Zoma 30 Septambra 2022

ISAIA 40.1-11

Miahy sy mikarakara ny olony ny Tompo

1-Mampahery

« Ampionony , ampionony ny oloko » (and1a) .Midika hoe : misento lalina,mangoraka,mampahery,miara-mitondra ny mavesatra ny teny fampiononana eto.Misento lalina ny Tompo manoloana ny fahababoana mihatra amin’ny olony .Adidin’ny Tompo ny zanany sy ny asan’ny tànany .

2-Mitory teny soa mahafaly

« Mitoria teny soa mahafaly » (and2) . Teny mipaka hatrany am-pon’ny olony no ambara eto . Teny soa milaza fanafahana sy famonjena , teny famelankeloka.Tsy mitahiry fahatezerana ny Tompo fa mamindra fo hatrany .

3-Mitondra fanavaozana

Manamboatra làlana , manandratra lohasaha , mampietry tendrombohitra sy havoana , manova ny tany saro-dàlana (and3-4) . Manana drafitra mazava hitondrana fanavaozana eo amin’ny vahoakany ny Tompo . Ny anjarantsika dia ny manaiky sy mandeha araka io lamina io . Jesoa Tompo Kristy io làlana sy fahamarinana manavao io .

4-Maneho ny voninahiny

« Dia hiseho ny voninahitr’i Jehovah ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany  » (and 5). Ny hanehoana ny voninahitry ny Tompo no ao ambadiky ny fahoriana sy ny fiaretana ary ireo fizahan-toetra samihafa izay mandalo .

5-Marina amin’ny teniny

« Ny Tenin’Andriamanitra haharitra mandrakizay » (and8).Tanteraka ary ho tanteraka hatrany izay voarakitry ny Tenin’ny Tompo .Teny tsy miova sady teny manova .

Fanontaniana :

Inona no hafatra ho an’ny firenentsika araka izao teny izao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 29 Septambra 2022

ASAN’NY APOSTOLY 24.10-23

Ny vavolombelon’i Jesoa Kristy

1- Manazava hevitra am-panajana

« Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin’ity firenena ity ka dia faly aho handahan-teny hanala tsiny ny tenako » (and10).Niatrika tamim-pahatoniana ny olombelona mpitsara i Paoly .Tsy nitratrevatreva fa nanazava hevitra am-panajana teo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina .Tsy izay mivazavaza sy be fihetsiketsehana no atao hoe : mahay mitory teny fa izay mahatafita hafatra am-pahendrena .

2-Mitory ny fitsanganan’ny maty

« Fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka » (and15) .Nifantoka tsara tamin’ny asa fitoriana i Paoly ary vao mainka narovany tsara ny foto-kevitra izay hiampangana azy momba ny fitsaran’ny lanitra .Sahia mijoro amin’ny fampianarana nomena anao fa aza mora miova hevitra rehefa manoloana ny olombelona na iza na iza .Ambarao hatrany ny marina .

3-Mikely aina hatrany

« Mikely aina koa aho » (and16) . Ataon’i Paoly ho zava-dehibe ny fitandroana hatrany ny Voninahitr’Andriamanitra .Tsy manamaivana ny velively ny fifandraisana aman’ olona ihany koa anefa izy .Amin’i Paoly dia sady fanatitra no fiantrana ho an’ny fireneny io fijoroany vavolombelona io .

4-Mahazo fandresena

« ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny » (and10b) .Tsy ny fiahiana ny ara-nofo no hibahan-toerana mialoha amin’ny mpanompon’ny Tompo .Rehefa atao lohalaharana ny Tompo dia Izy no miahy sy mikarakara ny mpanompony .

Fanontaniana:

Hazavao fa mananjara tokoa ny mpanompon’ny Tompo

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 28 Septambra 2022

MATIO 10.1-10

Ny mpianatry ny Tompo

1-Olom-boantso

Niantso ny mpianany i Jesoa (and1) . Nantsoin’ny Tompo amin’ny anarany tsirairay avy ireo mpianatra 12 lahy .Fantany tsara ireo ary nofidiany tao anatin’ny maro .Tsy ilay andraikitra nahafantarana azy taloha intsony no hahafantarana azy ireo. Ho anao koa : kristiana ianao ankehitriny , olom-boantson’ny Tompo ,olom-boafidy manokana , malala eo imason’ny Tompo, be voninahitra sady tiany .

2-Nomena fahefana manokana

Nanome fahefana azy ireo Jesoa (and1b) .Fahefana hamoaka fanahy maloto , hahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra .Tsy hamaha olana ara-panahy ihany ny fahefana nomena azy ireo fa mahakasika ny olona manontolo dia saina , vatana ihany koa .

3-Nomena iraka manokana

Nirahin’i Jesoa ka nodidiany ho any amin’ny ondry very any amin’ny taranak’Israely .Misy firotsahana mivantana ami’ny iraky ny Tompo .Misy toerana aleha ary misy ondrin’ny Tompo izay mila famonjena .Tsara ny mihaino sy mandray fampianarana fa efa fotoana firotsahana an-tsehatra amin’ny iraky ny Tompo izao .

4-Mahita fahombiazana

« ny mpiasa dia mendrika hahazo ny haniny » (and10b).Tsy ny fiahiana ny ara-nofo no hibahan-toerana mialoha amin’ny mpanompon’ny Tompo .Rehefa atao lohalaharana ny Tompo dia Izy no miahy sy mikarakara ny mpanompony .

Fanontaniana:

Hazavao fa mananjara tokoa ny mpanompon’ny Tompo .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 28 Septambra 2022

Ny mpianatry ny Tompo

1-Olom-boantso

Niantso ny mpianany i Jesoa (and1). Nantsoin’ny Tompo amin’ny anarany tsirairay avy ireo mpianatra 12 lahy . Fantany tsara ireo ary nofidiany tao anatin’ny maro .Tsy ilay andraikitra nahafantarana azy taloha intsony no hahafantarana ireo , fa mpianatry ny Tompo ireo Apostoly ireo . Ho anao koa : kristiana ianao ankehitriny , olom-boantson’ny Tompo , olom-boafidy manokana ,omena fahefana , malala eo imason’ny Tompo , be voninahitra sady tiany. .Fahefana hamoaka fanahy maloto

2-Nomena fahefana manokana

Nanome fahefana azy ireo Jesoa (and1b). Fahefana hamoaka fanahy maloto, hahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra .Tsy hamaha olana ara-panahy ihany ny fahefana nomena azy ireo fa mahakasika ny olona manontolo dia saina , vatana ihany koa.

3-Nomena iraka manokana

Nirahin’i Jesoa ireo ka nodidiany ho any amin’ny ondry very any amin’ny taranak’Israely . Misy firotsahana mivantana amin’ny iraky ny Tompo .Misy toerana aleha ary misy ondrin’nyTompo izay mila famonjena .Tsara ny mihaino sy mandray fampianarana fa efa fotoana firotsahana an-tsehatra amin’ny iraky ny Tompo izao .

4-Mahita fahombiazana

« ny mpiasa dia mendrika hahazo ny haniny «  (and10b).Tsy ny fiahiana ny ara-nofo no hibahan-toerana mialoha amin’ny mpanompon’ny Tompo .Rehefa atao lohalaharana ny Tompo dia Izy no miahy sy mikarakara ny mpanompony .

Fanontaniana:

Hazavao fa mananjara tokoa ny mpanompon’nyTompo

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 27 Septambra 2022

2 TIMOTY 2.8-13

Mikeleza aina hatrany ,ilay

1-Noho i Jesoa Kristy

« Tsarovy Jesoa Kristy izay nitsangana tamin’ny maty … »(and8) .Tena hery lehibe mampahery ny mpino hikely aina amin’ny fanompoana ary hiaritra ireo zava-tsarotra samihafa i Jesoa Kristy . Izy ,ilay niaritra ny mafy izay nihatra tamin’ny ainy kanefa nandresy .Izany fiaretany sy fandreseny izany dia mahatonga ny mpino hanana fanantenana velona sady hiandrandra fandresena ihany koa.

2-Noho ny Tenin’Andriamanitra

« ny Tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra » (and 9b) .Ny olombelona azo gadraina , ny mpanompon’Andriamanitra azo enjehina sy fatorana noho ny fanompoany an’i Jesoa Kristy fa ny Tenin’Andriamanitra kosa tsy mba toy izany . Tsy misy afaka mamatotra sy mametra ny fiasan’ny Tenin’Andriamanitra .Ny tantara dia mampahatsiaro antsika fa arakaraka ny nangejana ny fielezan’ny Baiboly teto amintsika no vao mainka nampiroborobo ny finoana .

3-Noho ireo olom-boafidy

« izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ny olom-boafidy mba hahazoan’ireny koa famonjena » (and10) .Tsy mampaninona an’i Paoly mihitsy ny fiatrehana ny zava-tsarotra noho ny finoana an’i Jesoa Kristy .Fantany fa hisy akony tsara amin’ny fijoroan’ny hafa amin’ny fanompoana ihany koa izany Jesoa izay efa nanambara hoe: « Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao dia ny mahafoy ny ainy hamonjy ny sakaizany » (Jao 15.13).

Fanontaniana :

Inona avy ireo antony mahatonga ny mpino haharitra hatrany amin’ny fanompoana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 26 Septambra 2022

JOBA 36.1-15

Ireo isan’ny mampiavaka ny Tompontsika

1-Ny fahalehibiazany

« Indro lehibe Andriamanitra  » (and5) .Tsy takatry ny sain’olombelona mihitsy izany fahalehibiazan’Andriamanitra izany . Tsy arakaraka io fahalehibiazany io anefa fa indro ny Tompo maneho ny indrafony amintsika .Maneho izany ny fiatrehan’ny Tompo am-pahatoniana izay ambaran’ny mpanompony na dia maneho tsy fahamatorana aza ireo mpanompony indraindray ka miady hevitra amin’ny fandaharany . Avo fipetraka Izy fa iva fijery .

2-Ny fitiavany

« Raha mihaino ka manaiky azy izy dia lany amin’ny fiadanana ny androny » (and11) . Ilay Andriamanitra fitiavana dia mandidy ny mpanompony hibebaka (and10) .Raha miaiky heloka sy miova famindra ireo , dia manome toky ny Tompo fa hiaina fiadanana hatrany izany olom-baovao niova fo izany .Mampahatsiaro ny tenin’i Jesoa tamin’i Zakaiosy izay nilazany fa izy koa dia zanak’i Abrahama. Na ny fiaraha-monina aza tonga vaovao avy eo.

3-Ny famonjeny

« Fa ny fahorian’ny ory kosa no entin’Andriamanitra mamonjy azy  » (and15) .Andriamanitra dia mikendry famonjena mandrakariva amin’ny mpanompony .Tsy mijery ivelany izy fa mijery ny toe-pon’ny olona .Mampahatsiaro ny tenin’i Jesoa Kristy momba ny « malahelo am-panahy » izay handova ny fanjakan’ny lanitra (Mat 5.3) sy ny ory izay hampifaliana izany (Mat 5.4) .Tsy mijery tavan’olona ny mpamonjy fa mpitsara marina .

Fanontaniana :

Inona avy ny fantatrao fa mampiavaka ny Tompontsika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 25 Septambra 2022

ROMANA 1.13-17

Ireo adidin’ny mpitory Filazantsara

1-Mampiroborobo ny fifandraisana hatrany

« tsy tiako tsy ho fantatrareo ry rahalahy fa matetika aho no efa nikasa hankaty aminareo » (and13).Maniry fatratra ny hisian’ny fihaonana mivantana amin’ireo mpino any Roma i Paoly .Tiany ho hita mivantana ny vokatra azo tsapain-tànana noho ny asa fitoriana . Zava-dehibe ny fifanakalozam-baovao sy firotsahana mivantana .

2-Mikely aina hatrany

« ananan’ny Grika sy ny firenena hafa rehetra , ny hendry sy ny tsy hendry trosa aho » .Tsy marina amin’ny asa fanompoana sy fitoriana ny filazana hoe : « Efa be izay vitako izay » .Trosa tsy ho voaloa na oviana na oviana ny nandatsahan’ny Tompo ny rany , izay mitaky antsika hijoro vavolombelona sy hitory Filazantsara hatrany hatrany .

3-Mazoto hatrany

« koa raha izaho dia mazoto hitory Filazantsara aminareo any Roma koa aho » (and15) .Mifampitohy amin’ny fahatsapan-tena fa mpitrosa ity resaka fahazotoana ity .Izay mahatsapa ny hasarobidin’ny famonjen’ny Tompo azy ihany no afaka hanana fahazotoana mitohy sy maharitra.

4-Mijoro vavolombelona hatrany

« Fa tsy menatra ny Filazantsara aho , fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany , amin’ny Jiosy aloha vao amin’ny Jentilisa koa « . (and16) .Mijoro vavolombelona i Paoly fa ny Filazantsara dia sady mitaona ny hafa ho amin’ny famonjena no sady tena herin’Andriamanitra lehibe mitondra izany famonjena izany . Mbola maro ireo mila antsika hijoro sy hanafaka.

Fanontaniana :

Inona avy ireo adidy miandry ny mpitory Filazantsara ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 24 Septambra 2022

ROMANA 15.30-33

Mpiray fanantenana isika

« mangataka aminareo aho ry rahalahy …mba hiarahanareo miezaka amiko » (and30). Miara-mitolona omban’ny fanampian’ny hafa no hevitry ny hoe: miara-miezaka eto .Manana ezaka iombonana isika ka tsy misy afaka miolonolona fa mifanampy sy miara-miezaka .Jesoa aza mbola nanendry mpianatra hiara-.hiatrika ny fanompoana . Mizara andraikitra isika fa tsy miolonolona .

2-Miara miombom-bavaka

« …mba hiarahanareo miezaka amiko amin’ny fivavahana amin’Andriamanitra ho ahy » (and30b) .Tsy afaka mitoky tena samirery ny mpitarika toa an’i Paoly fa mila ny fanampiana avy amin’ny Tompo ka ny vavaka avy amin’ny mpiara-manompo no anentanan’i Paoly eto .Mampahatsiaro antsika an’i Jesoa izay nitolona amam-bavaka fatratra mialoha ny hiatrehany ny hazo fijaliana izany .

3-Mifampizara izay mavesatra

Misy ny antom-bavaka mazava izay zarain’i Paoly eto : eo ny fiarehana ireo tsy mino any Jodia , eo ny vavaka mba hisian’ny fiombonana aina eo aminy sy ny mpianakavin’ny finoana , izay handray azy ary eo koa ny vavaka mba hisian’ny fihaonana am-pifaliana indray . Apetrak’i Paoly eo ambany fitantanan’Andriamanitra izany rehetra izany .

4-Mifampirary soa

Faranan’i Paoly amin’ny tsodrano firariantsoa izao hafatra izao .Fianarana ho antsika izany , fa mety hatrany ny mifampirary soa amin’ny mpianakavin’ny finoana (and33).

Fanontaniana:

Inona avy ny adidintsika amin’ireo mpiara-manompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 23 Septambra 2022

2 TIMOTY 4.1-8

Ny mpino mandray fananarana

1-Mazoto hatrany

« mazotoa na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana » .Mampita hafatra sy mananatra an’i Timoty eto .Manafatra izy mba hazoto hatrany amin’ny fanompoana i Timoty .Izay tena mandray fananarana dia maharesy ny hakamoana sy ny fahalainana ary ny fnagatahana andro .

2-Resy lahatra

« mandrese lahatra » (and2). Ny olona resy lahatra no afaka handresy lahatra .Miorina tsara ao amin’i Jesoa Kristy izy, ary mandresy lahatra ny hafa hino sy handray an’i Jesao .Resy lahatra noho ny fihainoana nyTenin’Andriamanitra , ary mandresy lahatra amin’ny fitoriana Filazantsara avy eo .

3-Mahonona tena

« ianao kosa , mahonona tena amin’ny zavatra rehetra » (and5) .Manafatra an’i Timoty iPaoly eto .Mampita fanilo izy ka mila fahamatorana tsara ny andraikitra amin’ny asa fitoriana .Mandresy ny fakampanahy rehetra , tsy manaiky ho voataona amin’ny fitaoman-dratsy rehetra ny mpino .

4-Mandova ny fiainana mandrakizay

Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana izay nomen’ny Tompo » ( 2 Tim 4.8).Fantatr’iPaoly fa efa mamaraparana ny zara fanompoany eto amin’ity tany fandalovana ity izy . Nambarany fa efa atolotra sahady izy ary efa mby akaiky ny andro fialany (and6).Vonona tanteraka anefa i Paoly ary mahatoky feno fa handova ny fiainana mandrakizay .Iriny indrindra mba hanana fanantenana mafy orina sady handova ny fiainana toa azy ireo rehetra »izay tia ny fisehoan’i Jesoa Kristy »

Fanontaniana :

Inona avy ireo toetra mampiavaka ny iraky ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM .