Tsara ho fantatra/ VARIRA

VARIRA NA NY BOBO
Taona vitsivitsy izay no nisian’ny resabe samihafa sy tsaho miely mahakasika ny
varira na ny bobo, tsy hitanisa ireo tranga samihafa izay efa fantatra teto amin’ny
firenena isika fa hifantoka kokoa amin’ny toe-batana ara-tsiantifika. Ity
fanadihadiana ity dia niainga tamin’ny dinidinika nifanaovana tamin’ny Dokotera
Manitra RAKOTOARIVONY, Tale ny Fampiroboroboana sy fampivoarana ny
fahasalamana avy eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.


TSARA HO FANTATRA:
Ny varira (bobo) dia aretina tsy fahatomombanana sy tsy fahita firy hatrany am-
bohoka, avy amin’ny antony ara-pandovan-toetra, izany hoe : “ny fiovan’ny foto-
tarazo, vokatry ny olana eo amin’ny « Chromosome”. Tsy fahatomombanana
mahatonga ny olona iray ho kely na tsy misy singa mpandoko eo amin’ny
masony na eo amin’ny hoditra sy ny volo, ka izany no mahatonga azy ho fotsy be
na antsoina hoe :“bobo”.


ROA KARAZANA IO ARETINA IO
Karazany voalohany dia ny varira mahavoa ny maso sy ny hoditra ary ny volo
(A.O.C.)Ny karazany faharoa dia varira mahazo ny maso fotsiny ihany (A.O.)
Matetika ny varira mahazo ny maso, hoditra sy ny volo dia manaraka ny fomba
fandovana (autosomal recessive) ka ny foto-tarazo X ihany no mitondra ilay tsy
fahatomombanana. Ny varira (bobo) dia mifindra avy amin’ny ray aman-dreny
mankany amin’ny zaza noho ny fiovan’ny foto-tarazo.


NY TOE-PAHASALAMAN’IZY IREO:
Manana olana eo amin’ny fahitana ny varira, tsy mahita amin’ny alina ary tsy
mahita koa na dia amin’ny mazava aza, tsy mahazaka masoandro na hafanana
ny hoditra. Vokatr’izany dia miteraka olana ara-pahasalamana hafa na manimba
ny fahasalaman’ny olona varira izany.


IZA NO METY HO VOAN’IO TSY FAHATOMOMBANANA IO?
Ny varira mahazo ny maso, sy ny hoditra sy ny maso dia mety mahavoa ny
ankizivavy sy ny ankizilahy, izay fahita matetika amin’izy ireo. Ho an’ny varira
mahazo ny maso fotsiny na ilay antsoina hoe :“manga maso” kosa dia aretina izay hita amin’ny ankizilahy ihany, noho izy mifandray amin’ny fifindrana entin’ny foto-tarazo X ihany.
Ny “Albunisme oculocutaneuous” dia mahazatra kokoa noho ny « albinisme
oculaire ».


MAHAKASIKA NY RAY AMAN-DRENINY :
Mety tsy miseho amin’ireo ray aman-dreny niteraka io tsy fahatomombanana io
fa ny iray na ireo ray aman-dreny kosa no mitondra ilay tsy fahatomombanana na
tarazo (Porteur). Ny fikorontanan’ny “recessive”mifandray amin’ny foto-tarazo X
dia mahavoa ny zazalahy ihany, saingy ny vehivavy dia mitondra ilay tsy
fahatomombanana na tsy miseho eo amin’ny vatany aza izany. Ny lehilahy iray
voan’ny aretina dia tsy hiteraka zaza, fa ny zanany vavy rehetra dia ho mitondra
“albinisme ocular”. Ny vehivavy mitondra ilay foto-tarazo misy tsy fahatomombanana dia tsy
hisehoan’ilay aretina akory fa manana izany izy, ka azo tombanana hanana zaza
iray ao anatin’ny efatra mety hisehoan’ilay varira mahazo ny maso.


FEHINY:
Disoina ny fiheverana fa mananjina ny varira, na koa hoe : misy safira any anaty
maso, na manana taova miavaka noho ny olona rehetra koa, ka mahatonga ny
sasany hihevitra ny hanao sorona ka hangalatra azy ireny. Fijaliana ara-batana
no mahazo azy ireo, raha ny nambarany mbola miampy tebiteby koa ateraky ny
tranga ankehitriny, mila fanafody vidiana lafo tsy maintsy ampiasaina isam-
bolana izy ireo hiarovana ny vatany sy ny fahasalamany, ka mangataka
fiarovana manokana avy amin’ny isan-tsokajiny.

Evariste RASOLOHERY

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV