Hazakazaka masina / Fanatanjahantena

Fanatanjahan-Tena sy Fampaherezam-Panahy

Hatomboka ny Hazakazaka Masina Fanatanjahantena !

Herintaona mahery izay no nanatanterahan’ny Fiangonana ny Hazakazaka Masina araka ny fanapahan-kevitry ny Synoda Lehibe XIX ny Aogositra 2021 tany Sambava. Raha atao bango tokana ny Hazakazaka Masina dia asa fanompoana an’Andriamanitra sy fitoriana ny Filazantsara, mitrandraka sy mampiasa ny fanomezam-pahasoavana rehetra (fahaizana amam-pahalalana, kolontsaina sy zavakanto, fanatanjahantena sy fampiasam-batana, …), sy miantefa amin’ny sokajin’olona rehetra (olon-dehibe, tanora, ankizy, lahy, vavy) ary mahakasika ny lafim-piainana rehetra (toekarena, sosialy, tontolo iainana, fiarahamonina, fianakaviana, …). Efa nandray fiofanana momba izany avokoa ny Synodamparitany rehetra sy ny Mpitandrina FJKM rehetra tao anatin’izay taona voalohany izay, ary maro ny asa efa tanterahina amin’izao fotoana izao.

Ankehitriny dia hatomboka ny Hazakazaka Masina Fanatanjahantena, araka ireto asa hotanterahina ireto:

  • Fanabeazana ny tanora sy ny ankizy mba tsy ho tonga amin’ny fidorohana zava-mahadomelina
  • Fitarihana ny tanora sy ny ankizy ho amin’ny fialam-boly araka ny sitrapon’Andriamanitra
  • Fitoriana Filazantsara amin’ny tanora sy ny ankizy amin’ny alalan’ny fanatanjahantena
  • Fampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny fitaizam-batana eny anivon’ny Fiangonana
  • Fampianarana ny olona hiaina ny fitiavana sy hampanjaka ny fifankatiavana

Ho fisantarana izany dia mikarakara hetsika “LALAO HAZAKAZAKA MASINA 2023” ny Vaomieran’ny Hazakazaka Masina Foibe, araka izao fandaminana izao:

  • Eny amin’ny kianja TPM Ivato sy Lycée Paul Minault Androhibe no hanatanterahana ny hetsika isaky ny Sabotsy tontolo andro manomboka ny 15 Aprily 2023 ka hatramin’ny 24 Jona 2023.
  • Taranja efatra no hilalaovana: football à 11 sokajy lehilahy, basket-ball sokajy lehilahy, volley-ball iombonan’ny lehilahy sy vehivavy, pétanque triplette iombonan’ny lehilahy sy vehivavy.
  • Ny fandraisana anjara dia misokatra ho an’ny Fitandremana FJKM rehetra, ny Sampana sy Sampanasa ary Asa na Fikambanana Foibe FJKM.
  • Hatramin’ny faran’ity volana Martsa ity ny fandraisana ny andinindininy sy ny fisoratana anarana ao amin’ny Foibe FJKM trano Ifanomezantsoa Analakely varavarana 212 na miantso ny finday 034 02 736 53.

Ny fanokafana io tontolo andron’ny Sabotsy 15 Aprily 2023 io dia ny “Hazakazaka Masina Rodobe” miainga amin’ny 7 ora maraina eny amin’ny Lalambe Tsarasaotra mankeny amin’ny kianja TPM Ivato. Mitohy izany amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana fanamarihana ny faha-185 taona nisian’ireo Maritiora, arahana fampisehoana lalao baolina kitra (match de gala) ho fisantarana ny fampiasana ny kianja fanaovana fanatanjahantena, izay tsangabato atolotry ny Komity Fanorenana ny Tsangambaton’ireo Maritiora sy ny Komitin’ny faha-185 taona. Aorian’izay ny lalao tafiditra sahady amin’ny andro voalohany amin’ny “LALAO HAZAKAZAKA MASINA 2023”. Ny Kristiana FJKM rehetra no asaina hiombona amin’izany, indrindra ny “Hazakazaka Masina Rodobe”.

Santatra ihany ity “LALAO HAZAKAZAKA MASINA 2023” eto Antananarivo ity, fa ny fikasana dia hanenika ny Nosy izany amin’io taona 2024 io. Mba hahatanteraka izany dia efa eo am-piketrehana tahirin-kevitra momba ny Hazakazaka Masina Fanatanjahantena ny Vaomieran’ny Hazakazaka Masina Foibe ho lasitra iombonana eny anivon’ny Synodamparitany, Faritra, Fitandremana, Fiangonana, manerana ny sahan’ny FJKM.

Niry Rakoto

Perikopa 2023

Aprily: NY HERIN'NY FITSANGANAN'NY TOMPO

| | 02. SAMPANDROFIA-Sampana DORKASY
Zef 3.14-20/ Lio 19.29-44/ Apok 7.9-12

| | 06. Alakamisy masina
Sal 41.4-13 / Lio 22.47-53 / 2 Pet 2.11-16

| | 07. Zoma masina
Dan 9.24-27/ Lio 23.39-49 / Rom 5.6-11

FJKM Fahazavana

FJKM ANDAVAMAMBA KRISTY VELONA

26 Martsa 2023