FFPM/Famindram-pitantanana

Firaisan’ny Fiangonana Protestanta Malagasy (FFPM)

Ny Filohan’ny FJKM indray no mitantana azy

Ivondronan’ny Fiangonana Protestanta roa lehibe, ny FLM sy FJKM, ny FFPM. Mifandimby isaky ny taona iray ny filohan’ireo fiangonana ireo amin’ny fitantanana azy. Ny  Filohan’ny FLM, ny Dr Pastora RAKOTOZAFY Denis no nitantana tamin’iny taona Lasa iny ary ny Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, indray ankehitriny. Nisy araka izany ny fanompoam-pivavahana sy famindrana ny fitantanana nataon’ireo Filoham-piangonana roa tonta tao amin’ny FLM Ambatovinaky ny Alahady 08 Janoary 2023 tamin’ny 3 ora tolakandro lasa teo. Nitarika fotoam-pivavakana ny Filoha teo aloha no sady Filohan’ny FLM, Dr Pastora RAKOTOZAFY Denis, raha nitory ny tenin’ Andriamanitra ny Filoha Ankehitriny Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina. Taonan’ny asa ity taona ity raha araka ny nambaran’ny Filoha ankehitriny tamin’ny toriteny izay nataony. Hafatra telo mazava no nambarany dia ny hoe: Miasa, Mahereza ary Minoa. Maro ny asa miandry izay nateraky ny famindram-pitantanana toy ny fandrindrana ireo asa iandraiketan’ny FFPM.

 RyJa Kely

Perikopa 2023

Oktobra: AORENO AO AMIN'NY TOMPO NY FIANAKAVIANA

| | 01. Ala XVII man.Trinite
Gen 2.18-25/ Matio 5.31-32/ Efesiana 5.22-23

| | 08. Ala XVIII man.Trinite-Radio protestanta
Deoteronomia 24.1-4/ Marka 10.2-12/ Romana 15.14-21

| | 15. Ala XIX man Trinite-Masera MAMRE
Ohabolana 3.1-12/ Lioka 2.39-52/ Efesiana 6.1-4

| | 22. Ala XX man Trinite Sampana Fifohazana FJKM
Salamo 127.1-5/ Marka 10.13-16/ Kolosiana 3.18-25

FJKM Fahazavana

FJKM ISOTRY FITIAVANA

$('p:has("+ .verset")').css( {color: "red" } );