisoratana anarana ao amin’ny Foibe FJKM trano Ifanomezantsoa Analakely varavarana 212 na miantso ny finday 034 02 736 53.

Ny fanokafana io tontolo andron’ny Sabotsy 15 Aprily 2023 io dia ny “Hazakazaka Masina Rodobe” miainga amin’ny 7 ora maraina eny amin’ny Lalambe Tsarasaotra mankeny amin’ny kianja TPM Ivato. Mitohy izany amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana fanamarihana ny faha-185 taona nisian’ireo Maritiora, arahana fampisehoana lalao baolina kitra (match de gala) ho fisantarana ny fampiasana ny kianja fanaovana fanatanjahantena, izay tsangabato atolotry ny Komity Fanorenana ny Tsangambaton’ireo Maritiora sy ny Komitin’ny faha-185 taona. Aorian’izay ny lalao tafiditra sahady amin’ny andro voalohany amin’ny “LALAO HAZAKAZAKA MASINA 2023”. Ny Kristiana FJKM rehetra no asaina hiombona amin’izany, indrindra ny “Hazakazaka Masina Rodobe”.

Santatra ihany ity “LALAO HAZAKAZAKA MASINA 2023” eto Antananarivo ity, fa ny fikasana dia hanenika ny Nosy izany amin’io taona 2024 io. Mba hahatanteraka izany dia efa eo am-piketrehana tahirin-kevitra momba ny Hazakazaka Masina Fanatanjahantena ny Vaomieran’ny Hazakazaka Masina Foibe ho lasitra iombonana eny anivon’ny Synodamparitany, Faritra, Fitandremana, Fiangonana, manerana ny sahan’ny FJKM.

Niry Rakoto

Fantaro ny Developpement Personnel

Fandalinana

Zavatra iray voizina mafy ankehitriny ny momba ny “développement personnel”.Hatrany
amin’ny tokontanin’ny finoana sy ny fivavahana dia idirany koa. Samy miezaka manamarina
izay fotokeviny ny mpomba sy mpitsikera azy io. Itondrana santionany eto ary ny hevitry ny
mpomba, ary ny hevitra aroson’ny mpitsikera azy. Niniana ny tsy nampiditra ny Soratra
Masina eto, fa ny fampitahana fotsiny aloha no natao.
Raha faritana tsotra ny “développement personnel », dia fahafantarana ny tena, ny talenta
miotrika ao anaty, ka hiteraka fahombiazana haingana eo amin’ny fiainana.

I.IREO FOTOKEVITRA 10 AO AMIN’NY « DEVELOPPEMENT PERSONNEL »


Ny zavatra ambaran’i Nicolas Sarrasin no entina eto, toy ny lalana haingana hahafantarana ity
“développement personnel” ity. Dia azontsika karohana hatrany izay hitomboan’ny fahalalana
momba ity.

  1. Aza mampijaly tena amin’ny saina tsy ahazoana fahafahampo. Manimba ny
    fivoaran’ny tena io, ka ny miverin-dalana miala aminy no hahatafavoahana
  2. Voleo ny toetsaina tsy mitampikitra amin’ny efa azo. Mahazo ny tena rehefa tsy
    mihazona ny efa eny an-tanana.
  3. Izay inoan’ny tena no itondrana ny fiainana. Ohatra, afaka manampy ahy daholo ny
    olona rehetra; manararaotra ahy daholo ny olona rehetra.
  4. Jereo ny lalana sy ny tanjon’ny fiainana. Ao amin’ny tena ny talenta sy filana izay
    hiteraka ny pitik’afo hahatongavana any amin’ny tanjona iriana.
  5. Manana lanja goavana ny tsirairay. Ireo olona mankasitraka ny tena no raiso ho
    fitaovana hisondrotan’ny tena ambony kokoa.
  6. Raha te hanana, dia mizarà. Fepetran’ny fiainana ny “nty sy nday”. Manome dia
    mandray, dia mitombo hatrany izay ananana. Ary ny fanomezana tsy materialy no tena
    mateza sy ambony indrindra, toy ny fitiavana sy fiombonampo ary ny fampaherezana.
  7. Ataovy ny fitiavana no iorenan’ny zavatra rehetra atao. Tsy maika hanome tsiny ny
    hafa, raha tojo olana. Ao amin’ny olana hatrany ny vahaolana sy ny soa fanararaotra
    hivoarana.
  8. Te hamerina izay efa nitaizana antsika isika. Tsy notezaina toy izany aho, hoy ny feo
    heno matetika. Ny ray aman-dreniko raha teo, dia toy izao no nataony.
  9. Ny ankehitriny no manana fahefana handrafitra ny ampitso. Raha saina miabo ny anio,
    dia ho tafita ny tena rahampitso.
  10. Afaka miova saina ny tena, fa tsy baikoin’ny zava-misy manodidina.
    Raha aseho ny fintina lazain’ireo, dia ireto no azo tsoahina: henoy ny fahendrena avy ao
    anatinao; atreho ny anio , aza miandry fankasitrahana avy amin’ny hafa ; misy harena miafina
    ao amin’ny tsirairay ao.

II.IREO TSIKERA 7 MOMBA NY “DEVELOPPEMENT PERSONNEL”

Ireo fotokevitra 7 anakianan’i Jean-Pascal Guillon no entina eto.

  1. Manosika ny tena hiova tanteraka io “développement personnel” io. Tsara ny manaiky
    hiova. Tsara kokoa ny mandinika tsara izay tokony hovana. Fa ny manova izay hita fa
    niteraka olana teo amin’ny tena kosa no tena olana entin’ny “développement
    personnel”. Hiova vady na hiova asa isaka ny misy olana ve? Sao efa endrika
    famonoantena izany. Raha raisina ho zavatra misy na tandra vadin-koditra eo amin’ny
    fiainana sy ny asa ireny, dia atrehina, ary ho voavaha.
  2. Misy vokany haingana ny fiovana, hoy ny mpomba ny “développement personnel”.
    Ny tsy fahombiazana sy ny fahakiviana mahazo matetika aza no fanoitra nampijoro.
    Ary ny fiovana tsikelikely no tena mitondra any amin’ny fiovana goavana. Tsy misy
    fiovana goavana azo haingana sy vetivety izany. Izay tsy mahandry an’izay no ho diso
    fanantenana goavana sy lalim-paka.
  3. Hampikorontana ny tena io “développement personnel » io. Ho an’ny ankamaroan’ny
    olona, izany hitantara ny fahavoazany amin’ny olona « coach » mpitari-dalana azy, ny
    hanaiky ny fahatsontsany, dia zavatra mahamenatra sy maharary.
  4. Ny fanasohasoana ny tena no anisan’ny voizin’ny “développement personnel”. Azo
    atao tsara anefa ny manaiky ny fahalemen’ny tena, dia afaka amin’io geja io.
  5. Mino tanteraka izay lazain’ny coach, ary manaraka manontolo ny torohevitra omeny,
    hoy ny “développement personnel”. Izay manaraka izany dia ho sahirana tsy afaka
    manombo-javatra mihitsy, ary fiankinan-doha toy ny miandry zava-mahadomelina sy
    fanafody hahatonga lafatra izany.
  6. Misy ny zava-miafina tokony hampitaina ao amin’ny “développement personnel”.
    Filalaovana ny tontolo ara-panahy sy mankany amin’ny sekta izany, hoy ny tsikera.
  7. Matokia ny tenanao, hoy ny “développement personnel ». mampitoka-monina
    tanteraka ny voka-dratsy aterak’izany. Efa ialana izay mitondra olana, ny tena ihany
    no vahaolan’ny tena. Ambavaloza tanteraka izay olona tafiditra lalina ao.
    Antenaina fa hitondra fahazavan-tsaina ho antsika ny fahafantarana ny “développement
    personnel », sy ny tsikera momba azy, na dia sombiny ihany aza.
    A. Zaka, Mpitandrina

SFL/ HAFATRA KF

SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA

« Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany” Mat 5, 47b

“Que faites- vous d’extraordinaire?” Mat 5 ,47 b

“What are you doing more than others?”Mat5, 47b

                   “Ary izaho kosa  haneho aminao ny finoako amin’ny asako.”    Jak 2: 18b

                                               Miorena tsara aza miova” IKor 15, 58 b      

HAFATRY NY KOMITY FOIBE SFL NOTANTERAHINA TETO AMIN’NY « FITAHIANA LODGE » AMPEFY NY 14, 15, 16 FEBROARY 2023.

« Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika izay nitahy antsika tamin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenana iza tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika. » Ef 1 : 3-4

Tanteraka soamantsara ny fivorian’ny Komity Foibe Sampana Fivondronana Laika tao Ampefy, ny 14,15,16 Febroary 2023. Ny fanompoam-pivavahana fanokafana dia notanterahina tao amin’ny FJKM Ziona Vaovao Ampefy, izay natrehin’ny Mpiandraikitra Foibe Mpiahy, Atoa RATSIRAHONANA Lalaina Harilanto, sy ny Mpanampin’ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana, Atoa RAVELONANOSY Mamy Tiana, Mpitandrina, ny fivoriana dia natao tao  amin’ny Fitahiana Lodge Ampefy  .

Tao anatin’izany no nahatsapana fa :

  • Miroso amin’ny fahatsarana mandrakariva isika eo amin’ny lafin’ny fitantanana vokatry ny fanahin’ny fahafoizana
  • Mivoaka ny Boky Etika edisiona faharoa ary efa azo jifaina izany.
  • Entanina ny Kristianina rehetra, indrindra isika vahoakan’Andriamanitra izay antsoina hoe Laika mba hijoro ho filamatra ka laika Mandà Kolikoly .
  • Aoka isika hiaina sy hijoro ny maha Laika, Ampitaina amintsika fa hatao ho tsangambaton’ny faha 45 taonan’ny Sampana Fivondronana Laika ny Centre d’Accueil any Mahajanga, koa miomana isika hiara-mientana amin’izany
  • Hotanterahina any Toliara ny Zaikabe sy ny Fihaonambe 2024, koa aoka isika handamina  mialoha ahafahantsika miatrika izany.
  • Miroso hatrany isika amin’ny fanatanterahana ny Hazakazaka Masina, hanao zava-dehibe 2T sy 2F, ao anatin’izany ny fanaovana ny TSENABE LAIKA, sy ny fananganana loharanombola maharitra.
  • Amporisihina isika vahoakan’Andriamanitra mba hanjifa sy hiaina ireo boky fitaizam-panahy izay natonta toy ny alim-piambenana, boky torolalana herinandro mihoatra noho ny sasany, boky fananganana VFL, Lafy efatra, hevitry ny Zioga.

Koa mampahery antsika vahoakan’Andriamanitra rehetra samy hiezaka hanatanteraka sy hanao ho laharampahamehana  ireo asa napetrakin’ny Tompo amintsika ireo.

“Ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako” Jak 2,18bs

Eto am-pamaranana dia mirary taom-piasana feno fahombiazana ho antsika rehetra eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina sady manao veloma anareo amin’ny Anaran’ny Tompo Jesoa !

Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Sampana Fivondronana Laika

NY FILOHA SFL

Ramatoa RAMANANA Fiainantsoa

Talata 07 Martsa 2023

I Jesoa no mitoriteny ka mampianatra antsika anio mba :

1-Hihavao amin’ny fitiavana (and43)

Fampahatsiahivana no bokin’ny lalàna (Lev 19.18) no hampidiran’i Jesoa ny fampianarany :  » Efa renareo fa voalaza hoe : Tiava ny namanao ary mankahalà ny fahavalonao« , izany hoe : tsy zava-baovao no lazainy fa ny fomba tokony hiainana marina ny voalazan’ny Soratra masina no atorony ka ilazany hoe : « fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo » .Tian’i Jesoa asongadina tsara fa ny tena fitiavana dia tsy izay haseho amin’ny olona akaiky ,fa ny olona rehetra na mpino na tsy mpino dia samy mahay mitia ny akaiky azy avokoa ,fa ny tokony hampiavaka izay mino an’i Jesoa dia ny fahaizana mitia na dia izay heverina fa tsy tokony hotiavina aza. Tsy « teoria » ny an’i Jesoa fa tena niainanany ka ny mpamono azy aza mbola nangatahiny famelankeloka (Lio 23.34) . Ahoana kosa ny anao ?

2-Ho tahaka an’Andriamanitra (and 48)

Ny tanjon’i Jesoa amin’izao fampianarany izao dia hahatonga izay mandre sy manara-dia Azy hanan-toetra madio tsy misy fitaka tahaka an’Andriamanitra Ray , izany hoe : tsy manavaka na iza na iza ary manenina aza amin’izay saiky hampitondrana faisana izay manao ratsy ny tena (Jona 3.10) , indrindra moa raha mibaboka izy ireny . Manomboka anio àry , aoka hanana fo tahaka an’Andriamanitra isika , mahay mitia ,mahay mamela ,mahay mamonjy ny hafa .Inona tokoa moa ny mampiavaka antsika amin’ny mpinon’ny fivavahana hafa raha tsy mahay mitia isika .

Fanontaniana :

Manao ahoana ny fanatanterahanao ny fitiavana izay heverina ho fahavalo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Hafatry ny Filoha/ Martsa 2023

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


Fa raha Filazantsara
No mameno ny aty fo
Sy mameno ny tanàna,
Mameno ny isan-tokantrano,
Mameno toeram-piasana,
Sy sekoly sy hopitaly,
Tribonaly, ladoany,
Ary tobi-miaramila,
Ary ho tonga hatreny an-tsena
Sy toeram-pilanonana,
Dia handositra avokoa
Ireo faharatsiana sesehena
Miteraka ny kolikoly,
manamaro ny herisetra
sy vono olona mpitranga.
Dia hihena be dia be
Ny habibiana samihafa.
Ka ny olona ho Olona,
olom-pirenena vanona,
ka tsy hahavanon-doza
handripaka aina, handatsa-dra
ka ny olona avy koa
no hoheverina ho moka
na ho sanatria akoho!
Fa raha Filazantsara
No mameno firenena,
dia ho sambatra eto isika,
koa andao e, milofosa:


VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


IRAKO AMMI

Alatsinainy 06 Martsa 2023

1 KORINTIANA 4.1-5

Samy mahazo hafatra avy amin’izao mofonaina anio izao na ny mpanompon’Andriamanitra na ny fiangonana .

1- Ho an’ny mpanompon’Andriamanitra (and1-3)

Voalazan’i Paoly Apostoly ato ny amin’izay tokony ho toetran’ny Mpitandrina ( tsy mpiandry ondry loatra no heviny eto fa olona miasa eo ambany fifehezan’ny lehibeny ,na mpitantana fananana ihany koa ) fa « tokony ho olona mahatoky » (and 2) izy, izany hoe : tsy mivadika amin’ny tompony fa manao araka izay hanirahana azy sy andraikitra napetraka taminy ,tsy mila sitraka amin’olon-kafa fa manao izay hahafa-po ny mpaniraka azy kosa . Mitaona antsika izay nomen’ny Tompo zara fanompoana manokana eo amin’ny fiangonana mba ho olona azo antoka , ary tsy mikely soroka manao ny anjara fanompoantsika ,tsy hila dera na hila sitraka amin’olombelona fa hanao ho zava-dehibe ny fanompoana na dia tsy mahafaly ny olona sasany aza ny fijoroana amin’izany amin’ny fotoana sasany . Manahaka an’i Jesoa isika raha mitoetra ho mahatoky .

2-Ho an’ny fiangonana (and4-5)

Ampianarin’i Paoly ihany koa ny fiangonana eto ny amin’ny tokony handraisany ny mpanompon’i Kristy izay hirahiny . Tsy anjaran’ny fiangonana ny mitsara ka hanameloka sy hitora-bato ny irak’Andriamanitra . Izany no ilazany hoe: « Koa aza mitsara na inona na inona alohan’ny fotoana , dia ny fiavian’ny Tompo izay hampiharihary ny zavatra takona … » (and5) .Ny anjaran’ny mpino araka izany dia ny mandray ny hafatr’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Manao ahoana ny fandraisanao ny mpanompon’Andriamanitra manatanteraka ny asa fanompoany aoamin’ny fiangonana misy anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 05 Martsa 2023

ISAIA 1.21-26

Rehefa avy miantso ny olony hifandahatra Aminy (and18) i Jehovah dia maneho tsy miolikolika fa :

1- Diso fanantenana amin’ny olony Izy (and21-23)

Amin’alahelo no hilazan’i Jehovah hoe: « indrisy ! tonga janga ity tanàna mahatoky  » (and 21a), mivoitra eto fa tena mahavalaketraka an’Andriamanitra ny toetran’ny olony . Ny dikan’ny hoe : « janga » mantsy eto dia tena ilay fampirafesana an’Andriamanitra amin’ny sampy mihitsy ka hanoloran-tena hanompo sampy amin’ny fo sy fihetsika . Tsy vitan’ny fanompoan-tsampy ihany no nahazo vahana tao amin’ny vahoakan’Andriamanitra fa mbola maloto fo sy tia tena ka tsy mihevitra ny namany ka zary mpanangona tombotsoa manokana ary na dia hamonoana ny mpiray firenena aza dia tsy mampaninona azy . Izany no mahatonga an’Andriamanitra hilaza hoe : « Feno rariny izy taloha sady nitoeran’ny fahamarinana fa ankehitriny kosa dia mpamono olona no ao aminy  » (and 21b)

2-Vonon-kanarina ny olony Izy (and24-26)

Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao : niova fo ny vahoakany , saingy fiovampo miiba ka manilika an’Andriamanitra . Lalina anefa ny fitiavan’Andriamanitra fa na dia eo aza izany rehetra izany dia tsy mivonona hanary ny olona tanteraka Izy , fa mbola Izy indray no misisika miala nenina manao izay hiverenan’ny olona Aminy . « Hamerina ny tànako ho aminao indray aho » (and 25) ,hoy ny Tompo . Moa tsy isika izao ve izany nefa nomena i Jesoa hamonjy antsika , dia mbola hiziriziry ihany ve fa tsy handray Azy ? Moa hahita fitiavan-dalina tahaka izany va isika ?

Fanontaniana :

Raha mandinika ny fiainanao manokana ianao , velom-bolo sa diso fanantenana aminao kosa Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM