Tatitra / Fanirahana mpiasa 2022

IRAKA SAHY

«  Dia sahy tao  amin’Andriamanitray   izahay  hiteny  taminareo  ny Filazantsaran’Andriamanitra na dia be aza ny fanoherana » (1 Tes 2.2b)

Izany no teny fanevan’ireo IRAKA SAHY ahitana ireo Mpitandrina  miisa 148 sy Mpampianatra miisa 58 hirotsaka  indray ho amin’ny sahan’ny Tompo  . Izany dia natao teo amin’ny sehatra Antsahamanitra , ny Alahady 31 Jolay 2022 tolakandro . Nitarika ny Fanompoampiavavahana ,ny Mpitandrina  ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy , Filoha Mpanampy BMF .Nitoriteny , Dr IRAKO Andriamahazosoa Ammi , Mpitandrina ,Filohan’ny FJKM.

Ny tatitra  nataon’ny Filohan’ny KFT no nahafantarana fa somary nihena ny voka-panadinana tamin’iny taom-pianarana in ,y  noho ny olan’ny Fotodrafitrasa ary  iraisan’ny TPM /Mpitandrina sy TPM /Mpampianatra izany olana izany . Vokatr’izay dia kilasimandry avokoa ny mpianatra taona I hiditra ao amin’ny TPM .  Fantatra fa nisy koa ireo mpianatra avy amin’ny Fiangonana rahavavy miisa 5 mandranto  fianarana ao amin’ny TPM/FJKM.Hatreto dia tsy mbola ampy ny mpampianatra matihanina , na dia efa misy tokoa aza ireo eo an-dàlam-pamitana  ny fianarana hisalorana ny diplôme maha-Docteur azy ireo .

TORITENY  / 1 TES 2.2b

1-Olon’Andriamanitra izahay : Izaho sy Ilay inoako dia mifamatotra .Ny fisiako dia noho ny Aminy .tena fototra io maha- olon’Andriamanitra antsika io . « hianareo no vavolombelona  ary Andriamanitra koa fa masina sy marina  ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondrantenanay teo imasonareo izay mino » 1 Tes 2.10

2-Irak’Andriamanitra izahay : Ny iraka dia hanambara ny Filazantsaran’Andriamanitra .Fiantsoana ny olona hibebaka , hilavo lefona eo anatrehan’Andriamanitra .Miantso antsika ny Tompo mba ho iraka mahatoky : tsy matimatim-bola , ka vola no handavana ny asan’Andriamanitra ; tsy matimatim-boninahitra . Mahavelona anao ny Filazantsara .

3-Maritioran’Andriamanitra izahay : Iraka nihara-pijaliana i Paoly .Miomàna mba hiaritra ny mafy , hahita lalàna ratsy.Omany ny saina , mba hanananao fahavonononana ka hahery .Ny olona kenakenaina tsy azo antenain-javatra .Hahita ny mafy ianareo fa tsarovy fa hiaraka aminareo JESO .Maritioran’Andriamanitra , vonona ho faty noho ny amin’ny Tompo .

Nisy ny fanolorana ireo Birao KFT vaovao hiasa ny fe-potoana (2021-2025) . Voafidy ho filohan’izany ny Mpitandrina RANDRIAMAMPIONONA Alfred, MF sady Mampianatra Fac. Ato/kanga ;

INSTITUT DE FORMATION ET DE RECHERCHES PEDAGOGIQUES –IFRP

Hatramin’ny taona 2011 dia niova ny rafim-piofanana eo  anivon’ny IFRP  ka lasa rafitra LMD ( Licence-Master- Doctorat).Maharitra 3 taona ny fiofanana .Misy ny ambaratonga rehetra .

Antontanisan’ny mpianatra (2020-2022)

T1 : 70

T2 :65

T3 :59

Marihana fa miisa eo amin’ny 75 ny mpampianatra misahana ny fampiofanana ao amin’ny IFRP , ka ny 30  amin’ireo  dia efa manana Doctorat ary ny sisa kosa eo am-panomanana izany  , afa-tsy ireo  mpampianatra préscolaire sy ny mpampianatra misahana ny fitaizam-panahy .

Admin siteweb

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM