Ny doany Andriambodilova!

Ny Fivavahana Kristiana sy ny doany Andriambodilova

7-8-9 SEPTEMBRE 1929

TANTARA tsy fanadino !

Tamin’ny taona 1929 nisy fikasan-dRamiaramanana, lehiben’ny mpisorona tao tamin’ny sampin’Andriambodilova eo Anosisoa Ambohimanarina. Izany fikasana izany dia ny hoe: Hampiady Andriamanitra amin’Andriambodilova izay fihantsiana tamin’ireo kristiana. Naeliny tamin’ny Gazety Diavolana mihitsy izany mba hahatonga ny vahiny hanatri-maso izany, ankoatry ny mponin’Ambohimanarina indrindra fa ny kristiana tamin’izany fotoana izany dia tafakatra sy nijanona teto Antananarivo Ingahy Daniel Rajaofera, nantsoina koa hoe:Baba Rajaofera, evanjelistra, mpitory izay nambabo fon’olona marobe hibebaka tamin’ny toerana maro : tany Betsileo, tany amin’ny Bara, Antsihanaka, Faradofay, teto Imerina sy ny sisa… Tamin’ny fotoana naha teto Antananarivo azy indrindra no nitrangan’ny fikasan-dRamiaramanana HIHANTSY ny kristiana araka ny voalaza etsy ambony. Koa raha vao nahita sy nandre izany Ingahy Ratsimba, Mpitandrina tao amin’ny Fiangonan’i Betafo Ambohimanarina dia nandeha nihaona sy nidinika tamin’i Baba Rajaofera, izay efa nandre sy nahita ny gazety ihany koa.

Ny andro 7 septambra 1929 (Alakaosy) dia natao ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny fiangonana Betafo izay niantsoana ny kristiana. Vory marobe tokoa ny olona tamin’izany ary tamin’ny alin’io andro io, dia nisy Tsipika nampisaraka ny lanitra, ka ny ilany Andrefana dia maizina mikitroka fa ny ilany Atsinanana dia mazava toy ny diavolana. Io no fambara ny amin’ny “Adin’ny mazava sy ny maizina”. Noho ny hamaroan’ny olona dia nanapa-kevitra ireo Mpitandrina fa hafindra ao amin’ny Fiangonana Anosivavaka ny fanompoam- pivavahana ny ampitso.

Ny 8 septambra 1929 : Vao maraina mbola maizina dia efa feno olona nifanaretsaka ny lalana Ambohimanarina nanomboka tany Soarano ka hatraty Ambohimanarina. Niara-nihira ny hoe:“Avia Jehovah Tomponay (hira 438), ny olona. Feno hipoka ny Fiangonana Anosivavaka. Nafana aok’izany ny fanompoam-pivavahana. Tao ny nitondra marary ho sitranina, tao ny te-hivavaka ary tao koa ireo te-hahita zava-baovao. Tamin’izany no niteny mafy araka izay tratrany i Baba Rajaofetra ary nahagaga fa samy nandre tsara avokoa na ny tao anatin’ny fiangonana n

ny tany ivelany ary ambara fa samy niasan’ny Fanahy Masina izy rehetra. Fa tetsy ankilan’izany kosa ireo mpisoron-tsampy sy ny namany nizotra nankeny amin’ny Doanin’Andriambodilova, nively aponga, nandihy, nitsoka sodina sns…

Tao am-piangonana tamin’izay nandroso ny fanompoam-pivavahana, nohiraina im-pito ny Antema voalohany manao hoe:“Masina, Masina, Masina Jehovah Tompo“. Indro nisy Mazava Lehibe avy any an-danitra, ka nihohoka tamin’ny tany ny olona narahina ranomasom-pibebahana ary nisy koa setroka niala teo amin’ny alitara nandeha moramora nankany amin’ny olona rehetra. Nihorakoraka ny olona rehetra nijery izany hazavana miavaka sy fahagagana izany, boribory lehibe mitarehin-tsahafa izay tandindon’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.

Ny 9 septambra 1929: noho ny zava-mahagaga samihafa niseho araka ny voalaza etsy ambony, dia maro ny olona no nibebaka ka nanolotra ny odiny. Rehefa nifampidinika ny mpitarika ny fivavahana, dia nifanaraka fa ho tohizana indray eny amin’ny Fiangonana Anosisoa ny fotoam-pivavahana ny ampitso 9 septambra 1929. Natao ny asa fampaherezana, ka ireo narary tonga teo dia sitrana noho ny asan’ny Tompo ary dia tao koa no nandorana ireo ody maro isankarazany izay natolotry ny olona.

Nirefodrefotra sy nipoapoaka aoka izany ny fandorana azy ireo teo an-tokontanin’ny Fiangonana.

Zava-niseho ny 7-8- 9 septambra 1929 :Torana Ramiaramanana, ny omby saika hanaovana sorona lehibe lasa nirifatra tsy hita izay nitsoahany. Vaky nandositra hatramin’ny Mpihira Gasy. Ny fanantenana handresy foana, ny tena reraka, ny harena rava sy nafoy. Nisy moka nandrakotra ka niteraka aizina teo ambonin’ny toeram-panasinana, izay tsy nifankahitana. Vokany: nikotaba ny olona izay voakaikitra ka lasa nanavo-tena. Maro tamin’ireo olon-dRamiaramanana (mpanompo sampy) no resy lahatra, ka

a-Nanomboka ny taona 1929 ka hatramin’izao, dia misy fanompoam-pivavahana isa-maraina: “Maraim-baovao”amin’ny FJKM Betafo Fanavaozana; ary izany Afom-pifohazana izany, izay nahitana ihany koa ny famangian’Ineny Ravelonjanahary sy Ineny Volahavana Germaine taty aoriana, dia mampita rehitra tamin’ireo FJKM 8 trano teto Ambohimanarina.

b-Nanomboka io taona 1929 io ihany koa dia teraka ny FIFANDROHIZAM-PIHAVANANA tamin’ny FLM Vatotsara Antsirabe sy ny FJKM Betafo, Anosivavaka ary Anosisoa nateraky ny fifohazam-panahy avy tamin’ny asan’i Baba Rajaofetra sy Ingahy Ratsimba Mpitandrina.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra.

Rakotondramarolahy Bernard

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV