Hafatry ny Synodampinoana 2

Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara

« Miorena tsara, aza miova » (I Kor.15 : 58)

HAFATRY NY SYNODAMPINOANA FAHAROA

KRISTIANA FJKM MIHAVAO SY MPANAVAO

     Ry havana malala,

     Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo (I Kor.1, 3) !

     Misaotra an’Andriamanitra isika fa tanteraka ny 11- 14 Mey 2023, teto amin’ny Synodamparitany Amoron’i Mania Ambositra (SPAMA 06), ny Synodampinoana faharoa, izay manao izao hafatra izao:

     Ny Fiangonana sy ny Kristiana FJKM dia mihavao sy mpanavao.

     Ny fahamarinana sy ny fanambadiana kristiana ary ny fitiavan-tanindrazana sy ny tontolo iainana no nodinihina tamin’izany. Andriamanitra Telo izay iray sy ny Soratra Masina irery ihany no iorenan’izany.

     Eo anatrehan’ny andro mahaory dia taomina ny vahoaka kristiana hiorina amin’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, ka handà ny fampianaran-diso izay efa mielipatrana.

     Ny fiainana tsy ilaozan’ny olana fa ny fananana an’i Jesoa velona dia mitondra ho amin’ny fandresena ka ananantsika ny tena fifaliana tsy resin’ny zava-misy eo anivon’izao tontolo izao.

Ampirisihana ny Kristiana hiaina ny Tenin’Andriamanitra hananany fiainam-panahy ka handinika manokana ny Efe.6, 10- 24.

     Tsy maintsy atrehina ny olana ka manainga ny tsirairay hiasa handresy ny fahantrana. Taomina sy ampirisihana ny vahoaka kristiana hiasa ka ny manan-katao dia hampiasa ny volany mba hiteraka asa. Ny Malagasy isam-pianakaviana dia manana zo hanana tany sy hisitraka izany satria tsy vahiny eo amin’ny taniny izy.

     Ny fanahin’ny fahafoizana sy ny fifampitsinjovana no manamafy sy mampiorina ny fihavanana.

     Ny Fiangonana dia taomina hiantoka ny ankizy izay tsy maintsy nandao ny fianarany noho ny antony tsy fidiny.

     Ny fitiavan-tanindrazana dia adidy aman’andraikitry ny Fiangonana sy ny Kristiana izay maneho ny finoany sy ny fiombonany. Maniraka ny Fiangonana sy ny Kristiana handray andraikitra amin’izay manandrify azy, ka ny akaiky indrindra amin’izany dia ny fifidianana Filoham-pirenena mba ho araka ny sitrapon’Andriamanitra tokoa ny vokatr’izany, mba hiainantsika miadana sy mandry fehizay (I Tim.2, 2)

     Ny Kristiana dia tokony ho sahy no maritiora amin’ny fanehoana ny finoana sy ny fitiavan-tanindrazana.

     Sarobidy ny tontolo iainana izay nomen’Andriamanitra antsika, koa aoka ho saropiaro amin’ny fikajiana sy ny fiarovana izany isika.

     “Ary Andriamanitry ny fiadanana, izay nitondra an’i Jesoa Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ny maty, mitondra ny ran’ny fanekena mandrakizay, Izy anie hahatanteraka anareo amin’ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ny alalan’i Jesoa Kristy! Ho azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay ! Amena” (Heb.13: 20- 21).

Ambositra, 14 Mey 2023

Ny Filohan’ny FJKM

Dr. IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV