Zoma 23 Septambra 2022
2 TIMOTY 4.1-8
Ny mpino mandray fananarana
1-Mazoto hatrany
« mazotoa na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana » .Mampita hafatra sy mananatra an’i Timoty eto .Manafatra izy mba hazoto hatrany amin’ny fanompoana i Timoty .Izay tena mandray fananarana dia maharesy ny hakamoana sy ny fahalainana ary ny fnagatahana andro .
2-Resy lahatra
« mandrese lahatra » (and2). Ny olona resy lahatra no afaka handresy lahatra .Miorina tsara ao amin’i Jesoa Kristy izy, ary mandresy lahatra ny hafa hino sy handray an’i Jesao .Resy lahatra noho ny fihainoana nyTenin’Andriamanitra , ary mandresy lahatra amin’ny fitoriana Filazantsara avy eo .
3-Mahonona tena
« ianao kosa , mahonona tena amin’ny zavatra rehetra » (and5) .Manafatra an’i Timoty iPaoly eto .Mampita fanilo izy ka mila fahamatorana tsara ny andraikitra amin’ny asa fitoriana .Mandresy ny fakampanahy rehetra , tsy manaiky ho voataona amin’ny fitaoman-dratsy rehetra ny mpino .
4-Mandova ny fiainana mandrakizay
Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana izay nomen’ny Tompo » ( 2 Tim 4.8).Fantatr’iPaoly fa efa mamaraparana ny zara fanompoany eto amin’ity tany fandalovana ity izy . Nambarany fa efa atolotra sahady izy ary efa mby akaiky ny andro fialany (and6).Vonona tanteraka anefa i Paoly ary mahatoky feno fa handova ny fiainana mandrakizay .Iriny indrindra mba hanana fanantenana mafy orina sady handova ny fiainana toa azy ireo rehetra »izay tia ny fisehoan’i Jesoa Kristy »
Fanontaniana :
Inona avy ireo toetra mampiavaka ny iraky ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM .