Sabotsy 22 Janoary 2022

JAONA 17.1-5

Jesoa Krsity Zanak’Andriamanitra

1- Nandray fahefana hanome fiainana mandrakizay

« araka ny nanomezana Azy fahefana… hanome fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra nomenao Azy. » (and. 2)

Tonga ny fotoana izay hiatrehan’i Jesoa Kristy ny asam-pamonjena izay nampetraky ny Ray taminy. Ary tsy ho tonga izany raha tsy ny Ray no nanendry ny fotoana hahatanteraka izany. Nanoloana izany, dia nivavaka tamin’Andriamanitra Ray i Jesoa ,nampatsiahy ny Ray fa fahefana avy Aminy no ahafahan’i Jesoa manome fiainana mandrakizay ny nofo rehetra. Amin’ny alalan’i Jesoa Krsity no ahazoana mandova ny fiainana mandrakizay, ka izay rehetra te handova izany dia tsy maintsy mino an’i Jesoa Kristy. Ary nasehony tamin’ny asa rehetra nataony izany.

2- Manambara ny fiainana mandrakizay

« Ary izao no fiainana madrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Krsity, Izay efa nirahianao. «  (and. 3)

Tokana Andriamanitra, dia Andriamanitra Ray, Izay efa naniraka an’i Jesoa Kristy ho ety amin’izao tontolo izao. Ka ny fandovana ny fiainana mandrakizay dia ho an’izay mahalala ny Ray sy i Jesoa Krsity. Ny dikan’ny hoe « mahalala » eto dia tsy ny fahalalana amin’ny saina fotsiny ihany fa fifandraisana feno fahatokiana sy fitiavana Ilay fantatra. Ka ny fahafantarana an’Andriamanitra Tokana sy Jesoa Krsity dia tsy fepetra na fomba hahazoana fianana mandrakizay akory fa ilay fiainana mandrakizay mihitsy no teraka, mitombo ao anaty ary tonga amin’ny fanatanterahana izany ao amin’ny fiainana mandrakizay.

Fanontaniana :

Efa mitombo ao anatinao ve ny fiainana mandrakizay ? Amin’ny fomba ahoana?

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV